Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zarefata

Zarefata

(Zarefàta) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “manadio”].

Tanàna fenisianina ‘tany’ Sidona na angamba niankina taminy, tamin’ny andron’i Elia. Nisy mpitondratena mahantra nampiantrano an’ilay mpaminany tany. Nisy mosary mafy tamin’izay, nefa nanao fahagagana i Elia ka tsy nety lany ny lafarinina sy menaka tao an-tranon’ilay vehivavy. Natsangan’i Elia tamin’ny maty koa ny zanany lahy, tatỳ aoriana, noho ny herin’Andriamanitra. (1Mp 17:8-24; Lk 4:25, 26) Tany amin’ny sisin’ny faritany kananita taloha i Zarefata, nefa voalaza fa ho lasan’ireo Israelita avy natao sesitany. (Ob 20) Mbola ahitana an’ilay anarana ny hoe Sarafand, 13 km eo ho eo atsimo atsimoandrefan’i Sidona, na dia nety ho lavidavitra kokoa aza ilay Zarefata fahiny teo amoron’i Mediterane.