Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zanak’olona

Zanak’olona

Avy amin’ny teny hebreo hoe ben-ʼadam. Tsy i Adama akory ilay hoe ʼadam eto fa ny “olombelona” amin’ny ankapobeny. Midika hoe “zanak’olombelona, olombelona” àry ny hoe ben-ʼadam. (Sl 80:17; 146:3; Je 49:18, 33) Matetika izy io no ampiarahina amin’ny teny hebreo hafa ilazana ny hoe “olona”, toy ny teny hoe ʼish izay midika hoe “lehilahy” (ampit. No 23:19; Jb 35:8; Je 50:40), sy ʼenôhsh midika hoe “olombelona mety maty.” (Ampit. Sl 8:4; Is 51:12; 56:2.) Avy amin’ny hoe ben-ʼenôhsh ilay hoe “zanak’olombelona mety maty” ao amin’ny Salamo 144:3, ary ao amin’ny Daniela 7:13 no misy ny teny aramianina (bar ʼenash) mifanitsy aminy.

Hoiôs to antrôpo ny teny grika ilazana ny hoe “zanak’olona.” Teny iray tarika amin’ny hoe antrôpôs, izay midika hoe “olona”, ny hoe antrôpo.​—Mt 16:27.

Ao amin’ny bokin’i Ezekiela no ahitana be dia be an’ilay teny hoe “zanak’olona” ao amin’ny Soratra Hebreo, satria in-90 mahery io mpaminany io no antsoin’Andriamanitra toy izany. (Ezk 2:1, 3, 6, 8) Toa tiana hasongadina hoe olombelona ihany io mpitondra teny io, fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra kosa no tompon’ilay hafatra nampitainy. Nantsoina hoe “zanak’olona” koa i Daniela mpaminany.​—Da 8:17.

Kristy Jesosy, ilay “Zanak’olona.” Miverina im-80 eo ho eo io teny ilazana an’i Jesosy Kristy io ao amin’ny Filazantsara. Na i Jesosy aza niantso ny tenany hoe “Zanak’olona.” (Mt 8:20; 9:6; 10:23) Ahitana an’io teny io koa ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:56 sy Hebreo 2:6 ary Apokalypsy 1:13; 14:14.

Lasa olombelona na “tonga nofo” (Jn 1:14) tokoa ilay Zanak’Andriamanitra, matoa izy nilaza fa “Zanak’olona” ny tenany. “Natera-behivavy” izy satria i Maria, virjiny jiosy, no bevohoka azy sy niteraka azy. (Ga 4:4; Lk 1:34-36) Tsy hoe nitafy nofo fotsiny toy ny nataon’ireo anjely taloha àry izy. Tsy Andriamanitra nitafy nofo koa izy, fa ‘zanak’olombelona’ satria olombelona ny reniny.​—Ampit. 1Jn 4:2, 3; 2Jn 7; jereo NOFO, HENA.

Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hilaza fa faminaniana momba an’i Jesosy Kristy ilay ao amin’ny Salamo faha-8. Namerina an’ireto teny ao amin’io salamo io ireto izy rehefa nanoratra ho an’ny Hebreo (2:5-9) hoe: “Inona moa izay olombelona mety maty [ʼenôhsh] no tsaroanao? Ary inona moa izay zanak’olombelona [ben-ʼadam] no karakarainao? Efa nataonao ambany kely noho ireo andriamanitra [“ambany kely noho ny anjely”, He 2:7] izy, ary nosatrohanao voninahitra sy famirapiratana. Notendrenao hanjaka amin’ny asan’ny tananao izy, ary nataonao eo ambany tongony ny zava-drehetra.” (Sl 8:4-6; ampit. Sl 144:3.) Nilaza i Paoly fa natao “ambany kely noho ny anjely” i Jesosy, mba hahatanteraka io faminaniana io. Lasa “zanak’olombelona” mety maty tokoa izy, mba hahafahany “ho faty ho an’ny rehetra.” Natsangan’ny Rainy izy avy eo, ary nosatrohany voninahitra sy famirapiratana.​—He 2:8, 9, ampit. He 2:14; Fi 2:5-9.

Nantsoina koa hoe “Zanak’olona” i Jesosy Kristy mba hampisehoana fa Havan’ny olombelona izy, ka manan-jo hanafaka azy ireo amin’ny ota sy ny fahafatesana. Asehon’izany koa fa Mpamaly ra izy.​—Le 25:48, 49; No 35:1-29; jereo MANAVOTRA, MPANAVOTRA; MPAMALY RA; VIDIM-PANAVOTANA.

Nantsoina hoe “Zanak’i Davida” (Mt 1:1; 9:27) i Jesosy mba hanasongadinana fa izy ilay taranak’i Davida handova azy, araka ny fifanekena momba ilay Fanjakana. “Zanak’olona” koa izy satria olombelona no niteraka azy. “Zanak’Andriamanitra” koa anefa izy satria Andriamanitra no rainy, fa tsy i Adama mpanota. Tsy nandova ota àry izy, ka tena olo-marina teo anatrehan’Andriamanitra.​—Mt 16:13-17.

Inona ilay “famantarana ny Zanak’olona”?

Antony lehibe hafa niantsoana matetika an’i Jesosy hoe “Zanak’olona” koa ny fahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 7:13, 14. Hitan’i Daniela tao amin’ny fahitana fa nisy “toy ny zanak’olona” teny amin’ny rahon’ny lanitra nasaina nankeo amin’ilay “Efa Nisy Hatry ny Ela Be.” Nomena azy “ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny.” Haharitra mandrakizay ny Fanjakany.

