Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zanak’Andriamanitra

Zanak’Andriamanitra

I Kristy Jesosy no ilay “Zanak’Andriamanitra.” Antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” koa anefa ny anjely noforoniny, i Adama talohan’ny nanotany, ary ny olombelona nanaovan’Andriamanitra fifanekena.

Ireo resahin’ny Genesisy toko faha-6. Ny Genesisy 6:2-4 no miresaka voalohany momba ireo “zanak’Andriamanitra” hoe ‘tsikaritr’izy ireo fa tsara tarehy ny zanakavavin’olombelona. Koa nalain’izy ireo ho vady izay rehetra nofidiny’, talohan’ny Safodrano naneran-tany.

Maro ny mpivaofy teny milaza fa olombelona ihany ireo “zanak’Andriamanitra” ireo. Taranak’i Seta nanambady ny taranak’i Kaina ratsy fanahy, hono, ireo “zanak’Andriamanitra” nanambady ny “zanakavavin’olombelona”, satria taranak’i Seta i Noa, lehilahy natahotra an’Andriamanitra, fa ny taranak’i Adama avy tamin’i Kaina sy ireo zanany hafa (Ge 5:3, 4) kosa ringana tamin’ny Safodrano.

Tsy misy porofo mihitsy anefa hoe navahan’Andriamanitra toy izany ny taranak’olombelona. Tsy misy porofo koa hoe ny nanambadian’ny taranak’i Seta ny taranak’i Kaina no tiana horesahina eo, na hoe ireo “olo-mahery” ao amin’ny Genesisy 6:4 no zanak’izy ireo. Marina fa olona ratsy toetra indraindray no antsoina hoe “zanak’olombelona” (tsy toy ireo “zanak’Andriamanitra”, araka ny hevitr’ireo mpivaofy teny tetsy aloha), nefa tsy voatery ho toy izany foana.​—Ampit. Sl 4:2; 57:4; Oh 8:22, 30, 31; Je 32:18, 19; Da 10:16.

Anjely. Ao amin’ny Joba 1:6 indray no ahitana an’ilay teny hoe “zanak’Andriamanitra.” Anjely nivory teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, ary teo koa i Satana izay “avy nivezivezy teny ambonin’ny tany.” (Jb 1:6, 7; jereo koa 2:1, 2.) Anjely koa fa tsy olombelona (mbola tsy noforonina tamin’izany) ireo ‘zanak’Andriamanitra nihoby’, rehefa ‘nametraka ny vato fehizoron’ny’ tany Andriamanitra. (Jb 38:4-7) Zavaboary any an-danitra koa àry fa tsy eto an-tany, “ireo zanak’Andriamanitra” resahin’ny Salamo 89:6.​—Jereo ANDRIAMANITRA (Teny hebreo).

Tsy eken’ireo mpivaofy teny tetsy aloha anefa hoe anjely “ireo zanak’Andriamanitra” resahin’ny Genesisy 6:2-4. Ny faharatsian’ny olombelona mantsy, hono, no resahin’ny teny manodidina. Ny nidinan’ny anjely tetỳ an-tany anefa no nampitombo haingana ny faharatsiana. Eritrereto ireo fanahy ratsy tamin’ny andron’i Jesosy. Izy ireo no nahatonga ny olona hahavita zavatra mahatsiravina, na dia tsy nitafy nofo aza. (Jereo DEMONIA; DEMONIA, OLONA MISY.) Mety àry ny fitantaran’ny Genesisy hoe nidina tetỳ an-tany ireo anjely, satria izany no anisan’ny nahatonga ny faharatsiana hanjaka talohan’ny Safodrano.

Manamarina izany ny tenin’ny apostoly Petera. Noresahiny ny amin’ireo “fanahy tao am-ponja izay tsy nankatò fahiny, rehefa niandry tamim-paharetana Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa” (1Pe 3:19, 20), sy ny amin’ireo “anjely nanota” talohan’ny nandravana an’ilay “tontolo fahiny.” (2Pe 2:4, 5) Nilaza koa i Joda fa nisy ‘anjely tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy.’ (Jd 6) Raha tsy anjely anefa “ireo zanak’Andriamanitra” resahin’ny Genesisy 6:2-4, dia tsy mazava ny tian’i Petera sy Joda holazaina. Lasa tsy fantatra mantsy hoe inona no nataon’ireo anjely tsy nankatò, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny andron’i Noa.

