Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zanakavavy

Zanakavavy

Vehivavy taranak’olombelona. Bat no teny hebreo ary tygater no teny grika nadika hoe zanakavavy. (Ge 6:4; Mt 14:6; As 21:9) Tsy dia tena nahafaly toy ny tera-dahy ny tera-bavy fahiny. Noheverina hoe latsa-danja kokoa ny zanakavavy, ary vitsy kokoa tamin’ny anaran’izy ireny no noraketina an-tsoratra. (1Ta 2:34, 35) Tena tian’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny anefa ny zanany vavy, ary nitady izay hahasoa azy ireny izy ireo. Niangavy mafy, ohatra, ny vehivavy fenisianina iray ka nositranin’i Jesosy ny zanany vavy. Niangavy toy izany koa i Jairo, ka natsangan’i Jesosy tamin’ny maty ny zanany vavy.​—Mt 15:22-28; Lk 8:41, 42, 49-56.

Nanana zo sy andraikitra ny zanakavavy fahiny, nefa koa voafetra ihany ny fahafahany. Nasaina nanao asa aman-draharaha, ohatra, izy ireo. Afaka nihinana tamin’ireo sorona anjaran’ny mpisorona ny zanany vavy. (Ge 24:16, 19, 20; 29:6-9; Le 10:14) Fananan-drainy ny zanakavavy mandra-pahitan-drainy vady ho azy. (Js 15:16, 17; 1Sa 18:17, 19, 27) Azony natao antoka mihitsy aza razazavavy na namidy ho mpanompo, saingy tsy tamin’ny hafa firenena. (Ek 21:7-10; Ne 5:2-5) Azony nofoanana ny voady nataon’ny zanany vavy mbola mpitovo. (No 30:3-5) Voararan’ny lalàna ny nandefa zanakavavy hivaro-tena. Afaka naka onitra ny rainy raha nisy nametaveta ny zanany vavy. (Ek 22:16, 17; Le 19:29; De 22:28, 29) Nisy raim-pianakaviana nanome ny zanany vavy virjiny hovetavetain’ny vahoaka adalam-piraisana, mba hiarovana ny vahininy. (Ge 19:6-8; Mpts 19:22-24) Nomena lova niaraka tamin’ny anadahiny ny zanakavavy indraindray. Izy dimy vavy zanak’i Zelofada kosa nomena ny lova rehetra avy tamin’ny razambeny, satria ny rain’izy ireo maty tsy nitera-dahy. Tsy maintsy nanambady ny zanakalahin’i Manase anefa izy ireo mba tsy hifindra foko ny lova. (No 36:1-12; Js 15:19; Jb 42:15) Afaka nody tany an-tranon-drainy ny zanakavavy raha nisarahan’ny vadiny na maty vady.​—Ge 38:11; Le 22:13.

Izay nateraka ihany ve no nantsoina hoe “zanakavavy”?

Nantsoina hoe ‘zanakavavy’ koa ny anabavy (Ge 34:8, 17), ny zanaka natsangana (Es 2:7, 15), ny vinantovavy (Mpts 12:9; Rt 1:11-13), ny zafikely (1Mp 15:2, 10, hita ao ilay teny hebreo hoe bat izay nadikan’ny TV hoe ‘zafikely’ fa tsy zanakavavy; jereo 2Ta 13:1, 2), ary ny taranaka.​—Ge 27:46; Lk 1:5; 13:16.

Nantsoina hoe “zanakavavy” koa ny vehivavy tamin’ny ankapobeny (Ge 6:2, 4; 30:13; Oh 31:29), sy ny vehivavy tompon-tany tao amin’ny tanàna iray (Ge 24:37; Mpts 11:40; 21:21), ary ny vehivavy mpivavaka tamin’ny andriamani-diso (Ml 2:11). Nampiasain’ny olona nanana fahefana sy ny olon-dehibe koa io teny io, rehefa te ho tsara fanahy tamin’ny vehivavy tanora kokoa izy. (Rt 3:10, 11; Mr 5:34) Ampiasaina koa ny endriny hafa amin’ny bat mba hilazana ‘rantsan-kazo’ (Ge 49:22) sy ‘tanàna niankina’ tamin’ny tanàn-dehibe. (No 21:25; Js 17:11; Je 49:2) Miseho in-600 mahery ilay teny hebreo hoe bat sy ny teny grika hoe tygater ao amin’ny Baiboly, na inona na inona heviny.