Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavakanto

Zavakanto

Tsy dia resahin’ny Baiboly ny zavakanto, toy ny sary hoso-doko, sarivongana, na kisarisary. Tsy tany ngazana anefa no nametrahana ny olona voalohany, fa zaridaina na paradisa iray be hazo “mahate hihinana” sy “mahafinaritra ny maso.” (Ge 2:9) Noforonina ho tia zavatra tsara tarehy àry ny olona. Mendri-piderana ilay Mpamorona satria tsy manan-tsahala ny fomba nanaovany ny zavaboary sy ny hakanton’izy ireny rehefa jerena, ohatra, ny voninkazo, hazo, tendrombohitra, lohasaha, farihy, riandrano, vorona, biby, ary olona. (Sl 139:14; Mpto 3:11; To 2:1-3, 9, 13, 14; 4:1-5, 12-15; 5:11-15; Ro 1:20) Ny sarin’izy ireny, izay samy hafa endrika sy natao tamin’ny akora isan-karazany, no zavakanto resahina ato.

Efa tamin’ny andron’i Abrahama no voalaza fa nomena “kavin’orona volamena”, brasele volamena, ary zavatra vita tamin’ny volafotsy sy volamena i Rebeka. (Ge 24:22, 53) Nahitana firavaka maro niangaliana be tao amin’ny Fasan’ny Mpanjaka tao Ora, tanàna nisy an’i Abrahama taloha. Nampiasaina tamin’ny fomba ratsy anefa ny zavakanto fahiny. Nampiasain’ny mpanompo sampy sy ny mpitondra fanjakana niavonavona taloha, ohatra, ny ankamaroan’ny zavakanto nofongarin’ny mpikaroka tany Irak, Israely, Ejipta, ary ny faritra manodidina.

Akora samihafa. Toa ny Ejipsianina, ary angamba ny Fenisianina, no nanao ny fitaratra (teo anelanelan’ny 2000-1000 T.K.). Mety ho ny tany Mezopotamia anefa no namorona azy io. Nahitana vakina fitaratra tsara voatra izay mety ho natao teo anelanelan’ny 3000 ka hatramin’ny 2000 T.K. mantsy tany. Sarobidy be ny fitaratra, hoy i Joba (t. 1600 T.K.). (Jb 28:17) Tsy tantera-pahazavana ilay izy, nefa nanaovana sary sokitra biby, fitoeran-dranomanitra, rojo, ary firavaka hafa. Ny Romanina no voalohany nanao fitaratra tantera-pahazavana.​—Ampit. Ap 4:6; jereo FITARATRA, I.

Anisan’ny akora nampiasain’ny mpanao zavakanto fahiny ny tanimanga (nohamainina na nodorana), hazo, halimo, varahina, vy, volamena, volafotsy, vatosoa, fitaratra, ivoara, vatosokay, ary marbra.​—Jereo TOMBO-KASE.

Zavakanton’ny Hebreo. Tsy tena fantatra ny azy ireo satria vitsy amin’izy ireny sisa tavela. Asehon’ny Baiboly anefa fa tia zavakanto izy ireo. Naka zavatra vita tamin’ny volamena sy volafotsy tamin’ny Ejipsianina izy ireo, rehefa niala tany Ejipta. (Ek 12:35) Faly izy ireo nanome azy ireny handravahana ny tranolay masina tany an-tany efitra. (Ek 35:21-24) Afaka nampiasa ny fahaizany nandrafitra, nanefy, nanao peta-kofehy, ary nanao firavaka izy ireo, rehefa nanao ny tranolay sy ny fitaovany ary nandravaka azy io. Nitarika sy nampianatra azy ireo tamin’izany i Bezalila sy Oholiaba. Avy amin’i Jehovah anefa ny fahaizan’izy ireo zavakanto.​—Ek 35:30-35; 36:1, 2.

Efa nahay nampiasa fandraka hanaovana sarivongana zanak’omby hivavahana i Arona, talohan’ny nanaovana ilay tranolay. (Ek 32:3, 4) Nampiasain’i Mosesy (na ny olona notendreny) tamin-javatra tsara kosa ny fahaizany, rehefa nanao bibilava varahina izy. (No 21:9) Tsy dia nanao sary hoso-doko na sarivongana ny Hebreo. Voararan’ny Lalàna mantsy ny fanaovana sary hivavahana, na dia azo natao aza ny sary hafa. (Ek 20:4, 5) Mpanompo sampy be ny firenen-kafa rehetra sady nampiasa sary maro ivavahana. Hafahafa àry raha ireo nitandrina ny Lalàna sy notendrena hampihatra izany indray, no hanao sy hanana sary hoso-doko na sarin’olona sy sarim-biby natao sokitra. (De 4:15-19; 7:25, 26) Na ny kerobima volamena tao amin’ny tranolay masina aza nosaronana lamba rehefa nobataina, sao hitan’ny vahoaka (No 4:5, 6, 19, 20), ary ny mpisoronabe ihany no nahita indray mandeha isan-taona an’ireo kerobima tao amin’ny tempoly. (1Mp 6:23-28; He 9:6, 7) Variana namboly koa ny Israelita rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ka tsy nanana fotoana sy vola holanina tamin’ny zavakanto.

