Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vorona

Vorona

Misy hazondamosina, rakotra volo, mafana ra, ary manatody ny vorona. Intelonjato eo ho eo ny Baiboly no miresaka vorona, ka lazainy ny anaran’ny karazany 30 eo ho eo. Lasa manidina ny vorona, matetika rehefa mandositra fahavalo. (Sl 11:1; Oh 26:2; 27:8; Is 31:5; Ho 9:11) Mipetraka eny amin’ny hazo izy (Sl 104:12; Mt 13:32); manao akany (Sl 84:3; Ezk 31:6); atao sorona, indrindra fa ny zanaka voromailala sy domohina (Le 1:14; 14:4-7, 49-53); atao sakafo (Ne 5:18), anisan’izany ny atodiny (Is 10:14; Lk 11:11, 12); ary omen’Andriamanitra hanina sy karakarainy (Mt 6:26; 10:29; ampit. De 22:6, 7).

Anisan’ny zavamananaina voalohany teto an-tany ny vorona, satria noforonina tamin’ny “andro” fahadimy niaraka tamin’ny biby an-dranomasina. (Ge 1:20-23) Maromaro ny anarana iombonan’ny vorona ao amin’ny Baiboly, fa ʽôhf (heb.) izay avy amin’ny matoanteny midika hoe “manidina” no fampiasa matetika. Midika hoe “biby manidina” izy io. (Ge 1:20) “Toa ilazana ny fikopakopaky ny elatra sy ny fihetsehan’ilay vorona” kosa izy io, hoy i G. Driver. (Gazety Momba An’i Palestina, Londres, 1955, p. 5) Atao hoe ʽôhf koa ny bibikely manan’elatra izay “mifanaretsaka [heb.: sherets]” (Le 11:20-23; De 14:19; jereo BIBY MIFANARETSAKA), fa tsy ny vorona rehetra ihany (Ge 9:10; Le 1:14; 7:26), anisan’izany ny papelika (Sl 78:27; ampit. Ek 16:13) sy ny vorona mpihinana fatim-biby (1Sa 17:44, 46; 2Sa 21:10). Ampiasain’ny andininy maro koa ny hoe tsippôhr (heb.), izay ilazana vorona amin’ny ankapobeny. (Ge 7:14) Ny vorona mpihaza ihany kosa no atao hoe ʽayit (heb.). Hazavaina ao amin’ny hoe TAONTAONKAFA ny hoe “vorona mifahy” ao amin’ny 1 Mpanjaka 5:3, Prot.

Ôrneôn (“vorona”) (Ap 18:2) sy peteinôn (a.b.t.: mpanidina) ary ptenôs (a.b.t.: mpanidina) kosa no ampiasain’ny Soratra Grika. (Ro 1:23; 1Ko 15:39) “Be resaka” (As 17:18) na spermôlôgôs (gr.) ny apostoly Paoly, hoy ireo filozofa tany Atena. Vorona mitsindroka voa ny spermôlôgôs raha ara-bakiteny. Ny heviny an’ohatra kosa dia hoe olona mangataka na mangalatra ka mitsindroka sombin-tsakafo, na olona mamerimberina sombim-pahalalana fotsiny, toa an’i Paoly, hono.

Ampianarin’ny Baiboly fa noforonin’Andriamanitra ny vorona. Marina izany rehefa dinihina tsara ireny. Manatody ny vorona sy ny biby mandady. Ny biby mandady anefa mangatsia-dra ary matetika kamokamo. Ny vorona kosa mafana ra, anisan’ny zavaboary mihetsiketsika be indrindra, ary mitepo haingana be ny fony. Hevitra noforomporonina fotsiny sy tsy marim-pototra ny hoe ny kiran’ny biby mandady sy ny tongony aloha no nivoatra ho elatra misy volony. Rakotra volo, ary elatra, ary nanana tongotra hamikirana amin’ny hazo mantsy ny vorona nantsoin’ny mpahay siansa hoe archéoptéryx (na elatra fahiny) sy hoe archéornis (na vorona fahiny), na dia nanana nify sy rambo lava nisy taolana aza, rehefa jerena ny fôsiliny. Tsy misy koa biby mandady manana kirany niova ho volom-borona na ny tongony aloha niova ho elatra, ka tsy marina ny fampianaran’ny evolisiona. Tsy hoatran’ny an’ny biby hafa ny “nofon’ny” vorona, hoy ny apostoly Paoly.​—1Ko 15:39.

