Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zalmona

Zalmona

(Zalmòna).

1. Mpanjakan’ny Midianina. Nampahory an’ireo Israelita nandritra ny fito taona ny tafiny sy ireo mpiray dina taminy, talohan’ny naha mpitsara an’i Gideona. (Mpts 6:1) Olom-bitsy monja no niaraka tamin’i Gideona, nefa resiny ireo mpanafika ka vaky nandositra. Nenjehiny ireo fahavalo ary tratrany i Zebaha sy Zalmona Mpanjaka, ka novonoiny ho faty.​—Mpts 6:33; 8:4-21; Sl 83:11, 12; jereo ZEBAHA.

2. Ahohita anisan’ny miaramila mpiadin’i Davida. (2Sa 23:8, 28) Toa nantsoina hoe Ely izy ao amin’ny 1 Tantara 11:29.

3. Toerana nitobian’ny Israelita tany an-tany efitra, rehefa niala avy teo amin’ny Tendrombohitra Hora izy ireo, talohan’ny nankanesany tany Ponona. (No 33:41, 42) Nilaza i Y. Aharoni, Hebreo mpikaroka, fa mety ho i es-Salmaneh no Zalmona, 20 km eo ho eo avaratra avaratrandrefan’ilay toerana lazaina fa Ponona.

4. Tendrombohitra akaikin’i Sekema. Teny amin’io tendrombohitra io i Abimeleka sy ny tafiny no nikapa hazo, mba handoroana an’ilay efitra fandosirana tao amin’ny tanànan’i Sekema. (Mpts 9:48, 49) I Ebala sy Gerizima ihany anefa no tendrombohitra akaikin’i Sekema. Mety ho tendron’iray tamin’izy ireo na tehezany àry i Zalmona, na mety ho havoana kely teo akaiky teo.

5. Tendron’ny tendrombohitra iray any Basana, atsinanan’i Jordana. (Sl 68:14, 15) Io angamba no tendrony avo indrindra amin’ny Tendrombohitra Haorana (Jebel ed Droz).