Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zanak’omby

Zanak’omby

Ilazana vantotr’ombilahy ny hoe ʽegel (heb.). Natao sorona ny zanak’omby (Le 9:2, 3), fa ny zanak’omby mifahy kosa novonoina sy nokarakaraina hatao sakafo rehefa nisy toe-javatra manokana.​—Ge 18:7, 8; 1Sa 28:24; Lk 15:23.

‘Nozaraina roa ny zanak’omby iray ary nandalo teo anelanelany’ ny olona fahiny, rehefa nanao fifanekena. (Ampit. Ge 15:9-21.) Niresaka an’izany i Jeremia, mba hanasongadinana fa masina ny fifanekena nifanaovan’ny Jiosy tamin’Andriamanitra. Adidin’izy ireo àry ny nanafaka izay Jiosy nandevoziny, araka ilay fifanekena.​—Je 34:17-19.

Heviny an’ohatra. Nahitsy toy ny “zanak’omby mbola tsy nofolahina” hitondra zioga ny Israely nivadika. (Je 31:18) Hoatran’ny zanak’omby mifahy kosa ny mpikarama an’ady ejipsianina tsy nahatohitra ny Babylonianina, ka lasa nandositra. (Je 46:21, 26) Hotorotoroina ireo mpanao ratsy sy sahisahy ratsy, fa izay matahotra ny anaran’Andriamanitra kosa hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy avoaka avy ao an-tranony.​—Ml 4:1, 2.

Fivavahana tamin’ny zanak’omby. Izany no lazain’ny Baiboly fa fanompoan-tsampy voalohany nataon’ny Israelita, rehefa nafahana avy tany Ejipta izy ireo. Tsy nahandry an’i Mosesy nandray ny lalàn’Andriamanitra teny an-tendrombohitra izy ireo, ka nangataka an’i Arona hanao andriamanitra ho azy ireo. Nanao sarivongana zanak’omby (azo antoka fa vantotr’ombilahy) avy tamin’ny kavina volamena nomen’ireo àry izy. (Sl 106:19, 20) Ilay zanak’omby volamena, hono, no Jehovah, ary “fety ho an’i Jehovah” ilay fety natao ny ampitso. Nanolotra fanatitra ho azy io ny Israelita, niankohoka teo anatrehany, nihinana sy nisotro, ary nihira sy nandihy.​—Ek 32:1-8, 18, 19; Ne 9:18.

Mety tsy ho volamena ranofotsiny ilay zanak’omby. Nilaza mantsy i Isaia fa fanaon’ny mpanefy ny nametaka takela-bolamena teo amin’ny sarivongana metaly. (Is 40:19) Mety ho vita tamin’ny hazo àry ilay zanak’omby, fa nopetahana takela-bolamena. Lasa saribao ilay sarivongana rehefa nodoran’i Mosesy, ary niempo tanteraka na tamin’ny ampahany ilay takela-bolamena. Nopotipotehiny sy notorotoroiny ho madinika toy ny vovoka ny saribao sy volamena sisa tavela, ary nafafiny teny amin’ny rano.​—Ek 32:20; De 9:21.

Azo inoana fa nisy vokany be tamin’ny Israelita ny finoan’ny Ejipsianina hoe andriamanitra ny omby lahy sy vavy ary biby hafa. Nivavaka tamin’ny zanak’omby àry izy ireo, taoriana kelin’ny nanafahana azy avy tany Ejipta. Manamarina izany ny tenin’i Stefana hoe: “Niverina tany Ejipta izy ireo tao am-pony, ka nanao tamin’i Arona hoe: ‘Manamboara andriamanitra ho antsika hialoha lalana antsika ...’ Dia nanamboatra zanak’omby izy ireo tamin’izany andro izany, ka nanao sorona ho an’ilay sampy, ary niravoravo tamin’ny asan’ny tanany.”​—As 7:39-41.

Nampanao zanak’omby volamena roa i Jeroboama, mpanjaka voalohan’ny fanjakan’ny foko folo. Natahotra mantsy izy sao hikomy ny vahoakany ka hiverina amin’ny taranak’i Davida, raha mbola niakatra hivavaka tany Jerosalema ihany. (1Mp 12:26-28) Tsy resahin’ny Baiboly hoe nahoana izy no nifidy zanak’omby ka nilaza fa io, hono, no Jehovah. Asa raha noho ny Israely efa nivavaka tamin’ny zanak’omby taloha, na noho ny zavatra hitan’i Jeroboama tany Ejipta (1Mp 12:2), na noho ny fanaon’ny Kananita sy ny hafa izay matetika nivavaka tamin’andriamanitra nijoro teo ambony biby, toy ny ombilahy.

Nataon’i Jeroboama tany Dana, tanàna avaratra indrindra, ny zanak’omby volamena iray, ary ny iray tany Betela, 17 km teo ho eo avaratr’i Jerosalema. Nilaza tamin’ny vahoakany izy fa mafy loatra tamin’izy ireo, hono, ny niakatra hivavaka tany Jerosalema, ary ilay zanak’omby no Andriamanitra nitondra azy ireo niakatra avy tany Ejipta. (Ampit. Ek 32:8.) Nanendry mpisorona hitarika ny fivavahana tamin’ireo zanak’omby tany Dana sy Betela izy, satria mbola nanompo an’i Jehovah tany Jerosalema foana ny mpisorona avy amin’ny fokon’i Levy. (2Ta 11:13-15) Nankalaza fety mitovy amin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo koa izy, iray volana taorian’ilay fety tany Jerosalema.​—1Mp 12:28-33; 2Ta 13:8, 9; Le 23:39.

Tsy nankasitrahan’i Jehovah ny fivavahana tamin’ny zanak’omby, ka nilaza i Ahia mpaminany fa hisy loza hanjo ny ankohonan’i Jeroboama. (1Mp 14:7-12) Mbola be mpanaraka foana anefa ilay fivavahana, tao amin’ny fanjakan’ny foko folo. Na dia nofoanan’i Jeho Mpanjaka aza ny fivavahana tamin’i Bala tany, dia mbola navelany hivavaka tamin’ny zanak’omby ny olona, angamba mba hiavahan’ilay fanjakana tamin’ny fanjakan’ny Joda. (2Mp 10:29-31) Nirahin’i Jehovah i Amosa sy Hosea mpaminaniny (taonjato fahasivy T.K.) hanambara fa tsy sitrany ny fivavahana tamin’ny zanak’omby, anisan’izany ny fanorohana azy io, ka hahita loza ny fanjakan’ny foko folo. Hoentina ho an’ny mpanjakan’i Asyria ilay zanak’omby tao Betela, ka halahelo azy io ny vahoaka sy ny mpisoron’ny andriamani-kafa. Horavana ny toerana avo, ary ho rakotry ny tsilo ny alitaran’ny mpanompo sampy. (Ho 10:5-8; 13:2; Am 3:14; 4:4; 5:5, 6) Tonga tokoa ny loza rehefa resin’i Asyria ny fanjakan’ny foko folo tamin’ny 740 T.K. Naminany i Jeremia, 100 taona teo ho eo taorian’izay, fa ho menatra noho ny amin’i Kemosy andriamaniny ny Moabita, toy ny nahamenatra ny Israelita noho ny amin’i Betela, foiben’ny fivavahana tamin’ny zanak’omby.​—Je 48:13; jereo BETELA No. 1; OMBILAHY; OMBIVAVY; SAMPY, FANOMPOAN-TSAMPY (Tamin’ny andron’ny mpanjaka).