Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zakaria, Bokin’i

Zakaria, Bokin’i

Boky ao amin’ny Soratra Hebreo nosoratan’i “Zakaria mpaminany zanak’i Berekia, zanak’i Ido.” (Za 1:1) Azo fantarina ao hoe naharitra hafiriana ny zava-nitranga noresahiny ary tokotokony ho oviana izy io no nosoratana. Ny andro fahefatry ny volana Kisleo tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosy (t. 1 Desambra 518 T.K.) no daty farany resahiny. (7:1) Tsy ho talohan’ny faramparan’ny 518 T.K. àry no nahavitan’ilay boky. “Tamin’ny volana fahavalo tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy” (Oktobra/Novambra 520 T.K.) kosa no ‘tonga tamin’i Zakaria ny tenin’i Jehovah.’ (1:1) Naharitra roa taona àry, fara fahakeliny, ny zavatra resahin’ilay boky.

Tsy mitovy amin’ireo toko eo alohany ny Zakaria toko faha-9 ka hatramin’ny toko farany, satria tsy miresaka momba ny anjely, fahitana, Zerobabela Governora sy Josoa Mpisoronabe, ny fanorenana indray ny tempoly, ary tsy ahitana ny anaran’i Zakaria. Miresaka faminaniana hafa koa ireo toko farany ireo. Milaza àry ny mpitsikera maromaro fa tsy i Zakaria no nanoratra azy ireo. Tsara hotadidina anefa fa notarihin’ny fanahy masina i Zakaria, hoatran’ny mpaminany hafa ihany, ary tsy nitovy ny fotoana sy ny fomba nahazoany fanambarana avy tamin’Andriamanitra. (2Pe 1:20, 21) Ny asa soratry ny mpaminany koa tsy voatery hoe miresaka momba ny zava-nitranga tamin’ny andron’ilay mpaminany na misy ny anarany na ny anaran’ny olona niara-belona taminy. Boky iray mirakitra hevitra mirindra tsara ny bokin’i Zakaria, fa tsy ampahany samy hafa nosoratan’ny mpanoratra maromaro. Asongadin’izy io foana mantsy fa honenana indray i Jerosalema, ary hiaro azy io i Jehovah.​—Za 1:13-21; 2:4, 5; 8:14-23; 9:11-17; 12:2-6; 14:3-21.

Zava-nitranga ara-tantara. Nandre izao teny izao i Zakaria mpaminany, tamin’ny 9 Febroary 519 T.K. tany ho any: “Milamina tsy misy korontana ny tany manontolo.” (Za 1:7, 11) Tsy natahoran’ireo firenena hanakorontana i Jerosalema tamin’izay, nefa toa nafoin’i Jehovah ilay tanàna. Efa natao tamin’ny 536 T.K. ny fototry ny tempoly, saingy tsy nandroso ilay asa fanorenana noho ny fanoheran’ny fahavalo. Farany, natsahatry ny fanjakana ilay izy tamin’ny 522 T.K. (Ezr 4:4, 5, 24) Mafy koa ny nanjo an’ireo Jiosy tafaverina an-tanindrazana satria nisy hain-tany ka ratsy ny vokatra, noho izy ireo tsy nanorina intsony ny tempoly. (Hg 1:6, 10, 11) Nila nampaherezina hanohy an’ilay asa àry izy ireo, na dia nisy sakana lehibe aza.

Tena nampahery sy nandrisika an’ireo Jiosy ny tenin’i Jehovah nolazain’i Zakaria. Hitan’i Zakaria tao amin’ny fahitana mantsy fa sitrapon’Andriamanitra ny hanorenana indray an’i Jerosalema sy ny tempoly. (Za 1:16; toko 2) Ho ringana ireo firenena nanaparitaka ny mponin’i Joda. (1:18-21) Hanao akanjo madio eo anatrehan’i Jehovah indray i Josoa Mpisoronabe (3:3-7), ary ho vitan’i Zerobabela Governora ilay tempoly, noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra.​—4:6-9.

Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Resahin’ilay boky fa i Jehovah no Mpiaro ny vahoakany. (Za 2:5; ampit. De 33:27; Sl 46:11; 125:2.) Mamaly soa na manasazy olona sy firenena arakaraka izay nataon’izy ireo izy, ary miverina amin’izay mibebaka sy miverina aminy. (Za 1:2-6; 7:11-14; ampit. Is 55:6, 7; Je 25:4-11; Ezk 33:11; Ml 3:7; 2Pe 3:9.) Izao no takiny amin’ireo te hahazo sitraka aminy: Milaza ny marina, mankatò, manao ny rariny, maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, ary mamindra fo. (Za 7:7-10; 8:16, 17; ampit. De 24:17; Sl 15:1, 2; 82:3, 4; Oh 12:19; Je 7:5, 6; Ef 4:25.) Tsy hamaly ny antso vonjy ataon’ireo tsy mankatò azy kosa izy.​—Za 7:13; ampit. Is 1:15; Ft 3:42-44.

