Zava-maharikoriko
Nadika avy amin’ny teny hebreo sy grika samihafa.
1. Miseho in-140 eo ho eo ny teny hoe taʽav (rikoriko, mankahala) sy hoe tôhʽevah (zava-maharikoriko), ao amin’ny Soratra Hebreo. Ilazana zavatra na olona ankahalaina mafy na tsy tiana intsony ireo teny ireo, satria nandika fitsipika ilay olona na satria tsy mifanaraka amin’izay nieritreretana azy ilay zavatra.
“Zava-maharikoriko” (“fady”, DIEM) tamin’ny Ejipsianina, ohatra, ny niara-nisakafo tamin’ny Hebreo (Ge 43:32), ary ‘naharikoriko tamin’ny Ejipsianina ny mpiandry ondry rehetra.’ (Ge 46:34) Nilaza i G. Rawlinson, mpivaofy teny ara-baiboly, fa nohamavoin’ny Ejipsianina ny vahiny, indrindra fa ny mpiandry biby fiompy. Fantatr’i Mosesy fa masina tamin’ny Ejipsianina ny biby sasany (indrindra fa ny ombivavy), ka niangaviany i Farao hamela ny Israelita hanao sorona any an-tany efitra, satria ho “zava-maharikoriko amin’ny Ejipsianina” (Ek 8:25-27) izany. (Ejipta sy Babylona ao Amin’ny Tantara Masina sy Tsy Ara-pivavahana, 1885, p. 182) Tsy avy tamin’i Jehovah Andriamanitra sady tsy nankasitrahany anefa izany fomba fihevitry ny Ejipsianina izany.
Andriamanitra no manome fitsipika sy toro lalana ny amin’izay tokony hankahalaina na haharikoriko. (Le 18:1-5; De 23:7) Hoy ny Salamo 14:1: “Ny adala miteny anakampo hoe: ‘Tsy misy izany Jehovah izany.’ Manao ratsy izy ireo, ary manao zava-maharikoriko [endriny hafa amin’ny hoe taʽav]. Tsy misy manao ny tsara.” Fantatsika avy amin’ireo andininy ahitana ny teny hebreo hoe taʽav sy tôhʽevah àry ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Takatsika koa hoe nahoana no mifanohitra be ny toe-tsain’ireo manaraka ny Tenin’Andriamanitra, sy ireo tsy miraharaha na mandà azy io fa manaraka ny fitsipika noforonin’ny tenany na olon-kafa.—Oh 29:27.
Teo amin’ny Kananita. Mbola tsy niditra tany Kanana ny Israelita no efa nilazan’i Jehovah hoe inona avy no fomba amam-panaon’ireo Kananita naharikoriko azy, ka tokony haharikoriko azy ireo koa. (Le 18:26-30) Nanompo sampy be ny Kananita, ka hoy Andriamanitra: “Hodoranareo ny sary sokitra izay andriamaniny. Aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena eo amin’ireny, na maka izany ho anao, sao ho voafandrik’izany ianao, fa zava-maharikoriko [tôhʽavat] amin’i Jehovah Andriamanitrao izany. Aza mitondra zava-maharikoriko [tôhʽevah] ho ao an-tranonao, sao ho voatokana haringana toy izany zavatra izany koa ianao. Tokony haharikoriko tanteraka anao izany, ary ho tena halanao [vetaʽev tetaʽavenno], satria zavatra natokana haringana.” (De 7:25, 26) Voaozona izay Israelita nanao sary hivavahana. (De 27:15) Mety ho vita tsara izy ireny, nefa tokony haharikoriko amin’ny vahoakan’Andriamanitra.—Ezk 7:20; ampit. Is 44:18-20.
Nanao ny asan’ny maizina koa ny Kananita, nifandray tamin’ny maty, nilaza ozona famosaviana, nilaza ny hoavy (De 18:9-12), nanao sorona ny zanany tao anaty afo ho an’ny sampiny (De 12:31; Je 32:35; 2Mp 16:3), nanao firaisana tamin’olom-pady na tamin’ny biby, na tamin’izy samy lehilahy na samy vehivavy. (Le 18:6, 22-30; 20:13) Tena maharikoriko ny hoe lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy. Noraran’ny Lalàna tsy hanao fitafiam-behivavy àry ny lehilahy, ary tsy hanao fitafian-dehilahy ny vehivavy fa “maharikoriko” izany. (De 22:5) Nisy lehilahy sy vehivavy mpivaro-tena “masina” koa tao amin’ireo tempoly tany Kanana. Tsy navelan’i Jehovah hoentina tao an-tranony anefa ny “karaman’ny mpivaro-tena na ny vidin’alika, satria samy zava-maharikoriko” izany.—De 23:17, 18; 1Mp 14:24.