Nitafy nofo tokoa ny anjely indraindray, ary nisy aza niara-nihinana sy nisotro tamin’ny olona. (Ge 18:1-22; 19:1-3) Nilaza i Jesosy fa ho tahaka “ny anjely any an-danitra” ireo hatsangana amin’ny maty, satria tsy hampaka-bady na havoaka hampakarina. Tsy manambady àry ny anjely, satria tsy misy hoe lahy na vavy izy ireny. (Mt 22:30) Tsy midika anefa izany hoe tsy afaka mitafy nofo izy ireo, na tsy afaka manambady vehivavy. Hoy i Joda, rehefa avy niresaka momba an’ireo anjely tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao “ny fonenana sahaza azy” (ny lanitra): “Toy izany koa i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna teny akaikiny, izay samy nanaram-po tamin’ny fijangajangana toy ireo anjely ireo koa, ka nanaraka ny filan’ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao. Aseho ho anatra ho antsika ireo tanàna ireo.” (Jd 6, 7) Asehon’ny Baiboly fa anjely ireo nikomy ka nanao zavatra tsy fanao, tamin’ny andron’i Noa. Azo antoka àry fa anjely ireo “zanak’Andriamanitra” resahin’ny Genesisy 6:2-4.​—Jereo NEFILIMA.

Ilay olombelona voalohany sy ny taranany. I Adama no olombelona voalohany nantsoina hoe “zanak’Andriamanitra”, noho izy noforoniny. (Ge 2:7; Lk 3:38) Nolavin’ilay Rainy any an-danitra tsy ho zanany intsony anefa izy rehefa ninia nanota, ka voaheloka ho faty sy noroahina avy tao Edena.​—Ge 3:17-24.

Nandova ota ny taranak’i Adama. (Jereo OTA.) Tsy afaka milaza tena ho zanak’Andriamanitra intsony àry izy ireo, satria fotsiny hoe taranak’i Adama. Taranak’ilay efa nolavin’Andriamanitra mantsy izy ireo. Manamarina izany ny tenin’ny apostoly Jaona hoe ‘nomena fahafahana ho tonga zanak’Andriamanitra’ ireo nandray an’i Kristy Jesosy sy nino ny anarany. “Nateraka izy ireo, nefa tsy nateraky ny ra na ny sitrapon’ny nofo na koa ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra.” (Jn 1:12, 13) Tsy tonga dia lasa zanak’Andriamanitra àry izay rehetra taranak’i Adama. Mila manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ny olona iray vao afaka ny ho tonga ‘zanany’, araka io andininy io sy ny hafa. Hita izany, ohatra, tamin’izy nifandray tamin’ny Israely.

“Zanako ny Israely.” Niantso ny Israely hoe “zanako” sy “zanako lahimatoa” i Jehovah, rehefa niresaka tamin’i Farao izay nihevi-tena ho andriamanitra sy zanak’i Ra, andriamanitra ejipsianina. Hoy izy: “Alefaso ny zanako hanompo ahy.” (Ek 4:22, 23) Ny firenen’Israely manontolo àry no nolazain’Andriamanitra fa ‘zanany’, satria nofidiny “avy tamin’ny firenena rehetra” mba ho vahoakany sy “fananany manokana.” (De 14:1, 2) ‘Rainy’ (ny anarany no niantsoana azy ireo) sy “Mpamorona” ary “Mpamolavola” azy i Jehovah. Nahoana? Tsy hoe noho izy Mpanome Aina fotsiny, fa noho izy nampisy an’ilay firenena koa araka ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama. (Ampit. Sl 95:6, 7; 100:3; Is 43:1-7, 15; 45:11, 12, 18, 19; 63:16.) “Nanampy [an’ilay firenena] hatrany am-bohoka izy”, izany hoe hatramin’izy io vao niforona. ‘Namolavola’ an’ilay firenena koa ny fomba nitondrany azy sy ny fifaneken’ny Lalàna nataony taminy. (Is 44:1, 2, 21; ampitahao amin’izay nolazain’Andriamanitra momba an’i Jerosalema ao amin’ny Ezk 16:1-14 sy ny tenin’i Paoly ao amin’ny Ga 4:19 sy 1Te 2:11, 12.) Niaro sy nitondra sy nanitsy azy ary nanome izay nilainy i Jehovah, toy ny ataon’ny ray amin’ny zanany. (De 1:30, 31; 8:5-9; ampit. Is 49:14, 15.) Tokony hitondra dera ho an’ilay Rainy àry ny zavatra nataon’ilay firenena, satria “zanaka” izy. (Is 43:21; Ml 1:6) Tsy ho mendrika ny ho zanany izy ireo raha tsy izany (De 32:4-6, 18-20; Is 1:2, 3; 30:1, 2, 9), sahala amin’ny Israelita sasany nanala baraka azy, ka nantsoina hoe “zanak’i beliala” (avy amin’ny teny hebreo nadika hoe “tsy manjary” ao amin’ny De 13:13 sy ny andininy hafa; ampit. 2Ko 6:15). Lasa ‘zanaka mpikomy’ izy ireo.​—Je 3:14, 22; ampit. 4:22.

