Zaridaina
Ilazana tany novolena, matetika voatondraka, ny hoe gan (heb.) sy hoe kepôs (gr.). Nisy fefy tsilo na tamboho (vato na tany), izay angamba nasiana tsilo teny an-tampony, ny zaridaina fahiny.—To 4:12.
Tsy toy ny zaridainan’ny Tandrefana ny zaridaina resahin’ny Baiboly, fa saha nisy hazo isan-karazany kosa, toy ny hazo fihinam-boa sy voanjoala (Mpto 2:5; Am 9:14; To 6:11), ary nisy zavamaniry mani-pofona sy voninkazo. (To 6:2) Sakelidrano na lakandrano no nanondrahana an’ireo zaridaina, izay matetika no nisy lalan-kely miolakolaka. Mety ho nanana zaridaina kely ny fianakaviana sasany. Tian’i Ahaba Mpanjaka ho azo ny tanimboalobok’i Nabota mba hatao zaridaina fambolena legioma.—1Mp 21:2.
Tany ivelan’ny tanàna ny zaridaina niendrika saha, afa-tsy ny an’ny mpanjaka sy mpanefohefo. Mety ho teo ivelan’ny mandan’i Jerosalema teo atsimoatsinanana ny Zaridainan’ny Mpanjaka. Teo akaikin’io i Zedekia sy ny miaramilany no nitsoaka, rehefa nanao fahirano ny Kaldeanina. (2Mp 25:4; Ne 3:15) Toerana “tsara tarehy, ary feno zaridaina sy sakelidrano” koa i Etana, izay 13 ka hatramin’ny 16 km avy teo Jerosalema, ary tao i Solomona no nitaingina kalesy, hoy i Josèphe. (Rakitry ny Ela Jiosy, VIII, 186, [vii, 3]) Azo antoka fa lehibe sy tsara tarehy ilay zaridaina nanaovan’i Ahasoerosy Mpanjaka fanasambe nandritra ny fito andro tao Sosana, tamin’ny taona fahatelo nanjakany.—Es 1:1-5.
Tany Babylona. Anisan’ny zava-mahatalanjona fito teto an-tany ny Zaridaina Mihanton’i Babylona. Nataon’i Nebokadnezara Mpanjaka izy io mba hampifaliana an’ilay andriambavy medianina vadiny, izay nanembona ny toerana be tendrombohitra niaviany. Lemaka fotsiny mantsy i Babylonia. Andohalambo nifanao ambaratonga ilay zaridaina, ary nototofana tany ampy hanirian’
ny hazo lehibe indrindra. Teny an-tampony kosa nasiana fitoeran-drano izay nofenoina rano avy tao Eofrata, ary paompy niendrika visy no nampiakarana ilay rano.Tany Ejipta. Toa nanao zaridaina kely fambolena legioma ny Israelita tany Ejipta. Nampidi-drano tamin’ny tongony izy ireo. (De 11:10) Nampiasa kodiarana novoizina tamin’ny tongotra angamba izy ireo, na nanisy lakandrano ka ny tongony no nanokafany na nanampenany an’ireo lakandrano nitarihana rano nanondrahana voly.
Getsemane. Teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny zaridainan’i Getsemane. Teny ampitan’ny Lohasahan’i Kidrona izy io, ary tsy lavitra an’i Jerosalema. Tian’i Jesosy Kristy sy ny mpianany ny nankao rehefa te hitokana. Nankao izy ireo taorian’ny Paska farany sy ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany. Nihataka kely i Jesosy mba hivavaka mafy, ary nisy anjely tonga nankahery azy. Fantatr’i Jodasy ny fanaon’i Jesosy ka nitarika vahoaka nankao Getsemane izy, ary nanoroka azy rehefa hamadika azy.—Mt 26:36, 46-49; Lk 22:39-48; Jn 18:1, 2.
Toeram-pandevenana. Nisy zaridaina natao toeram-pandevenana. Nalevina tao amin’ny zaridainan’i Oza, ohatra, i Manase sy Amona zanany. (2Mp 21:18, 25, 26) Tao amin’ny fasana vaovao tao amin’ny zaridaina iray koa i Jesosy no nalevina. (Jn 19:41, 42) Lasa fanaon’ny Israelita ny nanao sorona ho an’ny sampy teny an-jaridaina. Nipetraka teny amin’ny fasana izy ireo tamin’izay, ary nihinana zava-maharikoriko. Nomelohin’i Jehovah àry izy ireo.—Is 65:2-5; 66:16, 17.