Ny zavakanto nataon’ny mpivadi-pinoana ihany no voaresaka tamin’ny andron’ny Mpitsara.​—Mpts 2:13; 6:25; 8:24-27; 17:3-6; 18:14.

Tamin’ny andron’ny mpanjaka. Tsy dia malaza ankehitriny hoe nahay zavakanto ny firenen’Israely fahiny. Voaporofo anefa fa nahavita zavatra tena kanto sy nahavariana olona maro izy ireo indraindray. Notantarain’i Ezekiela mpaminany, ohatra, ny fomba nampihaingoan’i Jehovah an’i Jerosalema. ‘Lasa nalaza teo amin’ireo firenena àry izy noho ny hatsaran-tarehiny. Tonga lafatra mantsy ny hatsaran-tarehiny satria nataoko teo aminy ny voninahitro, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.’ (Ezk 16:8-14) Nampiasainy tamin’ny fomba ratsy anefa ny hatsaran-tarehiny (and. 15-18, 25), satria lasa nivaro-tena tamin’ireo firenena nanodidina azy izy. Nilaza toy izao koa ireo nahita an’i Jerosalema rehefa avy noravan’i Babylona izy io: “Io ve ilay tanàna nolazaina fa ‘tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy, sy fifaliana ho an’ny tany manontolo’?” (Ft 2:15; ampit. Sl 48:2; 50:2; Is 52:1.) Azo inoana fa faran’izay kanto koa ny tempoly naorin’i Solomona, matoa natao hoe ‘trano masina tsara tarehy.’​—Is 64:11; 60:13.

Boky maro no milaza fa tsy nahay zavakanto mihitsy, hono, ny Israelita, ary ny Fenisianina no tena nanorina ny tempolin’i Solomona Mpanjaka. Mpanao asa tanana fenisianina iray monja anefa, hoy ny Baiboly, no nangatahin’i Solomona, ankoatra an’ireo mpipai-bato sy mpikapa ny hazon’i Libanona nampiasain’i Hirama Mpanjaka. (1Mp 5:6, 18; 2Ta 2:7-10) Hirama koa no anaran’io mpiasa israelita-fenisianina io, ary nahay nanefy metaly sarobidy, nanenona, ary nanao asa sokitra izy. Nanana olona mahay koa anefa i Solomona, ary niresaka momba azy ireny sy ireo olona mahay notendren’i Davida rain’i Solomona i Hirama Mpanjaka. (2Ta 2:13, 14) I Davida no nanome an’i Solomona ny planin’ny tempoly sy izay rehetra mombamomba azy io. Hoy izy: “Natao an-tsoratra ny zava-drehetra satria niasa tamiko ny tanan’i Jehovah, ka nataony izay hahatakarako ny asa rehetra tokony hatao mifanaraka amin’ilay planina.” (1Ta 28:11-19) Nahafinaritra be an’i Ahaza mpanjaka ratsy fanahy kosa ny alitaran’ny mpanompo sampy tany Damaskosy, ka nandefasany “ny drafitr’ilay alitara sy ny modely nanaovana azy” i Oria mpisorona.​—2Mp 16:1-12.

Tsy nanan-tsahala koa ny seza fiandrianana ivoara lehibe nataon’i Solomona Mpanjaka. Nopetahany takela-bolamena izy io, ary nasiany sarina liona nitsangana teo anilan’ireo fitoeran-tanana sy teo amin’ny zanatohatra enina nankeo amin’izy io. (1Mp 10:18-20) Be dia be ny ivoara nampiasaina tamin’ny lapan’i Solomona. (Sl 45:8) Toa nalaza ny fanaka sy takelaka ary zavakanto vita tamin’ny ivoara tany amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra sy Samaria renivohiny, tamin’ny andron’i Ahaba Mpanjaka sy taorian’izay. (1Mp 22:39; Am 3:12, 15; 6:4) Zavatra sy takelaka maro be vita tamin’ny ivoara no nofongarin’ny mpikaroka, tao amin’ny toerana heverina fa nisy ilay lapa. Nisy tamin’ireny noravahana volamena sy vatomanga lapis-lazuli ary fitaratra. Hita tany Megido koa ny zavatra 400 teo ho eo vita tamin’ny ivoara, toy ny takelaka misy sary sokitra tsara tarehy, boaty misy haingony ivoara, ary kilalao (toy ny fanorona), izay mety ho natao tamin’ny taonjato faha-12 T.K. tany ho any.

Nisy sarina biby mandady sy biby hafa ary sampy ny rindrin’ny tempoly, tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, rehefa nivadi-pinoana i Jerosalema. (Ezk 8:10) I Oholiba (na i Jerosalema nivadika) kosa nahita Kaldeanina natao sary sokitra nolokoana mena volon-daoranjy teny amin’ny rindrina.​—Ezk 23:14; ampit. Je 22:14.

