Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zabdy

Zabdy

(Zabdỳ) [fanafohezana ny hoe Zabdiela].

1. Taranak’i Joda ary anisan’ny fianakaviamben’ny Zerita. Raiben’i Akana izy.​—Js 7:1, 17, 18.

2. Lohan’ny fianakaviana benjamita nonina tao Jerosalema. Zanakalahin’i Simey na taranany izy.​—1Ta 8:1, 19-21, 28.

3. Sifmita niandraikitra ny tahirin-divain’i Davida Mpanjaka tany amin’ny tanimboaloboka. I Simey kosa no niandraikitra ny tanimboaloboka.​—1Ta 27:27.

4. Levita zanak’i Asafa sady razamben’i Matania mpitarika ny mozika, taorian’ny sesitany. (Ne 11:17) Toa i Zabdy ihany ilay Zikry (1Ta 9:15), na Zakora, resahin’ny andininy hafa.​—1Ta 25:2, 10; Ne 12:35.