Zanoa
(Zanòa) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “maimbo”].
1. Tanàna tany Sefela, tany Joda. (Js 15:20, 33, 34, 36) Anisan’ireo tanàna nonenana indray i Zanoa, taorian’ny sesitany tany Babylona. (Ne 11:25, 30) Mety ho ny mponina tao no nanamboatra ny simba tamin’ny ilany atsimo tamin’ny mandan’i Jerosalema sy ny Vavahadin-dohasaha. (Ne 3:13) Maro no milaza azy io ho i Kirbet Zanoʽ (Horvat Zanoa), tokotokony ho 5 km any atsimoatsinanan’i Beti-semesy.
2. Tanàna tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. (Js 15:20, 48, 56, 57) Mety ho io ihany ilay Zanoa resahin’ny 1 Tantara 4:18. Voalaza ao fa i Jakotiela no “rain’i” Zanoa. (Jereo JAKOTIELA.) Misy mihevitra azy io ho i Kirbet Beit Amra, tokotokony ho 10 km any atsimo atsimoandrefan’i Hebrona.