Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zanakalahy, Zanaka

Zanakalahy, Zanaka

Midika hoe “zanakalahy” ny teny hebreo hoe ben sy ny teny grika hoe hoiôs. Matetika anefa no tsy zanakalahy nateraka ihany no hevitr’izy ireo, fa mety hidika koa hoe zanaka natsangana (Ek 2:10; Jn 1:45), sy taranaka, ohatra hoe zafikely na zafiafy (Ek 1:7; 2Ta 35:14; Je 35:16; Mt 12:23), ary vinantolahy.​—Ampitahao 1Ta 3:17 sy Lk 3:27 (azo inoana fa zanak’i Jekonia sy vinantolahin’i Nery i Sealtiela); Lk 3:23, “Josefa zanak’i Hely”, azo inoana fa vinantolahiny (tsy nisy hoe hoiôs “zanakalahy” ao amin’io and. io tao amin’ny soratra grika, fa fantatra hoe zanakalahy no tiana holazaina).

Ny anaran’ny ray na ny an’ny razambe matetika no nahafantarana ny zanakalahy, ohatra hoe “zanak’i Jese” (Davida). (1Sa 22:7, 9) Midika hoe zanaka na zanakalahy ny teny hebreo hoe ben sy ny teny aramianina hoe bar. Natao tovona tamin’ny anaran’ny ray izy ireo matetika, ka lasa anaran’ny zanany lahy, ohatra hoe Barjesosy (“Zanak’i Jesosy”). (As 13:6) Ny Baiboly sasany tsy nandika an’ilay tovona, fa ny hafa kosa nandika azy io matetika, ary misy koa nametraka ny dikan’izy io teny an-tsisim-pejy. Mety ho ny zava-nisy tamin’ny fotoana nahaterahan’ilay zaza koa no antony nanampiana an’ilay tovona. Midika hoe “Zanakalahin’ny Vahoakako [izany hoe havako]” fa tsy zanaky ny hafa firenena, ohatra, ny hoe Ben-amy, ary “Zanakalahin’ny Fahoriako” ny hoe Ben-ony, izay anarana nomen’i Rahely an’i Benjamina zanany tamin’i Rahely efa ho faty.​—Ge 19:38; 35:18.

Matetika koa ilay teny hoe “zanakalahy” no ilazana ny “Tatsinanana” (a.b.t.: zanaky ny Atsinanana [1Mp 4:30; Jb 1:3]); ny “voahosotra” (a.b.t.: zanaky ny menaka [Za 4:14]); ny olona nanana andraikitra na asa manokana, ohatra hoe “zanaky ny mpaminany” (1Mp 20:35), na zanaky ny “mpanamboatra menaka fanosorana” (Ne 3:8); ireo nody avy any an-tsesitany (zanaky ny Sesitany) (Ezr 10:7, 16); ary ny olona tsy manjary (“zanak’i beliala”) (1Sa 2:12). Ilazana olona manana fitondran-tena na toetra mitovy koa ny hoe zanaka, ohatra hoe “zanaky ny Avo Indrindra”, “zanaky ny mazava sy zanaky ny andro”, “zanak’ilay fanjakana”, “zanak’ilay ratsy”, “zanaky ny Devoly”, ary “zanaky ny tsy fankatoavana.” (Lk 6:35; 1Te 5:5; Mt 13:38; As 13:10; Ef 2:2) Ampiasaina koa ny hoe ‘zanaka’ hilazana ny didim-pitsarana azy ireny, toy ny hoe olona “mendrika ny Gehena” (a.b.t.: zanaky ny Gehena), na “ilay zanaky ny fandringanana.” (Mt 23:15; Jn 17:12; 2Te 2:3) “Oloko voahosihosy sy zanaky ny famoloana” no niantsoan’i Isaia ny firenen’Israely rehefa nosazin’Andriamanitra.​—Is 21:10.

Zanak’Andriamanitra ireo anjely satria noforonin’Andriamanitra. (Jb 1:6; 38:7) Zanak’Andriamanitra koa i Adama satria zavaboariny. (Lk 3:38) Natao hoe “zanak’ilay Avo Indrindra” ireo mpitsara sy mpitondra teo amin’ny Israely, satria izy ireo no nisolo tena an’Andriamanitra. Tsy nankatò azy anefa izy ireo ka nomelohiny. (Sl 82:6) Antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” ireo olona nofidin’Andriamanitra hiara-mandova amin’i Jesosy Kristy Zanany.​—Ro 8:14-17.

Te hanan-janakalahy. Fanirian’ny mpivady ny hanan-janakalahy fahiny. (Ge 4:1, 25; 29:32-35) Hoy ny mpanao salamo: “Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka [a.b.t.: zanakalahy] maro ... Sambatra izay lehilahy tomady mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny.” (Sl 127:3-5) Raha nisy zanakalahy tao amin’ny fianakaviana, dia nitohy ny taranaka, voarakitra an-tsoratra ny anaran’ireo razambe, ary tsy nifindra tany amin’ny fianakaviambe hafa ny lova. (No 27:8) Te hanan-janakalahy ny vehivavy israelita satria nanantena angamba izy ireo hoe hisy amin’ireo zanany lahy ho lasa ilay ‘taranaka’ hitahian’Andriamanitra ny olombelona, araka ny nampanantenaina an’i Abrahama. (Ge 22:18; 1Sa 1:5-11) Tonga àry ny fotoana, ka nilaza tamin’i Maria ny anjely Gabriela hoe i Maria no “ilay ankasitrahana indrindra.” Hoy koa izy tamin’io virjiny avy tao amin’ny fokon’i Joda io: “Hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy. Ho lehibe izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary i Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy.”​—Lk 1:28, 31, 32.