Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zakaria

Zakaria

(Zakarìa) [Nahatadidy i Jehovah].

1. Anisan’izy folo lahy zanak’i Jeiela avy amin’ny fokon’i Benjamina. (1Ta 9:35-37) Nohafohezina hoe Zakera ny anarany ao amin’ny 1 Tantara 8:31.

2. Robenita iray mety ho anisan’ireo niady tamin’ny Hagarita tamin’ny andron’i Saoly.​—1Ta 5:6, 7, 10.

3. Levita “mpanolo-tsaina hendry” sady mpiandry vavahady teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. Teo avaratra no anjarany rehefa nalamin’i Davida indray ireo Levita hanompo tao an-tempoly. Izy no lahimatoan’i Meselemia, Levita Korahita tao amin’ny fianakaviamben’ny Kehatita.​—1Ta 9:21, 22; 26:1, 2, 14.

4. Levita voatendry hitendry lokanga niaraka tamin’ny Levita hafa, rehefa natao ilay filaharam-be nankany Jerosalema mba hanatitra ny Vata misy ny fifanekena. Nitendry lokanga teo anoloan’ny tranolay nasiana azy io izy, tatỳ aoriana.​—1Ta 15:18, 20; 16:1, 4, 5.

5. Mpisorona nitsoka trompetra tao amin’ilay filaharam-be, rehefa nentina tany Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena.​—1Ta 15:24.

6. Levita anisan’ny fianakavian’i Oziela, ary anisan’ireo Levita nalamina indray mba hanompo tao an-tranon’i Jehovah.​—1Ta 24:24, 25.

7. Levita Merarita zanakalahin’i Hosa. Voatendry ho anisan’ny mpiandry vavahady i Zakaria, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 26:1, 10, 11.

8. Manasita rain’i Ido, izay mpiadidy teo amin’ny fokony tany Gileada, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 27:16, 21.

9. Levita rain’i Jahaziela, izay nanome toky an’i Josafata sy ny mponin’i Joda fa hiady ho azy ireo i Jehovah.​—2Ta 20:13-17.

10. Anisan’ny andrianan’ny vahoaka nasain’i Josafata nampianatra ny lalàn’i Jehovah nanerana an’ireo tanànan’i Joda, tamin’ny 934 T.K.​—2Ta 17:7, 9.

11. Zanakalahin’i Josafata Mpanjaka. Nomen’i Josafata fanomezana be dia be i Zakaria sy ny rahalahiny, fa nomeny an’i Jorama lahimatoa kosa ny fanjakana. Nanamafy orina ny toerany anefa i Jorama rehefa lasa mpanjaka, ka novonoiny i Zakaria sy ny rahalahiny rehetra ary ny andriana sasany.​—2Ta 21:1-4.

12. Zanakalahin’i Joiada Mpisoronabe. Zanak’olo-mpiray tam-po i Zakaria sy Joasy Mpanjaka. (2Ta 22:11) Tsy nanompo an’i Jehovah intsony i Joasy rehefa maty i Joiada, satria ny tenin’olon-kafa no narahiny fa tsy ny tenin’ny mpaminanin’i Jehovah. Niteny mafy ny vahoaka momba izany i Zakaria. Tsy nibebaka anefa izy ireo, fa nitora-bato azy teo an-tokotanin’ny tempoly. Hoy izy rehefa ho faty: “Hojeren’i Jehovah anie izao ka hovaliany!” Tanteraka io faminaniana io rehefa nofaizin’ny Syrianina i Joda. Novonoin’ny mpanompony roa koa i Joasy, “noho ny nandatsahany ny ran’ny zanak’i Joiada mpisorona.” Amin’ny endriny milaza tokana ny hoe “zanak’i” ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina. Amin’ny endriny milaza maro kosa izy io ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta sy ny Peshitta syriàka, angamba mba hilazana fa tsara toetra sy mendri-kaja i Zakaria mpaminany sady mpisorona zanak’i Joiada.​—2Ta 24:17-22, 25.

