Zakora
(Zakòra) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mahatadidy”].
1. Robenita rain’i Samoa, izay anisan’izy 12 lahy nirahin’i Mosesy hijery taratra ny Tany Nampanantenaina.—No 13:3, 4.
2. Simeonita rain’i Simey, izay nanan-taranaka maro be.—1Ta 4:24-27.
3. Levita Merarita, ary zanakalahin’i Jazia.—1Ta 24:26, 27.
4. Gersonita niandraikitra ny fizarana fahatelo nisy an’ireo Levita mpitendry zavamaneno. Zanakalahin’i Asafa izy. (1Ta 25:2, 10; 6:39, 43; Ne 12:35) Mety ho izy ihany ilay hoe Zabdy (Ne 11:17) na Zikry.—1Ta 9:15.
5. Zanakalahin’i Imry, ary anisan’ny nanorina ny mandan’i Jerosalema teo ambany fitarihan’i Nehemia.—Ne 3:2.
6. Levita anisan’ny nanao sonia an’ilay fifanekena natao tamin’ny andron’i Nehemia Governora. Nanao fifanekena mantsy ny vahoaka fa tsy hivadika amin’i Jehovah. Mety ho i Zakora mihitsy no nanao sonia, na angamba nisy taranany nanao sonia tamin’ny anarany. (Ne 9:38; 10:1, 9, 12) Mety ho izy ihany ilay No. 7.
7. Levita rain’i Hanana. Nasaina nozarainy tamin’izay tokony homena azy ny ampahafolon-karena, tamin’ny andron’i Nehemia Governora. (Ne 13:10-13) Mety ho izy ihany ilay No. 6.