Nilaza ilay anjely tao amin’ny fahitan’i Daniela fa handray an-tanana an’io Fanjakana io “ireo olona masin’ilay Andriamanitra Fara Tampony.” (Da 7:18, 22, 27) Maro àry ny mpivaofy teny milaza fa ‘ny olo-masin’Andriamanitra amin’ny fitambarany’ na ‘ny vahoakan’Israely nomem-boninahitra sy tsy manan-tsahala’ ilay “zanak’olona.” Tsy mitombina anefa izany, rehefa dinihina ny Soratra Grika Kristianina. Nanao ‘fifanekena ho amin’ny fanjakana’ tamin’ny mpianany mantsy i Kristy Jesosy, ilay Mpanjaka voahosotr’Andriamanitra, mba hiarahan’izy ireo manjaka aminy ao amin’ny Fanjakany. Ho mpanjaka sy ho mpisorona izy ireo, kanefa i Jesosy no hanome azy ireo izany fahefana izany ka hifehy azy. (Lk 22:28-30; Ap 5:9, 10; 20:4-6) Tsy omena fahefana amin’ireo firenena àry izy ireo, raha tsy efa nomen’ilay Andriamanitra Fara Tampony an’i Jesosy aloha izany fahefana izany.​—Ap 2:26, 27; 3:21.

Vao mainka mazava hoe iza ilay “zanak’olona”, rehefa jerena ny navalin’i Jesosy ny mpisoronabe. Hoy izy: ‘Izaho no [Kristy, Zanak’Andriamanitra]. Ary ho hitanareo ny Zanak’olona hipetraka eo ankavanan’Ilay Mahery ary ho hitanareo ho avy izy, eny amin’ny rahon’ny lanitra.’​—Mr 14:61, 62; Mt 26:63, 64.

Olona iray àry ilay Zanak’olona voalazan’ny faminaniana fa nankeo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be. Tsy iza izy io fa i Jesosy Kristy na ny Mesia. Izany koa no fahazoan’ny Jiosy an’ilay faminanian’i Daniela, satria milaza ny asa soratr’ireo raby fa tanteraka tamin’ny Mesia ilay izy. (Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, 1951, fanazavana ny Da 7:13) Tian’ireo Fariseo sy Sadoseo ho tanteraka ara-bakiteny ilay faminaniana, ka nangataka tamin’i Jesosy izy ireo mba “hampiseho aminy famantarana avy any an-danitra.” (Mt 16:1; Mr 8:11) Nahazo fahitana i Stefana taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nananganana azy ho zavaboary ara-panahy. Hitany “ny lanitra misokatra, ary ny Zanak’olona mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.” (As 7:56) Mbola mitondra an’ilay anarana niantsoana ny Mesia hoe “Zanak’olona” ihany àry i Jesosy Kristy any an-danitra, na dia efa nataony sorona aza ny ain’olombelona nananany.

Rehefa nanambara ny fiavian’ny Zanak’olona i Jesosy, dia nilaza tamin’ny mpisoronabe fa “hipetraka eo ankavanan’Ilay Mahery” izy io. Niresaka tsy mivantana an’ilay faminaniana ao amin’ny Salamo faha-110 angamba izy, satria efa nilaza izy talohan’izay fa izy no resahin’ilay faminaniana. (Mt 22:42-45) Asehon’io salamo io sy ilay fahatanterahany noresahin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 10:12, 13, fa hiandry i Jesosy Kristy mandra-paniraky ny Rainy azy ‘hanjaka eo anivon’ny fahavalony.’ Toa tsy tamin’i Jesosy natsangana tamin’ny maty sy niakatra tany an-danitra àry no tanteraka ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 7:13, 14, fa tamin’izy nomen’Andriamanitra fahefana hanjaka sy hampihatra izany fahefana izany. Tamin’ny fotoana nitondrana an’ilay zazalahy an’ohatra nankeo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra (Ap 12:5-10) no ‘nanatonan’ny Zanak’olona an’ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be.’

Niresaka momba ireo zava-mahagaga hitranga eny amin’ny lanitra anefa aloha i Jesosy, vao naminany momba ny “famantarana ny Zanak’olona.” (Mt 24:30; Lk 21:27) Resahin’ny Baiboly fa nisy zava-mahagaga toy izany rehefa nandringana ny ratsy fanahy Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Is 13:9, 10 sy Jl 2:30, 31 ny Mt 24:29 sy Lk 21:25, 26.) “Hikapo-tratra sy hitomany ny foko rehetra eto an-tany” rehefa hahita “ny Zanak’olona ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahon’ny lanitra.” Hatahotra àry ireo olona tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra, rehefa hisy zava-mahagaga hitranga ho famantarana fa efa lasa mpanjaka mahery i Jesosy.

Misy faminaniana koa ao amin’ny Apokalypsy (17:12-14; 19:11-21) milaza fa handresy ‘vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny’ (Da 7:14) ilay Mesia Mpanjaka. Mbola i Jesosy Kristy ihany àry ilay “tahaka ny zanak’olona” resahin’ny Apokalypsy 14:14 sy 1:13.

Jereo ny hoe FANATREHANA sy MASO ary RAHONA (Heviny an’ohatra), mba hahitana fanazavana momba ilay hoe ‘ho avy ao amin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona’, ka hahita azy “ny maso rehetra.”​—Mt 24:30; Ap 1:7.