Azo inoana fa i Zakaria zanak’i Joiada no tao an-tsain’i Jesosy, rehefa nilaza izy fa hatao ampamoaka “ity taranaka ity [ny Jiosy tamin’ny androny] noho ny amin’ny ran’ny mpaminany rehetra nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, nanomboka tamin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ny alitara sy ny tranon’Andriamanitra.” (Lk 11:50, 51) Teo tokoa no novonoina i Zakaria. Ny Tantara no boky farany tamin’ny Soratra Hebreo, tamin’ny taonjato voalohany. Toy ilay hoe “manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy” àry, ny tenin’i Jesosy hoe ‘nanomboka tamin’i Abela ka hatramin’i Zakaria.’ Zanak’i Barakia i Zakaria, hoy ny Matio 23:35, andininy mifanitsy amin’ny Lioka 11:50, 51. Mety ho anarana hafa niantsoana an’i Joiada ny hoe Barakia, na anaran’olona velona teo anelanelan’i Joiada sy Zakaria, na anaran’ny razambe tany aloha kokoa.​—Jereo BARAKIA.

13. Anisan’ny mpanolo-tsain’i Ozia Mpanjaka (nanjaka tamin’ny 829-778 T.K.). “Nampianatra azy hatahotra an’ilay tena Andriamanitra” i Zakaria.​—2Ta 26:5.

14. Mpanjakan’ny Israely farany tamin’ny taranak’i Jeho, ary zanakalahin’i Jeroboama II. Nanjaka enim-bolana izy, dia novonoin’i Saloma. (2Mp 15:8-12) Maty tamin’ny 803 T.K. tany ho any (taona faha-27 nanjakan’i Ozia; 2Mp 14:29) ny rain’i Zakaria, nefa 11 taona teo ho eo taorian’izay vao voalaza fa nanjaka i Zakaria (t. 792 T.K., na taona faha-38 nanjakan’i Ozia). (2Mp 15:8, 13) Mety ho mbola kely mantsy izy rehefa maty ny rainy, na mety ho nisy nanohitra mafy izy (toy ny nahazatra tao amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra), ka noreseny aloha ireo mpanohitra vao niorina tsara ny fanjakany.

15. Zanakalahin’i Jeberekia, ary vavolombelona nahita an’i Isaia nanoratra ny anaran-janany teo amin’ny takela-kazo.​—Is 8:1, 2.

16. Raiben’i Hezekia Mpanjaka avy amin’ny reniny.​—2Mp 18:1, 2; 2Ta 29:1.

17. Anisan’ny Levita taranak’i Asafa nanary ny zavatra maloto navoaka avy tao an-tempoly, raha vao nanjaka kelikely i Hezekia.​—2Ta 29:13, 15-17.

18. Levita Kehatita, ary anisan’ny voatendry hiandraikitra an’ireo nasain’i Josia Mpanjaka nanamboatra ny simba tamin’ny tempoly.​—2Ta 34:8, 12.

19. Iray tamin’izy telo lahy lohany teo amin’ny mpisorona nanome biby be dia be natao sorona, rehefa nalamin’i Josia ny fankalazana ilay Paska nanetriketrika.​—2Ta 35:1, 8.

20. Mpaminany taorian’ny sesitany. Nanoratra ny boky mitondra ny anarany izy. Nilaza izy fa “zanak’i Berekia, zanak’i Ido” ny tenany. (Za 1:1, 7) Tsy miresaka an’i Berekia kosa ny andininy hafa momba azy. (Ezr 5:1; 6:14; Ne 12:4, 16) Toa teraka tany Babylona i Zakaria, matoa nanomboka naminany izy, rehefa afaka 17 taona monja taorian’ny nodiana avy tany an-tsesitany. Azo inoana àry fa maherin’ny 17 taona izy tamin’izy lasa mpaminany, na dia mbola “tovolahy” aza.​—Za 2:4.

Noraran’ny fanjakan’i Persa ny fanorenana indray ny tempolin’i Jehovah. Na izany aza, dia nasain’i Jehovah nentanin’i Zakaria sy Hagay i Zerobabela sy Jesoa Mpisoronabe ary ireo Jiosy nody avy tany an-tsesitany, mba hamita ilay asa. (Ezr 5:1, 2; 6:14, 15) Nanentana azy ireo i Zakaria, nandritra ny roa taona sy iray volana. (Za 1:1, 7; 7:1, 8) Tsy resahin’ny Baiboly kosa izay faminaniana hafa nolazainy.​—Jereo ZAKARIA, BOKIN’I.