Nasain’i Jehovah Andriamanitra naringan’ny Israelita àry ny Kananita mpanao an’ireny “zava-maharikoriko” ireny, sao hanaraka ny fivavahan-disony ny Israelita. (De 20:17, 18) Tokony haringana koa izay Israelita nanao an’ireny na nitaona ny hafa hivadi-pinoana.—De 13:12-15; 17:2-7; Ezr 9:1, 11-14.
Teo amin’ny Israelita. Ampiasain’ny Soratra Hebreo koa ny hoe taʽav sy tôhʽevah mba hilazana ny fanaon’ny olona manambaka amin’ny varotra (De 25:13-16; Oh 11:1; 20:10, 23), mandainga (Sl 5:6; 119:163; Oh 12:19, 22), manitsakitsa-bady (Ezk 33:26), mangalatra, manana faniriana tsy mety afa-po, mampahory ny mahantra (Ezk 18:10-13), mirehareha, mandatsaka ran’ny tsy manan-tsiny, manao teti-dratsy, mijoro ho vavolombelona mandainga, ary mampiady mpirahalahy. “Maharikoriko” an’Andriamanitra daholo ireo.—Oh 3:32; 6:16-19; 11:20; 15:26; 24:9; 26:24-26.
Lasa tsy ankasitrahan’Andriamanitra sy “maharikoriko” azy ny sorona sy ny vavaka ataon’izay manao an’ireo. (Oh 15:8, 9; 21:27; 28:9) Nolazain’i Jehovah hoe “zava-maharikoriko” àry ny sorona sy ny emboka manitra natolotry ny Israelita nivadi-pinoana, mbamin’ny tsinam-bolana nankalazainy sy ny Sabata notandremany. (Is 1:11-17) Hoy koa izy: “Mangalatra sy mamono olona sy manitsakitsa-bady sy mianiana lainga ianareo, ary manolotra setroka ho sorona ho an’i Bala sy manaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo. Mbola tonga mitsangana eto anatrehako ato amin’ity trano niantsoana ny anarako ity ihany anefa ianareo, ary manao hoe: ‘Tsy maintsy ho voavonjy isika’, na dia manao izany zava-maharikoriko rehetra izany aza. Heverinareo ho lava-bato fieren-jiolahy angaha ity trano niantsoana ny anarako ity?” (Je 7:9-11) Tsy nahamenatra azy ireo akory ny nanao an’izany.—Je 6:15; 8:12.
Nanao na nanala tsiny an’izany ireo mpanjaka sy mpisorona teo amin’ny Israely. (1Mp 21:25, 26; 2Mp 21:2-12; 2Ta 28:1, 3; 33:2-6; 36:8, 14; Ezk 8:6-17; 43:7, 8) Naharikoriko an’Andriamanitra anefa ny fikomian’ny Israelita, ka nirahiny ny mpaminaniny hampahafantatra azy ireo izany sy hilaza fa hahita loza izy ireo. (Ezk 16:2, 51, 52; 20:4; 22:2; 23:36) Tsy tokony hanao an’ireny fanao maharikoriko an’Andriamanitra ireny intsony izy ireo, fa hiverina aminy ka hanaraka ny fitsipiny. (Ezk 14:6) Ho lao ny tanin’izy ireo ary ho ringana izy ireo, raha tsy miova. (Je 44:4, 22; Ezk 6:11; 7:3-9; 11:21; 12:16; 33:29) Hisy ho menatra noho ny ratsy nataony ihany anefa ireo nalefa sesitany, ka homen’i Jehovah “toe-tsaina vaovao.”—Ezk 6:9; 11:18-21; 36:31.