Teo anivon’ny Fivavahana Kristianina. Hitan’i Paoly ny hakanton’ny tanànan’i Atena, izay feno sarin’ireo andriamanitra sy andriamanibavy grika. Nohazavainy tamin’ny olona tao anefa fa tsy tokony hihevitra “an’Andriamanitra ho tahaka ny volamena na volafotsy na vato” izy ireo, “na tahaka ny sokitra vitan’ny fahaizan’olombelona sy ny fahiratan-tsainy”, satria ilay tena Andriamanitra sy Mpamorona no nanome aina ny olona. (As 17:29) Noporofoiny àry fa tsy voatery ho marina ny fivavahana iray, na dia mampiasa sary tsara tarehy mahasarika olona aza.​—Ampit. Jn 4:23, 24.

Tsy misy fitantarana na porofo hoe nanana ny zavakantony ny Kristianina voalohany. Tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo vao nisy sary hoso-doko sy sary sokitra ny fasana ambanin’ny tany nandevenana ny Kristianina anarana. Nihanahazo vahana anefa ny zavakanto nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra, rehefa niara-niasa akaiky ny Eglizy sy Fanjakana. Lasa zava-dehibe toy ny tamin’ny mpanompo sampy ilay izy, ary matetika no nisy ifandraisany tamin’izy ireo na naka tahaka ny sary sy famantarana nampiasainy. Efa ela no niaiky an’izany ny mpandalina zavakanto, ary tsy ny mpanakanto ihany no nahatonga izany fa ny eglizy sy ny fomba fiasany, hoy i Louis Réau mpampianatra ny Tantaran’ny Zavakanto Tamin’ny Moyen Âge (t. 500-1500), tao amin’ny Oniversiten’i Sorbonne any Frantsa. (Fandalinana ny Zavakanton’ny Kristianina, Paris, 1955, Boky I, p. 10) Tsy tena nampiova finoana an’ireo mpanompo sampy fahiny ny eglizy, hoy izy (p. 50), fa nifidy kosa ny hanaja sy “hanaraka ny fomban-drazan’izy ireo, saingy novany fotsiny ny anaran’ireny.”

Tsy mahagaga àry raha misy sarina kintana fijerena tononandro (hita eran’i Babylona fahiny), ohatra, ny varavarana havian’ny Katedralin’i Notre Dame any Paris, sy manodidina ny sarin’i Maria eo amin’ilay varavarankely boribory afovoany. (Ampit. Is 47:12-15.) “Nasian’ny mpanao sarivongana sarina sampy” ny fidirana eo afovoany amin’ny Katedralin’i Auxerre any Frantsa, hoy ny boky iray, dia ny sarin’i “Erôs [andriamanitry ny fitiavana tamin’ny Grika] matory mitanjaka ... ary Hercule sy Satyre [andriamanitra sady olona tamin’ny Grika]! Misy sarin’ilay Zanaka Adala resahin’ny fanoharana kosa ny sary maromaro ambany ankavanana.”

Misy an’ireto sary ireto koa ny varavaran’ny Katedralin’i Masindahy Piera any Roma: Kristy sy ny “Virjiny”, Ganymède izay “nentin’ny voromahery” mba ho mpandroso divain’i Zeosy mpanjakan’ireo andriamanitra, ary “Leda [renin’i Castor sy Pollux] manao firaisana amin’ny gisa mpanidina [Zeosy].” Hoy ihany i Réau momba izany fampiasana sarina sampy izany: “Ary ahoana ny amin’ny sarin’ny Fitsarana Farany ao amin’ny Eglizin’ny Papa Sixte, izay eglizy lehibe indrindra any Vatikana? Misy sarin’i Kristy nataon’i Michel-Ange ao. Mitanjaka sy manipy tselatra toy ny nataon’i Jopitera [rain’ireo andriamanitra romanina] izy io. Hita ao koa ny sarin’ireo Voaheloka miampita ny Styx [renirano ninoan’ny Grika fa fiampitan’ny maty] ao amin’ny lakan’i Charon.” Hoy koa izy: “Ny lehibe [ireo ankasitrahan’ny papa] mihitsy àry no nanome modely harahina.”

Hitantsika teo fa tsy zava-dehibe tamin’ny firenen’Israely ny zavakanto, ary tsy miresaka azy io ny asa soratry ny fiangonan’ny Israely ara-panahy tamin’ny taonjato voalohany. Nanan-tombo noho ny firenena rehetra anefa izy ireo teo amin’ny resaka literatiora. Izy ireo mantsy no nampanoratin’Andriamanitra ny Baiboly, izay boky tena kanto (ny ivelany ary indrindra fa ny ao anatiny). “Toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra” ny teny ao anatiny. Mazava sy mamiratra toy ny vatosoa faran’izay tsara ny fahamarinana raketiny. Mahavariana sy kanto lavitra noho izay sary ataon’ny mpanakanto olombelona koa ny sarin-teny sy fahitana resahiny.​—Oh 25:11; 3:13-15; 4:7-9; 8:9, 10.