Nasaina hidera an’i Jehovah ny “vorona manana elatra.” (Sl 148:1, 10) Manao izany tokoa ireny satria be pitsiny sy arifomba. Mety ho 1000 ka hatramin’ny 20 000 mahery ny volon’ny vorona iray. Misy tahobeny isampanan’ny tahony an-jatony anefa ny volo tsirairay. Ny tahony iray indray misy rantsany kely an-jatony maro, ary ny rantsany iray kosa misy faraingo bitika an-jatony. Tombanana ho ana hetsiny ny rantsany kely ary an-tapitrisany ny faraingony bitika amin’ny volom-boromailala iray 15 sm. Be pitsiny sy arifomba ny elatra sy vatan’ny vorona matoa izy afa-manidina, ka tsy misy fiaramanidina afaka mitaha aminy. Maivana ny vorona satria poakaty ny taolany. Mety hilanja 110 g eo ho eo monja àry ny karan’ny vorona bomomandry, nefa 2 m ny elany raha mivelatra. Misy tohana kely be dia be toy ny ao anatin’ny elatry ny fiaramanidina ny ao anatin’ny taolan’ny elatry ny vorona lehibe sasany.

Vorona tsiroaroa “araka ny karazany avy” no nampidirin’i Noa tao amin’ny sambofiara, mba tsy ho fatin’ny Safodrano. (Ge 6:7, 20; 7:3, 23) Tsy tena fantatra hoe “karazany” firy ny vorona tamin’izany, satria vao nisy karazany lany tamingana tato ho ato. Asehon’ny lisitry ny sokajim-borona navoakan’ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1985, Boky Faha-15, p. 14-106) anefa fa 221 monja ny tontalin’ny “fianakaviamben’ny” vorona, anisan’izany ny sasany efa lany tamingana na efa fôsily sisa. Mazava ho azy fa misy vorona an’arivony isan-karazany ao anatin’ny “fianakaviambe” tsirairay.​—Jereo SAMBOFIARA.

Nanao sorona “biby manidina madio” sy biby hafa i Noa, taorian’ny Safodrano. (Ge 8:18-20) Navelan’Andriamanitra hohanin’ny olona ny vorona, afa-tsy ny rany, taorian’izay. (Ge 9:1-4; ampit. Le 7:26; 17:13.) Ireo vorona “madio” àry dia ireo nekeny hatao sorona. Rehefa nomena mantsy ny Lalàn’i Mosesy vao nisy vorona natao hoe “maloto” ka tsy azo nohanina. (Le 11:13-19, 46, 47; 20:25; De 14:11-20) Tsy resahin’ny Baiboly ny antony nilazan’ny Lalàna hoe “maloto” izy ireny, na dia vorona mpihaza na mpihinana fatim-biby aza ny ankamaroany. (Jereo TAKODARA.) Tsy nisy intsony ny vorona tsy azo nohanina, rehefa natao ny fifanekena vaovao, araka ny nasehon’Andriamanitra tamin’i Petera tao amin’ny fahitana.​—As 10:9-15.

Sarotra ny mamantatra ny vorona sasany resahin’ny Baiboly. Jeren’ny mpanao diksionera àry ny dikan’ny fototeny niavian’ilay anarana, satria izany no milaza ny toetoetr’ilay vorona. Jereny koa ny teny manodidina milaza ny fahazarana sy fonenan’izy io, ary dinihiny ny vorona fahita any Palestina. Toa nampitovina tamin’ny feony koa matetika ny fanononana ny anarany.