Mety hesoin’ny namany (Jb 30:9, 10) sy hailikiliny (Jb 19:19; Sl 88:8) ireo manaraka ny fitsipik’Andriamanitra, toy ny nanjo an’i Joba. ‘Mankahala mpananatra, sy tsy tia izay milaza ny marina’ mantsy ireny namana ireny. (Am 5:10) ‘Maharikoriko amin’ny tsisy saina ny miala amin’ny ratsy.’ (Oh 13:19) Maharikoriko an’Andriamanitra anefa ireo “manameloka ny marina” sy “manamarina ny meloka.” (Oh 17:15) Mampanantena izy fa na halan’ny olona aza ny mpanompony ankehitriny, dia hahazo voninahitra kosa amin’ny hoavy.—Is 49:7; ampit. Mt 5:10-12; 1Pe 3:16; 4:1-5.
2. Midika koa hoe “zava-maharikoriko” ny teny hebreo hoe shekets sy shikkots, izay avy amin’ny fototeny hoe shakats midika hoe ‘maharikoriko’ (Le 11:11, 13) na “tonga zava-maharikoriko.” (Le 11:43; 20:25) Ilazana zava-maharikoriko amin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah ireo teny hebreo ireo. Nadikan’ny Baiboly hafa hoe “fahavetavetana” na “zava-betaveta” izy ireo. (Da 11:31; 12:11, Prot.) Ny teny grika hoe bdelygma no nandikan’i Matio sy Marka ny teny hebreo hoe shikkots (mr.: shikkotsim). (Da 9:27; Mt 24:15; Mr 13:14) Zavatra mahatonga rikoriko no dikan’io teny grika io.
Voararan’ny Lalàn’i Mosesy ny fihinanana biby sasany, izay nolazainy hoe “maloto” raha atao sakafo sy sorona. Tokony hoheverina ho “zava-maharikoriko” àry izy ireny amin’ireo lafiny ireo. Lasa “zava-maharikoriko” koa izay olona nihinana (na nanao sorona) azy ireny, satria tsy niraharaha ny didin’Andriamanitra. (Le 7:21; 11:10-13, 20-23, 41, 42; 20:25; Is 66:17) Tsy hoe zava-maharikoriko tanteraka anefa izy ireny. “Maloto”, ohatra, ny ampondra raha natao sakafo na sorona, nefa nampiasain’ny Israelita hitondrana olona sy entana. (Ek 23:4, 5; Mt 21:2-5) Nanana andian-drameva i Davida Mpanjaka, ary natao fitafiana ny volon-drameva. (1Ta 27:30, 31; Mt 3:4) Oharina amin’ny voromahery koa Andriamanitra rehefa nikarakara sy niaro ny Israely nafahana avy tany Ejipta. (Ek 19:4; De 32:9-12) Rehefa nifarana ny fifaneken’ny Lalàna, dia tsy misy biby tokony hoheverina intsony hoe ‘maharikoriko’ ka tsy tokony hohanina.—As 10:9-15; 1Ti 4:1-5; jereo BIBY.
Ilazana biby “maloto” ny teny hebreo hoe shekets, fa ilazana sampy sy fanompoan-tsampy kosa ny hoe shikkots. Nasain’i Jehovah nanary an’ireo “zava-maharikoriko” sy “sampy maharikorikon’i Ejipta” ny Israelita nafahany avy tany Ejipta. Nisy anefa tsy nankatò azy ka nanazimbazimba ny anarany. (Ezk 20:6-9) Nandalo tamin’ny tanin’ny firenena maro ny Israelita rehefa ho any amin’ny Tany Nampanantenaina, ka nahita ny ‘zava-maharikoriko notompoin’izy ireo sy ny sampy maharikoriko tany aminy, dia vato aman-kazo sy volafotsy ary volamena.’ Tokony “haharikoriko tanteraka” azy ireo ireny sampy “natokana haringana” ireny, ka tsy tokony hoentiny tao an-tranony. (De 29:16-18; 7:26) “Zava-maharikoriko” ireo andriamanitra sy andriamanibavin’ireo firenena, anisan’izany i Milkoma na Moleka, Kemosy ary Astarta. (1Mp 11:5, 7; 2Mp 23:13) Lasa naharikoriko an’Andriamanitra koa ny Israely rehefa nanompo sampy. Tezitra mafy tamin’izy ireo izy fa nolotoin’izy ireo tamin’ny sampy ny tempoly. Navelany ho lao àry ny tanin’izy ireo. (Je 32:34, 35; Ezk 7:20-22; Ho 9:10) Nijangajanga na nanana “fifandraisana mamoafady” tamin’ny ‘vato aman-kazo notompoiny’ izy ireo, ka tsy nifandray tamin’Andriamanitra intsony.—Ezk 20:30-32; ampit. Je 13:27.