Ny firenen’Israely manontolo no nentin’Andriamanitra ho toy ny zanany, noho ilay fifanekena nataony taminy. Nilaza mantsy Andriamanitra fa izy no “Mpanao” sy “Mpanavotra” azy ireo, ary ‘vady sy tompon’izy ireo’ mihitsy aza. (Is 54:5, 6; ampit. Is 63:8; Je 3:14.) Ny Israelita kosa niantso an’i Jehovah hoe “Rainay”, noho ilay fifanekena nataony tamin’izy ireo, sy noho izy ireo niaiky fa Andriamanitra no nanao azy ireo ho firenena.​—Is 63:16-19; ampit. Je 3:18-20; Ho 1:10, 11.

Ny fokon’i Efraima no foko lehibe indrindran’ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra, ka nantsoina matetika hoe Efraima ilay fanjakana. I Manase no lahimatoan’i Josefa, nefa i Efraima rahalahiny no tian’i Jehovah hahazo ny tsodrano tokony ho an’ny lahimatoa, rehefa nitso-drano azy roa lahy i Jakoba raibeny. Mety àry ny niantsoan’i Jehovah ny fokon’i Efraima hoe “lahimatoako.”​—Je 31:9, 20; Ho 11:1-8, 12; ampit. Ge 48:13-20.

Israelita nantsoina hoe ‘zanaka.’ Nantsoin’Andriamanitra hoe ‘zanany’ ny Israelita sasany, ary nisy heviny manokana izany. Azo inoana, ohatra, fa i Davida ilay nantsoiny hoe ‘zanany’ ao amin’ny Salamo faha-2, izay nosoratan’i Davida rehefa jerena ny Asan’ny Apostoly 4:24-26. (Sl 2:1, 2, 7-12) Tanteraka tamin’i Kristy Jesosy io salamo io tatỳ aoriana, araka ny Asan’ny Apostoly. Rehefa jerena ny voalazan’ny Salamo, dia hita fa efa olon-dehibe fa tsy zaza intsony ilay nilazan’Andriamanitra hoe: “Ianao no zanako, ary izaho efa tonga rainao androany.” Lasa zanak’Andriamanitra àry i Davida, rehefa nofidiny ho mpanjaka sy nentiny ho toy ny zanany. (Ampit. Sl 89:3, 19-27.) Hoy koa i Jehovah tamin’i Solomona zanak’i Davida: “Izaho ho rainy, ary izy ho zanako.”​—2Sa 7:12-14; 1Ta 22:10; 28:6.

Nolavina tsy ho zanaka. Mbola nihambo ho nanana an’Andriamanitra ho ‘Rainy’ ihany ny Jiosy, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Nilaza tamin’ireo mpanohitra azy anefa i Jesosy fa ‘avy tamin’ny Devoly rainy’ izy ireo. Nankatò an’ilay Fahavalon’Andriamanitra mantsy izy ireo, sady nanao ny sitrapony sy ny asany, ka ‘tsy avy tamin’Andriamanitra.’ (Jn 8:41, 44, 47) Tsy noho ny fiavian’olona iray àry no mahatonga azy ho zanak’Andriamanitra. Miankina amin’ny fifandraisan’Andriamanitra aminy izany. Ny ‘zanany’ kosa tokony hino Azy, izany hoe haneho ny toetrany sy hanao ny sitrapony, mba hampandrosoana ny asany sy hanatanterahana ny fikasany.