I Berekia no rain’i Zakaria. “Zakaria, zanak’i Barakia” anefa no noresahin’i Jesosy (Mt 23:35; mariho fa tsy hoe Berekia no eo). Azo inoana àry fa mpisoronabe velona talohan’i Zakaria zanak’i Berekia io Barakia io.​—Jereo No. 12.

21. Anisan’ny “lohandohany” nirahin’i Ezra hitady olona hanompo tao an-tranon’Andriamanitra, rehefa ho any Jerosalema ry Ezra (468 T.K.). (Ezr 8:15-17) Mety ho izy ihany ilay No. 22 na No. 23.

22. Lohan’ny fianakaviamben’i Parosy. Niaraka tamin’i Ezra nankany Jerosalema i Zakaria sy ny 150 lahy avy tamin’io fianakaviambe io. (Ezr 8:1, 3) Mety ho izy ihany ilay No. 21.

23. Lohan’ny fianakaviamben’i Bebay. Nitondra 28 lahy avy tamin’io fianakaviambe io izy, rehefa niara-niverina tamin’i Ezra. (Ezr 8:1, 11) Mety ho izy ihany ilay No. 21.

24. Anisan’ny taranak’i Elama. Nisaraka tamin’ny vadiny hafa firenena izy ireo, noho ny torohevitr’i Ezra.​—Ezr 10:10, 11, 26, 44.

25. Naman’i Ezra nijoro teo ankaviany, fony izy namaky sy nanazava ny Lalàna tamin’ny vahoaka. Toa mpisorona i Zakaria.​—Ne 8:1, 2, 4.

26, 27. Roa lahy zanak’i Amaria sy avy tamin’ny fianakavian’ny Selita. Anisan’ny fokon’i Joda izy ireo, ary nonina tao Jerosalema ny taranany, taorian’ny sesitany tany Babylona.​—Ne 11:4, 5.

28. Mpisorona zanakalahin’i Pasora. Nonina tao Jerosalema ny taranany, taorian’ny sesitany.​—Ne 11:10, 12.

29. Mpisorona zanakalahin’i Jonatana. Nitsoka trompetra tao amin’ny filaharam-be izy, rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema voaorina indray.​—Ne 12:27, 31, 35.

30. Mpisorona nitsoka trompetra koa, tamin’ilay fitokanana natrehin’ilay No. 29.​—Ne 12:40, 41.

31. Mpisorona rain’i Jaona Mpanao Batisa. (Lk 3:2) Nipetraka teny amin’ny havoanan’i Jodia izy sy Elizabeta vadiny, izay havan’i Maria renin’i Jesosy. Natahotra an’Andriamanitra sy nankatò ny didiny izy mivady. Efa antitra izy ireo nefa tsy niteraka.​—Lk 1:5-7, 36.

Rehefa anjaran’ny “fizarana nisy an’i Abia” ny nanolotra emboka manitra, dia niditra tao amin’ny toerana masina toy ny mahazatra i Zakaria. Mety ho faran’ny lohataona na fiandohan’ny fahavaratra taona 3 T.K. tamin’izay. Niseho taminy i Gabriela, anjelin’i Jehovah, ary nilaza fa efa nohenoin’Andriamanitra ny fitalahoany, ka hitera-dahy i Elizabeta vadiny ary hatao hoe Jaona ny anaran’ilay zaza. Nolazain’i Gabriela koa ny fomba tokony hitaizana azy io sy izay hataony rehefa lehibe. (Lk 1:5-17) Tsy tena nino an’ilay anjely i Zakaria, fa te haka toky ka nangataka famantarana. Ho moana àry izy mandra-pahaterak’i Jaona, hoy ilay anjely. (Lk 1:18-23) Rehefa feno valo andro ilay zaza, dia nanome anarana azy ny havana sy ny mpiara-monina. Tsy neken’i Elizabeta anefa ny soso-kevitr’izy ireo, satria Jaona, hono, no hatao anaran’ilay zaza. Nantsoina àry i Zakaria, ka nosoratany teo amin’ny takela-kazo hoe: “Jaona no anarany.” Tonga dia afaka niteny indray izy, ary naminany momba ny asa hataon’ilay zanany sy ny Mesia.​—Lk 1:13, 57-79.