Nanana herim-po ny mpanjaka sasany ka nanafoana ny fanompoan-tsampy. Nitondra fitahiana ho an’ilay firenena izany tamin’ny androny. (2Mp 23:24; 2Ta 15:8-15) Nilaza Andriamanitra fa rehefa tsy manompo sampy intsony ny Israely, dia haverina any an-tanindrazany ka ho vahoakany indray. (Ezk 11:17-21) Naminany koa i Ezekiela fa i Davida no ho mpanjakan’ilay firenena voadio sady ilay “mpiandry iray ihany” ary ‘mpiadidy mandritra ny fotoana tsy voafetra.’ Tanteraka amin’ny firenen’ny Israely ara-panahy na ny fiangonana kristianina koa io faminaniana io, satria i Kristy Jesosy, mpandova ny seza fiandrianan’i Davida, no mifanitsy amin’i Davida.—Ezk 37:21-25; ampit. Lk 1:32; Jn 10:16.
Milaza ny Nahoma 3:6 fa ‘hotorahan’i Jehovah zava-maharikoriko [heb.: shikkotsim]’ i Ninive renivohitr’i Asyria, ary tsy hijangajanga na hifandray amin’ny firenena maro intsony izy io. Tsy sampy akory ireo zava-maharikoriko ireo, fa loto sy fako. Ho famingavinga àry ilay tanàna. (Na 3:4-7) Hisy zava-maharikoriko sy zavatra mbola misy ra hesorina eo anelanelan’ny nifin’ny Filistinina. (Za 9:6, 7) Ny henan’ny biby nataony sorona nohaniny niaraka tamin’ny rany angamba izany.—Ampit. Ezk 33:25.
Tsy nanompo sampy mihitsy ny Jiosy sy ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy. Nanao zava-maharikoriko anefa izy ireo satria nanao ny tenany ho toy ny andriamanitra, tsy nankatò, nihatsaravelatsihy, nanana faniriana tsy mety afa-po, ary nandainga. Nilaza i Jesosy fa nataon’izy ireo “lava-bato fieren-jiolahy” ny tempoly, toy ny nataon’ny razany ihany. (Mt 23:1-15, 23-28; Lk 16:14, 15; ampitahao Mt 21:13 sy Je 7:11, 30.) Tena ratsy ny toe-tsainy sy toe-pony ka nanda ny Zanak’Andriamanitra izy ireo tamin’ny farany. Ho ringana àry izy ireo, hoy i Jesosy.—Mt 21:33-41; Lk 19:41-44.
‘Zava-maharikoriko hitondra faharavana.’ Nilaza i Daniela fa hisy “zava-maharikoriko” hahatonga faharavana. (Da 9:27) Maro no mino ny lovantsofina jiosy fahiny hoe niseho tamin’ny 168 T.K. ilay “zava-maharikoriko” rehefa nolotoin’i Antiokosa Faha-4 (Épiphane), mpanjaka syrianina, ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Te hanafoana ny fivavahana tamin’i Jehovah mantsy izy ka nanorina alitara teo ambonin’ilay alitara lehibe, ary nanao sorona kisoa ho an’i Zeosy (Jopitera) andriamanitra. Tanteraka tamin’io trangan-javatra io ny faminanian’i Daniela, araka ny 1 Makabeo 1:57 (boky tsy anisan’ny Baiboly), izay ahitana teny mitovitovy amin’ny nampiasain’i Daniela (momba ny zava-maharikoriko hitondra faharavana).
Fomba fihevitry ny Jiosy fotsiny anefa izany fa tsy avy amin’Andriamanitra. Diso hevitra izy ireo, satria mbola nampitandrina ny mpianany i Kristy Jesosy hoe: “Noho izany, raha vao hitanareo mitsangana ao amin’ny toerana masina ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana, araka ny nampilazaina an’i Daniela mpaminany—aoka ny mpamaky handinika tsara—, dia aoka izay any Jodia handositra any an-tendrombohitra.” (Mt 24:15, 16) Mbola tsy tonga àry tamin’izay “ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana.”