Kristianina. Izay Israelita nino an’i Kristy Jesosy ihany no ‘nomena fahafahana ho tonga zanak’Andriamanitra.’ (Jn 1:11, 12) Nanafaka an’ireo “sisa” (Ro 9:27; 11:5) tamin’ny Jiosy ireo ny sorom-panavotan’i Kristy, ka tsy teo ambanin’ny Lalàna intsony izy ireo. Tsara sy lavorary ny Lalàna kanefa nanameloka azy ireo, noho izy ireo andevon’ny ota. Nafahan’i Kristy àry izy ireo mba ‘hatsangana ho zanaka’ sy hataon’Andriamanitra ho mpandova.​—Ga 4:1-7; ampit. Ga 3:19-26.

“Tsy nanana an’Andriamanitra” taloha ireo hafa firenena “teo amin’izao tontolo izao.” (Ef 2:12) Nihavana taminy anefa izy ireo noho ny finoany an’i Kristy, ka lasa zanany koa.​—Ro 9:8, 25, 26; Ga 3:26-29.

Nanao fifanekena tamin’ireo Kristianina ireo Andriamanitra, toy ny nataony tamin’ny Israely ihany. “Fifanekena vaovao” no nataony tamin’izy ireo, ary ny ran’i Kristy no nampanan-kery azy io. (Lk 22:20; He 9:15) Andriamanitra anefa no mifidy hoe iza no Kristianina ekeny ho ao anatin’ilay fifanekena. Mihaino ny vaovao tsara sy mino izy ireo, ka voantso ho mpiara-mandova amin’ilay Zanak’Andriamanitra (Ro 8:17; He 3:1) ary ‘ambara ho marina’ noho ny finoany ny vidim-panavotana. (Ro 5:1, 2) ‘Nateraka tamin’ny tenin’ny fahamarinana’ àry izy ireo (Jk 1:18) satria ‘nateraka indray’, rehefa natao batisa sy nateraky ny fanahy ho zanak’Andriamanitra, ka ho lasa fanahy hiaina any an-danitra. (Jn 3:3; 1Pe 1:3, 4) Tsy mitondra azy ireo ho amin’ny fanandevozan’ny ota nolovana tamin’i Adama ny fanahin’Andriamanitra. Mahatonga azy ireo “hatsangana ho zanaka kosa” izy io. ‘Io fanahy io no mahatonga azy ireo hiantso mafy hoe: “Aba, Ray ô!”’ Teny fiantsoan’ny ankizy ny rainy amim-pitiavana sy amim-panajana ny hoe “Aba.” (Ro 8:14-17; jereo ABA; FANANGANAN-JANAKA [Ny dikany ho an’ny Kristianina].) Akaiky kokoa an’Andriamanitra ireo Kristianina zanany ireo, tsy toa an’ilay firenen’Israely fahiny. Mpanelanelana sy mpisoronabe tsara kokoa mantsy i Kristy, ary anehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amin’ny alalany izy ireo.​—He 4:14-16; 7:19-25; 12:18-24.

Zanaka tsy tokony hivadika mihitsy. ‘Nateraka indray’ ho amin’ny fanantenana velona ireo Kristianina ireo, nefa misy zavatra tsy maintsy ataony mba tsy holavin’Andriamanitra tsy ho zanany izy ireo. (1Pe 1:3) Tsy maintsy “tarihin’ny fanahin’Andriamanitra” fa tsy ny nofo mpanota izy ireo, ary tsy maintsy vonona hijaly toa an’i Kristy. (Ro 8:12-14, 17) Tsy maintsy ‘manahaka an’Andriamanitra izy ireo, amin’ny maha zanaka malala azy’ (Ef 5:1), ka ho tia fihavanana, ho be fitiavana, hamindra fo, ary ho tsara fanahy. (Mt 5:9, 44, 45; Lk 6:35, 36) ‘Tsy manan-tsiny sy madio’ izy ireo, satria tsy manao ny fanaon’ilay “taranaka tsy marina sy ratsy fanahy” manodidina azy. (Fi 2:15) Manadio ny tenany izy ireo ka miala amin’ireo fanao ratsy. (1Jn 3:1-4, 9, 10) Mankatò ny didin’Andriamanitra koa izy ireo, ary manaiky ny famaizany.​—1Jn 5:1-3; He 12:5-7.

