Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zanabola

Zanabola

Vola aloan’ny mpisambotra ho fanampin’izay nosamboriny.

Efa nisy lamina momba ny findramam-bola tany Babylona, tamin’ny taonarivo faharoa T.K. Voalazan’ny Fehezan-dalàn’i Hammourabi fa tokony ho 20 isan-jato ihany ny tombony halain’ny mpivarotra amin’izay nindrana vola na varimbazaha, raha tsy izany dia hafoiny izay nampindraminy. Ny lalàn’Andriamanitra kosa nandrara an’ireo Israelita tsy haka zanabola tamin’ireo namany sahirana. Tsy tokony hohararaotina mantsy ny fahasahiranan’ny hafa. (Ek 22:25; Le 25:36, 37; De 23:19) Ho lasan’izay “miantra ny mahantra” ny fananan’ireo nahazo harena tamin’ny fakana zanabola tafahoatra, hoy ny Ohabolana 28:8.

Azon’ny Israelita nakana zanabola kosa ny hafa firenena (De 23:20), raha nisambo-bola hanaovana varotra, fa tsy hoe sahirana, hoy ny Jiosy mpivaofy teny. (Ny Boky Dimy Voalohany sy Bokin’ny Mpaminany, nataon’i J. Hertz, Londres, 1972, p. 849) Nandalo fotsiny mantsy ny hafa firenena, izay matetika no mpivarotra, ka tokony handoa zanabola. Mety ho nampanjana-bola koa izy.

Tsy naka zanabola ireo Israelita nankatò ny lalàn’Andriamanitra. (Sl 15:5; Ezk 18:5, 8, 17) Toa lasa fanao anefa ny nitaky zanabola, ka nijaly ireo voatery nitrosa. (Ne 5:1-11; Is 24:2; Ezk 18:13; 22:12) Nohamafisin’i Jesosy Kristy ny lalàn’Andriamanitra momba ny findramam-bola sady nampiany hoe: “Mampisambora vola tsy misy zanany, ary aza manantena valiny.” (Lk 6:34, 35) Tokony hampiana ny olona iray raha tsy fidiny azy ny tsy anefany ny trosany, noho izy tsy mety afa-pahasahiranana. Azo akana zanabola kosa ireo olona tsy mahantra nefa mindram-bola. Mety ny maka zanabola, matoa voateny mafy ilay mpanompo ratsy fanahy noresahin’ny fanoharan’i Jesosy hoe tsy nametraka ny volan’ny tompony tany amin’ny banky mba hahazoana zanabola.​—Mt 25:26, 27; Lk 19:22, 23.