Zakaiosy
(Zakaiòsy) [avy amin’ny teny heb., ary mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “madio”].
Lehiben’ny mpamory hetra tany Jeriko ary lasa mpianatr’i Kristy. Azo inoana fa izy no nifehy an’ireo mpamory hetra hafa tany Jeriko sy ny manodidina. Lonaka sy namokatra ny faritra nanodidina an’i Jeriko, ka niroborobo ny varotra ary nampiditra hetra be. Toy ny ankabeazan’ny mpamory hetra ihany i Zakaiosy, ary azo inoana fa nohararaotiny hanaovan-javatra tsy dia mazava izany toerany izany mba hanangonan-karena. Izany no nahazoany ny ankamaroan’ny harenany. Voalaza mantsy fa “mpanankarena” izy.—Lk 19:1, 2, 8; jereo MPAMORY HETRA.
Tonga tany Jeriko i Jesosy tamin’ny voalohandohan’ny taona 33, taloha kelin’ny nandehanany tany Jerosalema sy ny nahafatesany tany. Te hahita azy i Zakaiosy, saingy fohy kely ka tsy nahatazana azy avy tao anaty vahoaka. Nihazakazaka nialoha azy àry izy, ary nianika hazo mba hahafahany hahita azy. Nanohina ny fon’i Jesosy izany, ka nilaza tamin’i Zakaiosy izy fa hipetraka tany aminy nandritra ny fotoana nijanonany tao Jeriko. Tsy faly tamin’izany ny olona, ary nilaza hoe minamana amin’ny mpanota i Jesosy. Nasehon’i Zakaiosy anefa fa niova izy, ka nambarany fa honerany avo efatra heny izay rehetra nalainy tsy ara-drariny, ary homeny ho an’ny mahantra ny antsasaky ny Lk 19:3-10) Mbola tao amin’i Zakaiosy izy, tamin’izy nilaza an’ilay fanoharana momba ny farantsa.—Lk 19:11-28.
fananany. Hoy i Jesosy: “Androany no tonga tato amin’ity trano ity ny famonjena.” (