Tsy nahatonga faharavana mantsy ilay nandotoan’i Antiokosa ny alitaran’ny tempoly, na dia naharikoriko an’Andriamanitra aza. Tsy rava i Jerosalema sy ny tempoly tamin’izay, ary tsy foana ilay firenena. ‘Hitan’ny Kristianina nitsangana teo amin’ny toerana masina’ anefa “ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana”, 33 taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. (Mt 24:15) Nanodidina an’i Jerosalema “tanàna masina” mantsy ny tafika romanina mpanompo sampy tamin’ny taona 66, satria lasa foiben’ny fikomian’ny Jiosy tamin’i Roma ilay tanàna. Efa tena akaiky àry tamin’izay ilay “faharavana” hoentin’ilay zava-maharikoriko. Izay ilay famantarana farany nandrasan’ny Kristianina mba ‘handosirana any an-tendrombohitra.’ (Mt 4:5; 27:53; 24:15, 16; Lk 19:43, 44; 21:20-22) Rava tokoa ilay tanàna tamin’ny taona 70, resin’ny Romanina ilay firenena, ary resy tamin’ny taona 73 i Masada, toerana voaro mafy farany nialokalofan’ny Jiosy.—Ampit. Da 9:25-27.
Faminaniana hafa momba ny zava-maharikoriko. Ampifandraisin’ny Daniela 11:31-35 sy 12:9, 11 amin’ny “fotoanan’ny farany” ilay “zava-maharikoriko mahatonga faharavana.” Azo inoana àry fa hitovitovy amin’ny fomba nisehoan’ilay “zava-maharikoriko mahatonga faharavana” tamin’ny taonjato voalohany ny hisehoan’ilay “zava-maharikoriko” amin’ny fotoanan’ny farany, saingy tsy ho voafetra amin’i Israely ihany izany.
Rava i Jerosalema, ilay “toerana masina” na “tanàna masina”, tamin’ny taona 70. (Mt 27:53) Mbola eo anefa ilay “Jerosalema any an-danitra”, na ny Fanjakan’ny Mesia, ary misolo tena azy io eto an-tany ny Kristianina voahosotra. (He 12:22) Misy fivavahana hafa koa mihambo ho solontenan’io Fanjakana io. Asehon’ny Apokalypsy toko faha-17 anefa fa hamotika azy ireo ny ‘tandroka folon’ny bibidia’ an’ohatra, na ireo mpanjakan’ny tany.
Zava-maharikoriko ataon’i Babylona Lehibe. Resahin’ny Apokalypsy toko faha-17 fa toy ny mpivaro-tena i Babylona Lehibe. Antsoina hoe “renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko BABYLONA LEHIBE.
amin’ny tany” izy. Misy kaopy volamena ‘feno zava-maharikoriko noho ny fijangajangany amin’ny mpanjakan’ny tany’ eny an-tanany. Mila sitraka amin’ireo mpanjakan’ny tany na bibidia an’ohatra izy, ary mitaingina an’io bibidia io. Tsy hanaiky hotaingenany intsony anefa ilay “bibidia” fa hamely sy handringana azy.—JereoTsy ho anisan’i “Jerosalema Vaovao” mihitsy izay mikiry manao “zava-maharikoriko”, satria madio io ‘ampakarin’ny’ Zanak’ondry io.—Ap 21:9, 10, 27.
3. Midika koa hoe “zava-maharikoriko” ny teny hebreo hoe niddah, izay mety ho avy amin’ny fototeny hoe nadah, midika hoe “manilika; tsy eritreretina.” (Is 66:5; Am 6:3) Miseho in-30 izy io ao amin’ny Soratra Hebreo. Lazaina hoe niddah ny zavatra maloto mivoaka amin’ny vatana, toy ny fadimbolana (Le 12:2, 5; 15:20, 24, 25, 33), na zava-maharikoriko ataon’olona, toy ny fanompoan-tsampy. (Ezr 9:11; 2Ta 29:5) Io teny hebreo io koa no ampiasaina ao amin’ny hoe “rano fanadiovana” (No 19:9-21; 31:23, TV, Prot., DIEM; “rano manafaka ny loto”, Kat.; “rano fanokanana”, JM), izany hoe rano nampiasaina hanesorana loto.