Lasa tena zanaka. “Antoka ny amin’izay ho avy” fotsiny no nomena an’ireo Kristianina mbola eto an-tany ireo, na dia efa voantso ho zanak’Andriamanitra aza izy ireo. (2Ko 1:22; 5:1-5; Ef 1:5, 13, 14) Nilaza toy izao àry i Paoly sy ny Kristianina hafa, na dia niantso ny tenany ho “zanak’Andriamanitra” aza: “Mitoloko ao am-po koa isika izay manana ny voaloham-bokatra, izany hoe ny fanahy, sady miandry fatratra ny fananganana antsika ho zanaka sy ny fanafahana antsika amin’ny vatantsika, amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.” (Ro 8:14, 23) Hatsangana ho fanahy any an-danitra izy ireo, rehefa mandresy an’ity tontolo ity sy tsy mivadika mandra-pahafatiny. Ho lasa ‘rahalahin’i’ Kristy Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra Lehibe Indrindra, koa izy ireo. Amin’izay izy ireo vao ho tena zanak’Andriamanitra.​—He 2:10-17; Ap 21:7; ampit. Ap 2:7, 11, 26, 27; 3:12, 21.

Ahoana no ahalalan’ireo zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy ireo fa voantso ho any an-danitra izy? ‘Ny fanahin’Andriamanitra sy ny sain’izy ireo dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra izy ireo.’ (Ro 8:16) Midika izany fa manaiky tanteraka ny sainy hoe natao ho azy ny fanantenana ho any an-danitra lazain’ny fanahin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny. Manaiky ny tari-dalan’Andriamanitra sy izay ataony amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanahiny koa izy ireo. Azony antoka tanteraka àry hoe zanak’Andriamanitra sy mpandova azy izy ireo.

Fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. Niresaka ny amin’ny ‘voninahitra izay efa haharihary amin’ny alalan’izy ireo’ i Paoly. Hoy koa izy: “Ny zavaboary dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:18, 19) Tsy maintsy ho efa any an-danitra ireo zanaka ireo vao “haharihary” ny voninahiny, satria any izy ireo no hahazo voninahitra. (Ampit. Ro 8:23.) Mbola haharihary koa anefa ny voninahiny rehefa “haharihary i Jesosy Tompo” ka ‘ho tonga mba homem-boninahitra miaraka amin’ny olony masina’, mba hanasazy an’ireo nomelohin’Andriamanitra.​—2Te 1:6-10; jereo FAMPIHARIHARIANA.

Tsy ireo “zanak’Andriamanitra” ihany no handray soa avy amin’ilay fampiharihariana be voninahitra, fa hisy olon-kafa koa. Nilaza mantsy i Paoly fa miandry an’io fampiharihariana io “ny zavaboary”, izay “hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:19-23) Mety hanondro an’izay rehetra noforonina, na hanondro olona na biby, ny teny grika nadika hoe “zavaboary.” Nilaza i Paoly fa “miandry fatratra” sy “navela ho tonga zava-poana ny zavaboary, nefa tsy noho ny sitrapony”, ary “hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana” izy ireo, mba “hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” “Miara-mitoloko” koa ny zavaboary, hoy izy, tahaka an’ireo Kristianina ‘zanak’Andriamanitra’ mitoloko ao am-pony. Ny olombelona àry ilay zavaboary eto, fa tsy izay rehetra noforonina akory, toy ny biby sy ny zavamaniry ary ny zavaboary hafa mananaina na tsia. (Ampit. Kl 1:23.) Midika izany fa afaka ny ho tonga zanak’Andriamanitra sy hahazo fahafahana koa ny olombelona hafa, rehefa haharihary ireo zanak’Andriamanitra any an-danitra.​—Jereo MANAMBARA HO MARINA (Olo-marina hafa koa); VAHOAKA BE.

Hisy olon-kafa tokoa hahazo fiainana amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, matoa izy antsoina hoe “Ray Mandrakizay” (Is 9:6) ary antsoina hoe ‘rahalahiny’ ireo Kristianina “zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:29) Tsy ho mpiara-mandova amin’i Kristy ireo olona ireo, na ho mpanjaka sy mpisorona miaraka aminy, fa ho vahoaka hofeheziny.​—Ampit. Mt 25:34-40; He 2:10-12; Ap 5:9, 10; 7:9, 10, 14-17; 20:4-9; 21:1-4.

