Vy
Anisan’ny metaly tranainy indrindra fantatry ny olona. Izy io ankehitriny no heverina ho ny metaly betsaka indrindra sy tena ilaina indrindra ary mora vidy indrindra. Ny vy no metaly fahefatra betsaka indrindra ao amin’ny nofon-tany, ary efa ho ny 90 isan-jaton’ny atin’ny tany no vy. Tantarain’ny Baiboly fa nampiasaina ny vy mba hanamboarana fitaovam-piasana, fantsika, vavahady, fitaovam-piadiana, rojo fanagadrana, fitaovam-panoratana, ary andriamani-diso mihitsy aza.
Tsy fahita firy eo amin’ny tsenam-barotra ny vy tsy misy fangarony. Misy karbonina 3 isan-jato sy akora hafa faran’izay kely ny vy raha mbola tsy nafangaro metaly hafa. Misy koa ny vy efa narendrika ka lasa kely dia kely ny karbonina ao aminy. (Jb 40:18) Vy efa narendrika sy nafangaro tamin’ny karbonina kosa ny tsỳ (acier). Raha mbola ampiana zavatra hafa izy io, dia manome tsỳ isan-karazany samy manana ny mampiavaka azy. Mbola tena ntaolo be ny lafaoro sy ny fomba fandrendrehana taloha ela be, ka tsy tena voadio tanteraka ny vy fa tsy maintsy nifangaro tamin’ny karbonina sy zavatra hafa. I Tobala-kaina no olona voalohany lazain’ny Baiboly hoe nanefy sy nanao asa vy, teo anelanelan’ny taona 4000 sy 3000 T.K.—Ge 4:22.
Anisan’ny vy nampiasain’ny olona fahiny ny vy avy amin’ny tainkintana. Nahitana vakana vy tany amin’ireo fasana ejipsianina, ary voaporofo hoe avy tamin’ny tain-kintana ny vy nanaovana azy ireny. Tsy vy avy amin’ny tain-kintana ihany anefa no nampiasain’ny olona. Nitrandraka oksidana vy sy vy miharo solifara koa izy ireo ary nandrendrika an’ireny mba hahazoana vy, na dia tena nila hafanana be aza ny mampitsonika ny vy. (Jb 28:2; Ezk 22:20; jereo MANADIO SY MANDRENDRIKA METALY.) Tsy nampiasaina firy anefa ny vy raha noharina tamin’ny varahina sy halimo, izay azo notefena manta. Na izany aza, dia tena noheverina ho sarobidy ny vy, satria tena mafy sy azo nampiasaina tamin-javatra maro. Tamin’izay zavatra nobaboin’ny Israelita avy tamin’ny fahavalony, dia anisan’ny noheverin’izy ireo ho tena sarobidy ny vy. (No 31:22; Js 6:19, 24; 22:8) Tsy ireny vy ireny ihany anefa no nomena ho anjaran’izy ireo, fa nampanantena koa i Mosesy hoe ho tany feno vy no ho azon’izy ireo any Palestina, ary tanteraka tokoa izany. (De 8:9) Anisan’ny toerana hafa resahin’ny Baiboly hoe nisy vy i Tarsisy, sy “Vedana sy Javana avy any Ozala.”—Ezk 27:12, 19.
Nifanehatra tamin’ny fahavalo nitondra kalesin’ady nisy lelan’antsy vy ny Israelita, rehefa niady mba hahazoana ny Tany Nampanantenaina. (Js 17:16, 18; Mpts 1:19) Nisy fotoana “tsy nahitana mpanefy teo amin’ny tanin’ny Israely manontolo”, satria noraran’ny Filistinina io asa io tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. I Saoly sy Jonatana zanany ihany no nanana sabatra. Voatery nankany amin’ny Filistinina àry ny Israelita rehefa handranitra fitaovam-pambolena.—1Sa 13:19-22.
Tatỳ aoriana anefa, dia nanangona vy be dia be i Davida Mpanjaka, mba hanorenana ny tempoly. Nanao fanomezana koa ny olona, tamin’ny andro nanjakan’i Solomona, ka nanolotra “vy mitentina talenta iray hetsy.” Milaza ny Baiboly maro hoe “talenta vy iray hetsy.” (1Ta 22:14, 16; 29:2, 7) Raha ny vidin’ireo vy no lazaina hoe talenta iray hetsy ary raha talenta volafotsy ilay izy, dia nitentina 660 600 000 dolara ireo vy ireo. Raha ny lanjany kosa no talenta iray hetsy, dia nilanja 3420 taonina tany ho any ireo vy ireo.
Nampiasaina an’ohatra. Fampijaliana mafy sy tsy mifaditrovana no tiana holazaina amin’ny hoe fatana fandrendreham-by. (De 4:20; 1Mp 8:51; Je 11:4) Ny babo na andevo izay tsy azo nantenaina ho afaka no nolazaina hoe nasiana zioga vy. (De 28:48; Je 28:13, 14) Ampiasaina an’ohatra ny vy mba hilazana zavatra mafy (Le 26:19; De 28:23), olona mafy loha (Is 48:4; Je 6:28), zavatra matanjaka (Je 1:18; Da 7:7; Ap 9:9), fahefan’ny mpanjaka, ary fahefana hitsara (Sl 2:9; Ap 2:27; 12:5; 19:15).