Ahitana vorona isan-karazany any Palestina, satria misy tampon-tendrombohitra mangatsiaka, lohasaha lalina mafana, tany efitra ngazana, ary lemaka amoron-dranomasina, any akaikin’ny tendrony atsimoatsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Misy lanezy saika mandavantaona ny tampon’ny Tendrombohitra Hermona any avaratra, fa mafana be kosa ny faritra atsimo, 200 km eo ho eo any amin’ny faritra iva amin’ny Lohasahan’i Jordana sy akaikin’ny Ranomasina Maty. Manana vorona mampiavaka azy ny faritra eny an-tendrombohitra, ny faritra mafana na antonontonony, ary ny tany efitra. (Sl 102:6; 104:16, 17) Anisan’ny toerana fandalovan’ny vorona mpifindra monina isan-taona (vanobe, domohina, papelika, sidintsidina, tsikorovana, taontaonkafa, sns) koa i Palestina. Avy any Afrika izy ireo no mianavaratra rehefa lohataona, ary avy any Eoropa sy Azia no mianatsimo rehefa fararano. (To 2:11, 12; Je 8:7) Tombanana ho 470 eo ho eo àry ny vorona isan-karazany mety ho hita any Palestina indraindray ao anatin’ny taona. Azo inoana fa maro noho izany fahiny, satria nihena ny ala sy ny zavamaniry any rehefa nandeha ny fotoana.

Tena be vorona mpihaza (heb.: ʽayit) any Palestina, anisan’izany ny voromahery, firasa, hitsikitsika lehibe, papango, ary vaotoro. Nisy vorona mpihaza nitady hidina teo amin’ny biby sy vorona nataon’i Abrahama sorona, ka voatery noroahiny ireny mandra-pilentiky ny masoandro. (Ge 15:9-12; ampit. 2Sa 21:10.) Tsy dia mahare fofona firy ny vorona mpihaza, ka ny masony mahatsinjo lavitra no ikarohany haza.

Fanaon’ny vorona mpihinana fatim-biby ny miangona manodidina faty. Nampitandremana àry ny fahavalo fa hohanin’ireny ny fatiny. (1Sa 17:44, 46) Nampitandreman’Andriamanitra imbetsaka toy izany koa ny firenen’Israely sy ny mpitondra azy (De 28:26; 1Mp 14:11; 21:24; Je 7:33; 15:3) ary ny firenen-kafa. (Is 18:1, 6; Ezk 29:5; 32:4) “Vorona mpihaza” àry no ilazana izay nampiasain’i Jehovah hampihatra ny didim-pitsarany. (Is 46:11) Lasa fonenan’ny vorona sasany tia mitoka-monina (Is 13:19-21; ampit. Ap 18:2), na lasa tsy nisy vorona intsony (Je 4:25-27; 9:10; 12:4; Ho 4:3; Ze 1:3) ny tanàna aolo na ny tany lao. Amin’ny hoavy dia hasaina hiangona mba hihinana ny fatin’i Goga avy any Magoga sy ny tafiny ny vorona rehetra. (Ezk 39:1-4, 17-21) Mitovy amin’izany ny resahin’ny Apokalypsy hoe ho sakafon’ny ‘vorona rehetra manidina eny afovoan’ny lanitra’ ny fatin’ireo mpitondra sy ny tafiny, rehefa aringan’i Kristy Jesosy Mpanjaka izy ireo.​—Ap 19:11-21; ampifanohero amin’ny fampiononan’Andriamanitra ny olony ao amin’ny Ho 2:18-20.

Tsy nahazo nanao vorona ho Andriamanitra ny Israely. (De 4:15-17) Nivavaka tamin’ny vorona kosa ny firenena mpanompo sampy, indrindra fa i Ejipta. (Ro 1:23) Nahitana fatim-borona an-jatony notehirizina tsy ho lo, indrindra fa hitsikitsika, vaotoro, ary voronosy izay samy masina tamin’ny Ejipsianina, ny fasana any Ejipta. Misy 22 eo ho eo ny endri-tsoratra hieroglifa ejipsianina ilazana vorona.