Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voromailala

Voromailala

[Heb.: yôhnah, gôhzal (zana-boromailala); gr.: peristera].

Iray amin’ireo vorona roa resahin’ny Baiboly voalohany. Nandefa voromailala intelo i Noa taorian’ny Safodrano, mba hahafantarany raha ritra ny rano. (Ge 8:8-12) Toa avy amin’ny hoe ʼanah (“malahelo”) ny hoe yôhnah (heb.), izay mitovy amin’ny feon’ny voromailala mitoreo amin’alahelo ny fanononana azy. (Is 38:14; 59:11, 12; Ezk 7:16; Na 2:7) Nadika foana hoe “voromailala” ny hoe yôhnah, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao malagasy.​—Jereo DOMOHINA.

Karazany sy ny mombamomba azy. Anisan’ny fianakaviamben’ny Columbidae ny voromailala, ary misy mpifindra monina na tsia, lehibe na kely kokoa, ary fiompy na tsia. Ny voromailalan’ny harambato (Columba livia) sy ny voromailala vasobasoka (Columba palumbus; antsoina koa hoe voromailala an’ala) ary ny mivolondavenona (Columba oenas) no fahita any Israely. Any amin’ny alan’i Gileada sy Karmela no tena misy voromailala vasobasoka, fa manodidina an’i Jeriko sy eny amin’ny faritra atsinanan’i Jordana kosa ilay mivolondavenona. Ny voromailalan’ny harambato indray monina eny amoron-tsiraka sy eny amin’ny hadilanana lalina amin’ny Lohasahan’i Jordana ary ny havoana any andrefana. Dongadonga ny tratran’ny voromailala, tsara voatra ny tendany, boribory kely ny lohany, kely ny vavany, ary fohy ny tongony. Mitambatra be ny volony ka toy ny hoe malamalama. Manga mivolondavenona ny volony matetika. Ny an’ny sasany kosa misy mangirana, ka mamiratra toy ny metaly rehefa tarafin’ny masoandro. Toa miresaka an-kolaka an’izany ilay hoe “ela-boromailala voarakotra volafotsy, sy volon’elatra voarakotra volamena maitso somary mavo.” (Sl 68:13) Misy indray mihevitra fa zavakanto voakaly nobaboina ilay voalaza eo.

Malefaka sy malemy paika hoatran’ny ondry ny voromailala. Betsaka àry ny ankizilahy jiosy fahiny sy ankehitriny antsoina hoe Jona (Yôhnah). (Jo 1:1) Tsy miala amin’ny vadiny tokana izay tena tiany ny voromailala. Mifanatona ny lohan’ny lahiny sy ny vaviny, ary mifampiditra ny vavany toy ny hoe mifanoroka izy ireo rehefa hivady. Mety àry raha nantsoin’ilay mpiandry ondry hoe “ry voromailalako” ilay tovovavy solemita malalany. (To 5:2) Toy ny masom-boromailala koa ny mason’ilay tovovavy, satria malefa-pijery. (To 1:15; 4:1) Ny an’ilay mpiandry ondry kosa toy ny voromailala manga mivolondavenona mandro ao anaty dobon-dronono, hoy ilay tovovavy. Ny voamaso matroka voahodidin’ny tapotsimaso no tiany holazaina. (To 5:12) Tia mandro koa ny voromailala, ka eny akaikin’ny rano foana ny akaniny.

Saro-tahotra ny voromailala, ary mangovitra rehefa matahotra. (Ho 11:11) Eny amin’ny lemaka ny voromailaladia matetika no manao ny akaniny (Ezk 7:16), fa ny voromailalan’ny harambato kosa eny amin’ny harambato na eny an-tsefatsefaky ny hantsana sy hadilanana lalina. (To 2:14; Je 48:28) Miverina ao amin’ny trano namboarina ho azy ny voromailala ompiana. Toy ny rahona ny ambany elany fotsy rehefa manidina manao andiany izy ireo. (Is 60:8) Nisy tranom-boromailala nofongarina tany Israely, ary lehibe ny sasany.

Efa ela be ny voromailala no nampiasaina hitondra hafatra satria miverina mody foana. Mila fitaovana famantarana fotoana sy toerana ny mpanamory sambo, fa ny voromailala mamonjy fodiana kosa mahafantatra saika eo no ho eo ny lalana halehany, na dia avotsotra any amin’ny toerana tsy fantany an-jatony kilaometatra avy eo amin’ny akaniny aza izy. Ny sahan’andriambin’ny tany ary ny toeran’ny masoandro sy ny fihetsehany eny amin’ny lanitra no manampy azy ka tsy diso lalana izy.

