Zadoka
(Zadôka) [avy amin’ny fototeny midika hoe “marina”].
1. Mpisorona nalaza tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Taranak’i Arona i Zadoka, satria taranak’i Eleazara Mpisoronabe. (1Ta 6:3-8, 50-53) Mpahita koa izy. (2Sa 15:27) Anisan’ireo lehibem-poko namindra ny fanjakana tamin’i Davida izy, tamin’izy mbola tovolahy natanjaka sy be herim-po. (1Ta 12:27, 28) Tsy nivadika tamin’i Davida izy, nanomboka teo.—2Sa 8:15, 17; 20:25; 1Ta 18:16.
Rehefa nasain’i Davida nampiakarina tany Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena, dia nanaraka azy io i Zadoka sy Abiatara (ny anaran’i Zadoka foana no tononina voalohany rehefa voatonona miaraka ny anaran’izy roa lahy, angamba noho izy sady mpaminany koa). Mpisorona tao amin’ny tranolay masina tany Gibeona, nandritra ny fotoana kelikely, i Zadoka taorian’izay. (1Ta 15:11, 14; 16:39) Rehefa nikomy i Absaloma, dia niara-nandositra tamin’i Davida avy tao Jerosalema i Zadoka sy ny Levita, ka nitondra an’ilay Vata. Nasain’i Davida niverina anefa izy ireo, ary nanendry an’i Zadoka sy ny lehilahy sasany izy mba hihainohaino izay nitranga tao an-tranon’ny mpanjaka ary hampita izany tany aminy. (2Sa 15:23-29, 35, 36; 17:15, 16; 18:19-27) I Zadoka sy Abiatara no nasain’i Davida nanentana ny olona handray tsara azy, rehefa rava ilay fikomiana ka nody tao Jerosalema izy. (2Sa 19:11-14) Nizara an’ireo Levita araka ny fanompoana hiandraiketany ao amin’ny tempoly i Davida, tamin’ny faramparan’ny fotoana nanjakany, ary i Zadoka sy Ahimeleka zanak’i Abiatara no nanampy azy.—1Ta 24:3, 6, 30, 31.
Saika handrombaka fahefana i Adonia, tatỳ aoriana. Tsy nanohana azy i Zadoka, fa i Abiatara kosa niandany taminy. Notendren’i Davida hanosotra an’i Solomona ho mpanjaka àry i Zadoka. (1Mp 1:7, 8, 26, 32-46) Mpisorona fotsiny izy, tamin’ny andro nanjakan’i Saoly sy Davida, fa i Abiatara no mpisoronabe. Tena tsy nivadika tamin’i Davida anefa i Zadoka, fa i Abiatara kosa tsy azo nitokisana. Notendren’i Solomona ho mpisoronabe izy vokatr’izany, ary i Abiatara noroahiny hiala tao Jerosalema. Tanteraka tamin’izay ny faminanian’i Jehovah nanameloka ny taranak’i Ely. (1Mp 2:26, 27, 35) Mbola voatonona miaraka i “Zadoka sy Abiatara”, tatỳ aoriana, ao amin’ny 1 Mpanjaka 4:4, angamba mba hahalalana ny tantara fotsiny. Milaza i Josèphe fa i Zadoka no mpisoronabe voalohany tao amin’ny tempolin’i Solomona. (Rakitry ny Ela Jiosy, X, 152 [viii, 6]) Mpitarika ny taranak’i Arona i Zadoka, araka ny 1 Tantara 27:16, 17. Voaporofo ao amin’ny Baiboly fa ny taranak’i Zadoka no nanao ny asan’ny mpisoronabe hatramin’ny andron’i Dariosy Persianina (azo inoana fa Dariosy II). (1Mp 4:2; 1Ta 6:8-15; 2Ta 31:10; Ne 12:22) “Taranak’i Zadoka” ireo mpisoron’ny tempoly hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana.—Ezk 40:46; 43:19; 44:15; 48:11.
2. Dadaben’i Jotama mpanjakan’ny Joda, izany hoe ray niteraka ny reniny.—2Mp 15:32, 33; 2Ta 27:1.
3. Taranak’i Arona avy tamin’i Zadoka No. 1, ka anisan’ireo mpisoronabe nifandimby. Anisan’ireo razamben’i Ezra, ilay ‘tena havanana tamin’ny fanaovana dika soratra’, izy.—1Ta 6:3, 8, 12, 13; 9:11; Ezr 7:1-6; Ne 11:11.
4. Anisan’ireo nanorina indray ny mandan’i Jerosalema efa simba, taorian’ny sesitany. Zanakalahin’i Bana i Zadoka. (Ne 3:4) Nisy fifanekena nataon’ilay firenena taoriana kelin’izay, ka nanao sonia an’izany i Zadoka na ny solontenan’ny fianakaviambe iray nitovy anarana taminy.—Ne 9:38; 10:1, 14, 21.
5. Olon-kafa iray nanampy rehefa naorina indray ny mandan’i Jerosalema efa simba. Zanakalahin’i Imera, na taranany, i Zadoka. Mety ho anisan’ny fianakaviamben’ny mpisorona io Imera io.—Ne 3:29.
6. Mpanao dika soratra i Zadoka, ary izy sy Selemia ary Pedaia no nasain’i Nehemia niandraikitra ny trano fitehirizana entana izay nisy an’ireo fanomezana ho an’ny Levita. (Ne 13:13) Mety ho izy ihany ilay No. 5.
7. Anisan’ny razamben’i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy. Niaina taorian’ny sesitany i Zadoka.—Mt 1:14.