Zaridainan’i Edena. Io no zaridaina nalaza indrindra hatrizay. Angamba voahodidina fefy voajanahary izy io. “Tao Edena tany atsinanana izy io”, ary teo atsinanany ny fidirana. Teo amin’ilay fidirana ireo kerobima sy ny lelan-tsabatra nirehitra sy nihodinkodina, ka nisakana an’i Adama mpanota tsy hankeo amin’ny hazon’aina teo afovoan’ny zaridaina. (Ge 2:8; 3:24) Avy tao amin’ilay zaridaina ihany ny renirano nanondraka azy, ary nisampana ho renirano lehibe efatra. Nisy ny hazo rehetra mahafinaritra ny maso sady mahate hihinana, zavamaniry hafa, ary biby sy vorona tao amin’io zaridaina niendrika saha io. Tokony hiasa sy hikarakara ary hanitatra azy io maneran-tany i Adama, araka ilay baikon’Andriamanitra hoe “anjakao” ny tany. Toerana masina ilay zaridaina satria tao Andriamanitra no nifampiresaka tamin’i Adama sy Eva. Fonenana tonga lafatra ho azy ireo izy io.—Ge 2:9, 10, 15-18, 21, 22; 1:28; 3:8-19; jereo PARADISA.
Tsy resahin’ny Baiboly hoe hafiriana ireo kerobima no niambina an’ilay lalana nankany amin’ny hazon’aina. Mety ho teo foana izy ireo mandra-pahatongan’ny Safodrano, 1 656 taona taorian’ny namoronana an’i Adama. Azo inoana fa simba ilay zaridaina rehefa tsy voakarakara intsony. Voaroaka tao mantsy i Adama sy Eva rehefa tsy nankatò fa nihinana ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy nandrarana azy. Nety ho potika tanteraka ilay zaridaina, tamin’ny Safodrano, fara fahelany.—Jereo EDENA No. 1.
Mbola tsaroana ela be taorian’ny Safodrano ny hakanton’ny zaridainan’i Edena, matoa voalaza hoe “tahaka ny zaridainan’i Jehovah” no fahitan’i Lota ny Faritr’i Jordana manontolo izay “azon-drano tsara.” (Ge 13:10) Nitsinjo ny Tany Nampanantenaina foana ny mason’i Jehovah, satria tiany homena ho lovan’ny Israely izy io. “Ranonoran’ny lanitra” no nahazoan’izy io rano, fa tsy rano nampidirina toy ny tao amin’ny zaridaina fambolena legioma tany Ejipta.—De 11:10-12.
Heviny an’ohatra. Nampitandrina i Jehovah fa hisy ‘firenena mahery manana vahoaka maro an’isa’ hanafika ny tanin’i Joda, izay “toy ny zaridainan’i Edena”, ka ho lasa tany efitra i Joda. (Jl 2:2, 3) Toy ny zaridaina na tanimboly azon-drano tsara kosa ireo manao ny sitrapon’i Jehovah sy ankasitrahany. (Is 58:8-11) Toy izany ny vahoakan’i Jehovah nody avy tany an-tsesitany tany Babylona.—Is 51:3, 11; Je 31:10-12.
Resahin’ny Ezekiela 28:12-14 fa tao amin’ny zaridainan’i Edena sy teny amin’ny “tendrombohitra masin’Andriamanitra” “ny mpanjakan’i Tyro.” Rakotra sedera nijoalajoala ny tehezan’ny Tendrombohitra Libanona nijoroan’ilay mpanjaka nanao akanjom-boninahitra marevaka, ka toy ny hoe tao amin’ny zaridainan’i Edena sy teny amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra izy.
Toy ny zaridaina tsara tarehy sy mahafinaritra ary misy voankazo tena tsara ilay tovovavy solemita, hoy ilay mpiandry ondry tia azy.—To 4:12-16.