Nantsoin’i Jakoba (1:18) hoe “voaloham-bokatra” amin’ny zavaboarin’Andriamanitra ireo “zanak’Andriamanitra” nateraky ny fanahy. Toy izany koa no niantsoan’i Jaona an’ireo “efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy” izay “novidina avy teo amin’ny olombelona.” (Ap 14:1-4) Mbola hisy vokatra hafa matoa misy ny “voaloham-bokatra.” Ireo ‘vokatra hafa’ na ‘vokatra faharoa’ àry ilay “zavaboary” resahin’ny Romanina 8:19-22. Ho lasa zanak’Andriamanitra ireo olombelona mino an’i Kristy Jesosy ireo, amin’ny farany.

Niresaka momba ny “tontolo” ho avy sy “ny fitsanganana amin’ny maty” i Jesosy. Nilaza izy fa ho lasa “zanak’Andriamanitra” ireny olona hatsangana ireny, “satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty.”​—Lk 20:34-36.

Misy heviny maromaro àry ny hoe tonga “zanak’Andriamanitra” ny olona iray. Tsy maintsy jerena ny teny manodidina mba hahalalana hoe amin’ny heviny ahoana izy no zanak’Andriamanitra, ary manao ahoana ny fifandraisany amin’ilay Rainy.

Kristy Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra. Asongadin’ny Filazantsaran’i Jaona fa efa nisy tany an-danitra i Jesosy na ny “Teny”, talohan’ny naha olombelona azy. Hoy i Jaona: ‘Tonga nofo ny Teny, ary nonina teo amintsika, ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra tahaka ny an’ny zanaka lahitokan’ny ray.’ (Jn 1:1-3, 14) Tsy hoe nateraka ho olombelona akory i Jesosy vao nantsoina hoe Zanak’Andriamanitra, satria hoy izy: “Izay efa hitako tamin’ny Raiko no lazaiko.” (Jn 8:38, 42; ampit. Jn 17:5, 24.) Manaporofo izany koa ny tenin’ireo apostoliny nahazo herin’ny fanahy masina.​—Ro 8:3; Ga 4:4; 1Jn 4:9-11, 14.

‘Lahitokana.’ Nadika hoe ‘lahitokana’ (Jn 1:14; 3:16, 18; 1Jn 4:9) na ‘hany nateraka’ (Jn 1:18) ny teny grika hoe mônôgenes ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Misy mpivaofy teny milaza fa diso ny nandikana azy io hoe ‘hany nateraka.’ Tsy avy amin’ny hoe gennaô (miteraka) fa avy amin’ny hoe genôs (karazana) mantsy, hono, ilay genes amin’ilay teny grika hoe mônôgenes (“tokana”), ka midika hoe “karazany tokana, tsy manan-tsahala.” Matetika àry no adikan’ny Baiboly maro hoe ‘lahitokana’ io teny grika io. Anisan’ny hevitry ny hoe mônôgenes ihany anefa ny hoe nateraka na taranaka, na dia tsy manana heviny hoe nateraka aza ny hoe mônô na genes. Midika hoe “fianakaviana niaviana, havana, taranaka, na firazanana” mantsy ny teny grika hoe genôs. Nadika hoe “firazanana” izy io ao amin’ny 1 Petera 2:9. Nadika hoe unigenitus ny hoe mônôgenes ao amin’ny Vulgate latinina nataon’i Jérôme, ary midika hoe “hany nateraka” na “tokana.” Maro ny mpanao diksionera miaiky fa misy ifandraisany amin’ny hoe nateraka na taranaka io teny io.

