Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Zava-nitranga Talohan’ny Nahafatesan’i Kristy

Zava-nitranga Talohan’ny Nahafatesan’i Kristy

TAO Jerosalema sy teny akaikiny izany no nitranga. Nihoby an’ilay Zanak’Andriamanitra ho Mpanjaka ny firenen’Israely. Niantsoantso ny mpianatra maro be hoe: “Mahazo fitahiana Ilay Mpanjaka tonga amin’ny anaran’i Jehovah!” (Lk 19:37, 38) Nanda an’i Jesosy anefa ny mpitondra fivavahana, ary niampanga azy ho nandrisika ny olona hikomy. Nanontanian’i Pontio Pilato, governora romanina, àry izy raha mpanjaka. Namaly izy hoe: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.” Nasehon’i Pilato tamin’ny Jiosy i Jesosy avy eo, ka hoy izy: “Io ny mpanjakanareo!” Hoy anefa ny lehiben’ny mpisorona: “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.”​—Jn 18:33-38; 19:14, 15.

Vato misy ny anaran’i Pontio Pilato, amin’ny teny latinina; hita tamin’ny 1961

SARITANY: Jerosalema sy ny Manodidina (Zava-nitranga Talohan’ny Nahafatesan’i Kristy)

9 Nisana: Nihoby an’i Kristy ho Mpanjaka ny olona tamin’izy nankao Jerosalema

10 Nisana: Noroahiny ireo nivarotra tao amin’ny tempoly

11 Nisana: Nolazainy mialoha ny faran’ny tontolo ratsy sy ny fanatrehany rehefa Mpanjaka any an-danitra izy

14 Nisana: Nisantatra ny Fahatsiarovana ny nahafatesany izy, talohan’ny namonoana azy