Yôda
[י].
Litera fahafolo sady kely indrindra amin’ny abidy hebreo. Mitovitovy amin’izy io ny hoe iôta, izay anaran’ny litera kely indrindra amin’ny abidy grika. Nosoratana sy natao dika mitovy tamin’ny teny hebreo ny Lalàn’i Mosesy, ka azo inoana fa ny hoe yôhd no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nilaza izy fa tsy ho levona “ny litera kely indrindra [gr.: iôta]” amin’ny lalàna, mandra-pahatanterany. (Mt 5:18) Io no voalohany amin’ireo Litera Hebreo Efatra nanoratana ny anarana masina hoe Jehovah (vakina avy eo ankavanana miankavia: יהוה), ka hita tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo voalohandohany. Yôhd miverina indroa, ohatra, no nanoratana ny hoe Jehovah ao amin’ny sombin-taratasy papyrus tamin’ny taonjato fahatelo (P. Oxyrhynchus vii. 1007) misy ny ampahany amin’ny Genesisy avy tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo.—Ge 2:8.
Mitovitovy ny litera hoe yôhd (י) sy vav (ו), ka indraindray nafangaron’ny mpanao dika soratra. Samy manomboka amin’ny yôhd ny andininy tsirairay ao amin’ny Salamo 119:73-80, amin’ny teny hebreo.