Matanjaka ny ela-boromailala, ka afaka manidina lavitra izy mba hitady sakafo, ary afa-mitsoaka haingana (mety hahatratra 80 km/ora mahery) rehefa tafihin’ny fahavalo. (Sl 55:6-8) Matoky olona anefa izy ka mora fandrihana na samborina amin’ny harato. Toy ny ‘voromailala mora nambakaina’ ka nosamborina tamin’ny harato àry i Efraima nivadi-pinoana, satria natoky an’i Ejipta aloha, avy eo an’i Asyria. (Ho 7:11, 12) Tokony “tsy hanan-tsiny tahaka ny voromailala” ny mpianatr’i Jesosy, nefa koa “ho malina tahaka ny bibilava” satria toy ny amboadia ny mpanohitra azy ireo.​—Mt 10:16.

Natao “niendrika voromailala” ny fanahy masina nidina teo ambonin’i Jesosy, tamin’izy natao batisa sy nohosorana ny fanahin’Andriamanitra. Toy ny voromailala mikopak’elatra mankeo amin’ny toerana fipetrahany angamba ny fahitana ny fidinan’ilay izy. (Lk 3:22; Mt 3:16; Mr 1:10; Jn 1:32-34) Mety raha natao “niendrika voromailala” ny fanahy masina satria tsy manan-tsiny io vorona io.​—Mt 10:16.

Fahita saika eran-tany ny voromailala, hoatran’ny akoho ihany. Ny voromailala anefa mahay manidina, manambady tokana, ary hafa ny firafitry ny vatany sy taolany. Tsy hoatran’ny akoholahy koa ny lahiny satria ampiany hanao akany sy hikotrika ny vaviny. Mampiavaka azy amin’ny vorona hafa rehetra koa ny “rononom-boromailala”, izay zavatra toy ny ronono vokarin’ny takorobabon’ny lahiny sy vaviny ka omeny ny zanany. Fihinan’ny olona any amin’ny tany maro ny zana-boromailala.

Natao sorona. Azo natao fanatitra dorana ny voromailala, hoatran’ny domohina (heb.: tôrim) ihany (Le 1:14), ka nahazo nanolotra roa ho fanatitra noho ny heloka izay tsy nahavidy ondrivavy kely na osivavy kely. (Le 5:5-7) Voromailala (na domohina) no natao sorona noho ny ota niaraka tamin’ny ondrilahy kely iray, rehefa nanao fombafomba fidiovana ny vehivavy tera-bao. Raha tsy nahavidy ondrilahy kosa izy vao nanolotra “zana-boromailala roa” (toy ny nataon’i Maria taorian’ny niterahany an’i Jesosy; Lk 2:22-24). (Le 12:6-8) Voromailala na domohina roa koa no anisan’ny natolotry ny olona nidio, rehefa avy nisy tsiranoka nivoaka taminy (Le 15:13, 14, 28, 29; jereo DOMOHINA), na ny Nazirita nidio rehefa nisy nandoto azy.​—No 6:10.

Fianakaviana jiosy maro no niompy voromailala. Matetika anefa no novidina ireo hatao sorona, araka ny voalaza hoe: “Raha mbola tsy takatry ny volany ny domohina roa na ny zana-boromailala roa.” (Le 5:11) Nisy voromailala namidy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Mety ho ny “domohina” na “zana-boromailala” notakin’ny Lalàn’i Mosesy ilay hoe peristeras (gr.; “voromailala”) resahina eo.​—Mr 11:15; Jn 2:14-16.

“Zana-boromailala” ilay gôhzal (heb.) natolotr’i Abrahama, rehefa ‘nanao fifanekena taminy i Jehovah.’ (Ge 15:9, 18) Niara-natao sorona foana mantsy ny voromailala sy ny domohina, araka ny Lalàna nomena ny Israely tatỳ aoriana. Nadika hoe “zanany kely” ny hoe gôhzal, ao amin’ny Deoteronomia 32:11. Anisan’ny nataon’i Noa sorona ny voromailala, satria ‘naka tamin’ny biby manidina madio’ izy.​—Ge 8:20.

Tena nanamora ny fanaovan’ny Jiosy sorona ilay lalàna hoe azo natao ny nifidy zana-boromailala na domohina. Nifindra monina nankany an-tany hafa mantsy ny ankamaroan’ny domohina rehefa ririnina, fa ny voromailala kosa nisy mandavantaona tany Israely.