Toy izao no amaritan’ny Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika sy Anglisy nataon’i Edward Robinson (1885, p. 471) an’ilay teny hoe mônôgenes: “Hany nateraka, izany hoe zanaka tokana.” Ny Rakibolana Grika-Anglisy Momba ny Testamenta Vaovao nataon’i W. Hickie (1956, p. 123) koa manao hoe: “Hany nateraka.” Hoy ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao nataon’i G. Kittel: “Tsy milaza fiaviana ilay hoe μονο- [mônô-] fa ny karazany. Midika hoe ‘zanaka tokana’, izany hoe tsy manana mpiray tam-po, àry ilay hoe μονογενής [mônôgenes]. Manana heviny hoe hany nateraka izy io, ary ilazana ny zanaka tokan’ny ray aman-dreniny. ... Mety hidika fotsiny hoe ‘tokana aman-tany’, ‘tsy manan-tsahala’, ‘tsy misy toa azy’ koa anefa izy io, na dia tsy tokony hafangaro amin’ny resaka sokajy ... aza.”​—Nadikan’i G. Bromiley, 1969, Boky Faha-4, p. 738.

Hoy ihany io diksionera io (p. 739-741) momba ny nampiasana ny hoe mônôgenes ao amin’ny Soratra Grika Kristianina na “Testamenta Vaovao”: “Midika hoe ‘hany nateraka’ izy io. ... Tsy oharina amin’ny zanaka lahitokan’ny rainy fotsiny i Jesosy ao amin’ny ... [Jaona] 1:18. Ny maha hany nateraky ny Rainy azy no asongadina ao. ... Ilay μονογενής ao amin’ny Jn 1:14, 18; 3:16, 18; 1Jn 4:9 akory tsy midika fotsiny hoe tsy manan-tsahala na tsy misy toa azy i Jesosy. Antsoina hoe Zanaka [lahitokana] izy ao amin’ireo andininy rehetra ireo, ary heverina ho toy izany izy ao amin’ny 1:14. Milaza ny fiavian’i Jesosy ilay μονογενής ao amin’ny [Jaona]. Izy ilay μονογενής na ilay hany nateraka.”

Araka ireo voalaza ireo sy ny porofo omen’ny Baiboly, dia tsy hoe Zanaka tokana na tsy manan-tsahala fotsiny i Jesosy, fa ilay ‘hany naterak’Andriamanitra’ koa. Naterany izy, izany hoe noforoniny. Manamarina izany ny tenin’ireo apostoly. Antsoiny hoe “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” sy “Ilay naterak’Andriamanitra” (iray tarika amin’ny hoe gennaô ilay ‘nateraka’) io Zanaka io. (Kl 1:15; 1Jn 5:18) I Jesosy mihitsy koa no nilaza fa “fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra” izy.​—Ap 3:14.

I Jesosy no ‘lahimatoan’Andriamanitra’ (Kl 1:15) satria izy no noforoniny voalohany. Nantsoina hoe “ny Teny” izy talohan’ny naha olombelona azy. (Jn 1:1) Tsy ny fiandohan’ny fisian’Andriamanitra Mpamorona akory ilay “tany am-piandohana” ao amin’ny Jaona 1:1. Tsy nanam-piandohana mantsy izy, sady hisy mandrakizay. (Sl 90:2) Ny fiandohan’ny famoronana àry no tiana holazaina eo, izany hoe tamin’Andriamanitra namorona an’ilay Zanany lahimatoa na ny Teny. Ilazana ny fiandohan’ny vanim-potoana iray na asa na zavatra atao ilay teny hoe “tany am-piandohana”, any amin’ny andininy hafa. Anisan’izany, ohatra, ny ‘niandohan’ny’ fanompoana kristianina nataon’ireo nanoratan’i Jaona ny taratasiny voalohany (1Jn 2:7; 3:11), ny ‘niandohan’ny’ fikomian’i Satana (1 Jn 3:8), ary ny ‘niandohan’ny’ fivadihan’i Jodasy. (Jn 6:64; jereo JODASY No. 4 [Nivadika].) ‘Zanaka lahitokana’ (Jn 3:16) i Jesosy satria izy irery tamin’ireo zanak’Andriamanitra (anjely na olombelona) no noforoniny mivantana. Ny zavatra hafa rehetra kosa noforonina tamin’ny alalan’io Zanaka lahimatoa io.​—Kl 1:16, 17; jereo JESOSY KRISTY (Talohan’ny naha olombelona azy); LAHITOKANA, VAVITOKANA.