Nilaza i Jeremia fa “lasa zava-maharikoriko [“zava-maloto”, Kat.; “fako maharikoriko”, DIEM] teo [amin’ireo firenena nanodidina]” i Jerosalema rehefa lao.—Ft 1:17.
Hoy i Jehovah momba ny firenen’Israely, talohan’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema: “Nonina teo amin’ny taniny ny taranak’Israely, nefa nandoto azy io izy ireo, tamin’ny fitondran-tenany sy ny fanaony. Nanjary naloto toy ny vehivavy maloton’ny fadimbolana [niddah] ny fanaon’izy ireo, teo imasoko.” (Ezk 36:17) Naloto teo imason’i Jehovah Andriamanitra tompony sady vadiny ny Israely nanompo sampy ka nialany. Rehefa nidio ihany izy ireo vao ho tafaray aminy indray. Hoy àry i Jehovah: “Hofafazako rano madio ianareo, ka hadio. Hodioviko ho afaka aminareo daholo ny fahalotoanareo sy ny zava-maharikoriko rehetra notompoinareo.”—Ezk 36:25; ampit. 18:6.
Tezitra tamin’ny Israely Andriamanitra satria nanao sary tamin’ny volafotsy sy volamena izy ireo ka nivavaka tamin’ireny. Hataon’i Jehovah àry izay hanarian’izy ireo ny volafotsiny sy ny volamenany eny an-dalana, satria ho lasa “zava-maharikoriko [niddah]” amin’izy ireo ireny.—Ezk 7:19, 20; ampit. Is 30:22.
Fankahalana. Midika hoe “fankahalana” ny teny hebreo hoe kots, izay ilazana fihetseham-po toy ny hoe “mankahala; raiki-tahotra mafy” (Ge 27:46; 1Mp 11:25; No 22:3), sy ny hoe gaʽal midika koa hoe “mankahala”, fa amin’ny heviny hoe manilika an’ilay ankahalaina. (Le 26:11, 15, 30; Je 14:19) Ny teny grika hoe prôsôktizô, midika hoe “mahatsapa rikoriko” (Ge 27:46; Le 26:15; ampit. He 3:10), sy ny hoe bdelyssômai, midika hoe “mampiseho fankahalana; rikoriko amin’ny”, no nampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo indraindray, rehefa nandika an’ireo teny hebreo ireo.—Le 20:23; 26:11; ampit. Ro 2:22.
Ratsy fitondran-tena, nanao zavatra mamoafady, nanompo sampy, ary nampiasa herin’ny maizina ny Kananita. Halan’ilay Avo Indrindra àry izy ireo, ka nomelohiny haringana. (Le 20:2-23) Nampitandreman’i Jehovah ny Israelita fa ho halany koa izy ireo raha tsy mankatò, ka tsy harovany sy tsy hotahiny intsony. Tsy haripany tanteraka anefa izy ireo na dia halany aza, satria tsy mivadika amin’ilay fifanekena nataony tamin’ny Israely izy. (Le 26:11-45) Ho lasa “zava-maharikoriko” (heb.: deraʼôhn) mandrakizay ireo hatsangana amin’ny maty nefa manao ratsy. Hatsangana ho amin’ny fanamelohana àry izy ireo, ary haringana mandrakizay.—Da 12:2; Jn 5:28, 29.
Ratsy ny mankahala sy mandà ny didin’i Jehovah sy ny fananarany ary ny zavatra omeny. Tsy nety nankatò ny didin’i Jehovah anefa ny Israelita, ary lasa naharikoriko azy ny mana ka nolazainy fa “mofo tsisy ilana azy.” (No 21:5; Le 26:15) Hoy ny Ohabolana 3:11: ‘Aza mankahala ny anatra omen’i Jehovah.’
Hoy ny Romanina 12:9: “Ankahalao ny ratsy.” Fanamafisana an’ilay matoanteny grika midika hoe “mankahala” ilay teny grika nadika hoe “ankahalao” (apôstygeô) eto, ka midika ara-bakiteny hoe “mankahala mafy.” Ho halan’i Jehovah izay olona tsy mankahala ny ratsy, na tsy rikoriko amin’izany intsony.