Mitovitovy koa ny voalazan’ny andininy hafa ao amin’ny Zakaria sy ny ao amin’ny boky hafa.​—Ampitahao Za 3:2 sy Jd 9; Za 4:3, 11-14 sy Ap 11:4; Za 4:10 sy Ap 5:6; Za 8:8 sy Ap 21:3; Za 14:5 sy Jd 14; Za 14:7 sy Ap 21:25; Za 14:8 sy Ap 22:1, 17.

Faminaniana tanteraka. Anisan’ny Baiboly tokoa ny bokin’i Zakaria satria tanteraka ireo faminaniana raketiny. Tanteraka, ohatra, ny Zakaria 9:1-8 rehefa nanafika an’i Syria sy Fenisia ary Filistia i Aleksandra Lehibe, ary nandresy an’i Tyro sy Gaza. Maro koa ny faminaniana tanteraka tamin’i Kristy Jesosy: Nohobina toy ny mpanjaka izy niditra tao Jerosalema nefa ‘nanetry tena, nitaingina ampondra’ (Za 9:9; Mt 21:5; Jn 12:15), “farantsa volafotsy telopolo” no namadihana azy (Za 11:12, 13; Mt 26:15; 27:9), niparitaka ny mpianany (Za 13:7; Mt 26:31; Mr 14:27), nolefonina izy teo amin’ny hazo fijaliana (Za 12:10; Jn 19:34, 37), ary ho Mpanjaka sady Mpisorona izy (Za 6:12, 13; He 6:20; 8:1; 10:21).

[Efajoro, pejy 1187]

HEVITRA MISONGADINA: ZAKARIA

Faminaniana nandrisika ny Jiosy hamita ny tempoly, ary nanambara ny hiavian’ny Mesia, izay ho Mpanjaka sady Mpisorona

Nosoratan’i Zakaria tamin’ny andron’i Dariosy I mpanjakan’i Persa, 19 taona teo ho eo taorian’ny nodian’ny Jiosy avy tany Babylona tamin’ny 537 T.K.

Fandrisihana hibebaka, fahitana valo, ary faminaniana momba ilay “Tsimoka” (1:1–6:15)

Fahitana voalohany: Lehilahy nitaingina soavaly mena sy lehilahy telo nitaingin-tsoavaly nijanona teny amin’ny hazo mirta; fanomezan-toky fa hamindrana fo i Jerosalema ary haorina indray ny tempoly

Fahitana faharoa: Tandroka efatra nampiely an’i Joda, avy eo naongan’ny mpiasa efatra

Fahitana fahatelo: Tovolahy nitondra tady andeha handrefy an’i Jerosalema; nisy anjely nilaza fa ho maro be ny mponina ao, ary hiaro an’ilay tanàna i Jehovah

Fahitana fahefatra: Naloto be ny akanjon’i Josoa Mpisoronabe, ka nosoloana akanjo mihaja be

Fahitana fahadimy: Fitoeran-jiro volamena nisy jiro fito nahazo menaka avy tamin’ny hazo oliva roa; hampian’ny fanahin’Andriamanitra hamita an’ilay tempoly i Zerobabela

Fahitana fahenina: Horonam-boky nanidina, izay ozona ho an’ireo nangalatra sy nianiana lainga tamin’ny anaran’i Jehovah

Fahitana fahafito: Vehivavy antsoina hoe Faharatsiana nentina tao anaty efaha famarana nankany Sinara

Fahitana fahavalo: Kalesy efatra avy teo anelanelan’ny tendrombohitra varahina roa, nivezivezy teny amin’ny tany

Hanorina ny tempolin’i Jehovah ilay lehilahy atao hoe Tsimoka, ary ho mpanjaka sady mpisorona

Fanontaniana momba ny fifadian-kanina nahatsiarovana ny loza nanjo an’i Jerosalema (7:1–8:23)

Sazy noho ny tsy fankatoavana ireo loza; tsy tena natao ho an’i Jehovah ny fifadian-kanina ho fahatsiarovana an’ireo loza

Hankasitrahan’i Jehovah i Jerosalema; hovana ho “fifaliana sy firavoravoana ary fety be” ireo andro fifadian-kanina; maro no ho any Jerosalema hitady sitraka amin’i Jehovah

Fanamelohana firenena, faminaniana momba ny Mesia, fampodiana ny vahoakan’i Jehovah (9:1–14:21)

Homelohin’i Jehovah ny tanàna sy firenena maro

Olo-marina, manetry tena ny Mpanjakan’i Ziona, hitaingina ampondra

Tezitra tamin’ireo mpiandry sandoka i Jehovah

Hampodina avy any Ejipta sy Asyria ny vahoakany niparitaka

Notendrena hiandry ny ondrin’Andriamanitra i Zakaria; farantsa volafotsy 30 no karama nomen’ny olona azy

Ho toy ny vato mavesatra i Jerosalema ka haratra mafy izay manainga azy

Hisy lavadrano holavahana mba hanadiovana ny Jiosy ho afaka amin’ny fahotana; hasiana ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry

Hotafihina i Jerosalema, nefa hiady amin’ireo mpanafika i Jehovah

Hankalaza isan-taona ny Fetin’ny Trano Rantsankazo sy hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah Mpanjaka ireo sisa tsy maty tamin’ireo firenena nanafika