Nateraky ny fanahy ary niverina tany an-danitra. Mbola Zanak’Andriamanitra foana i Jesosy na dia efa lasa olombelona aza. Tsy avy tamin’ny tsirilahin’ny olombelona taranak’i Adama mantsy no nampisy azy, fa noho ny fiasan’ny fanahy masin’Andriamanitra. (Mt 1:20, 25; Lk 1:30-35; ampit. Mt 22:42-45.) Fantatr’i Jesosy fa Zanak’Andriamanitra izy, satria hoy izy tamin’ny ray aman-dreniny tamin’izy 12 taona: “Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?” Tsy tena azon’izy ireo ny tiany holazaina. Nihevitra angamba izy ireo hoe niantso an’Andriamanitra ho ‘Rainy’ toy ny fanaon’ny Israelita fotsiny i Jesosy.​—Lk 2:48-50.

Tonga tamin’i Jesosy ny fanahin’Andriamanitra rehefa nataon’i Jaona batisa izy, tamin’izy 30 taona teo ho eo. Hoy Andriamanitra: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.” (Lk 3:21-23; Mt 3:16, 17) ‘Nateraka indray’ ho Zanaka ara-panahy i Jesosy tamin’izay, ka nanantena ny hiverina any an-danitra. Notendren’Andriamanitra ho mpanjaka sy mpisoronabe koa izy rehefa nohosorany tamin’ny fanahiny. (Jn 3:3-6; ampit. 17:4, 5; jereo JESOSY KRISTY [Ny batisany].) Mbola nantsoin’Andriamanitra hoe Zanany koa i Jesosy rehefa niova tarehy teo an-tendrombohitra, tao amin’ny fahitana iray momba ny voninahitry ny Fanjakany. (Ampitahao Mt 16:28 sy 17:1-5.) Nampiharin’i Paoly tamin’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty ny ampahany amin’ny Salamo faha-2, rehefa naveriny ilay tenin’Andriamanitra hoe: “Ianao no zanako, ary izaho efa tonga Rainao androany.” Nilaza koa i Paoly fa mihatra amin’i Jesosy ny teny nolazain’Andriamanitra tamin’izy nanao fifanekena tamin’i Davida hoe: “Izaho ho rainy, ary izy ho zanako.” (Sl 2:7; 2Sa 7:14; As 13:33; He 1:5; ampit. He 5:5.) ‘Nambara ho Zanak’Andriamanitra’ (Ro 1:4) i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty, ary ‘fanahy izy rehefa nambara ho marina.’​—1Ti 3:16.

Lasa ‘Zanak’Andriamanitra’ amin’ny heviny manokana àry i Kristy Jesosy (tsy misy hafa amin’i Davida tamin’izy efa olon-dehibe), tamin’izy natao batisa sy natsangana tamin’ny maty ary lasa Mpanjaka be voninahitra.

Nendrikendrehina ho mpanevateva an’Andriamanitra. Nendrikendrehin’ny Jiosy sasany ho mpanevateva an’Andriamanitra i Jesosy, noho izy niantso an’Andriamanitra hoe Rainy. Hoy izy ireo: “Olona ihany ianao nefa manao ny tenanao ho andriamanitra.” (Jn 10:33) Baiboly maro no manao hoe “Andriamanitra” (“A” lehibe) eo amin’io andininy io. Ny dikan-tenin’i Torrey sy ny The Emphatic Diaglott (dikan-teny isan’andalana) kosa manao hoe “andriamanitra.” Mety ilay hoe “andriamanitra” (“a” kely) rehefa jerena ny valin-tenin’i Jesosy, izay namerina ny teny ao amin’ny Salamo 82:1-7. Tsy lazain’io salamo io hoe “Andriamanitra” ireo olona resahiny, fa “andriamanitra” sy “zanak’ilay Avo Indrindra.”

Israelita mpitsara ireo nantsoin’i Jehovah hoe “andriamanitra” sy “zanak’ilay Avo Indrindra”, rehefa jerena ny teny manodidina. Nanao ny tsy rariny izy ireo, ka hitsara “eo amin’ireo andriamanitra” ireo Izy. (Sl 82:1-6, 8) Raha i Jehovah aza niantso an’ireo olona ireo hoe ‘andriamanitra’, dia tsy nanevateva Azy mihitsy i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Zanak’Andriamanitra aho.” Tsy mendrika ny ho “zanak’ilay Avo Indrindra” ireo “andriamanitra” mpitsara ireo noho ny nataony. Ny asan’i Jesosy kosa nanaporofo foana fa tafaray sy mifandray tsara amin’ny Rainy izy.​—Jn 10:34-38.