Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavamananaina

Zavamananaina

Avy amin’ny teny hebreo hoe nefesh [נֶפֶשׁ] sy ny teny grika hoe psykè [ψυχή], izay midika hoe olona na biby, na ain’ny olona na ain’ny biby.

Adikan’ny Baiboly sasany hoe “fanahy” ireo teny grika sy hebreo ireo, kanefa tsy izay no tian’ny mpanoratra Baiboly holazaina. Mihamaro koa ny olona miaiky fa tsy “fanahy” no dikan’ireo teny ireo. Efa tamin’ny 1897, ohatra, no nilaza toy izao ilay manam-pahaizana atao hoe C. Briggs, rehefa avy namakafaka ny fampiasana an’ilay teny hoe nefesh: ‘Matetika no tsy mitovy amin’ny hevitr’ilay teny hebreo hoe נפש [nefesh] mihitsy ny fahazoan’ny olona ankehitriny ny teny hoe fanahy, ka ho diso fandray azy io ny mpamaky raha tsy mitandrina.’​—Gazetin’ny Haisoratra Ara-baiboly, Boky Faha-16, p. 30.

Nandika ny Torah na ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly, ny Fikambanana Jiosy Mpamoaka Boky any Amerika, taona vitsivitsy lasa izay. Nilaza i H. Orlinsky, tonian’ny mpampanonta ao amin’ny oniversite hebreo iray, fa tsy nampiasaina tao amin’io dikan-teny vaovao io intsony ny hoe “fanahy”, satria “‘nefesh’ ilay teny hebreo.” Hoy koa izy: “Nandika azy io hoe ‘fanahy’ ny mpandika teny hafa, nefa diso tanteraka izany. Tsy milaza mantsy ny Baiboly hoe manana fanahy isika. Ilay olona mihitsy kosa no ‘nefesh’, anisan’izany ny faniriany hisakafo, ny ra mikoriana ao anatiny, ary ny maha izy azy.”​—Ny Gazetin’i New York, 12 Oktobra 1962.

Ahoana no niandohan’ilay fampianarana hoe manana fanahy tsy hita maso sy tsy mety maty ny olona?

Raha ny marina, dia tsy avy ao amin’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina, fa avy tamin’ny filozofia grika fahiny (izany hoe avy tamin’ny mpanompo sampy) no niavian’ilay finoana hoe tsy mety maty ny fanahy. Namerina ny tenin’i Socrate, ohatra, i Platon filozofa grika. Hoy izy: “Mankany amin’izay mitovy aminy any amin’ny tsy hita maso, any amin’andriamanitra, any amin’ny tsy mety maty, any amin’ny hendry ny fanahy ... raha madio izy miala amin’ny vatana, izany hoe tsy misy sombiny amin’ny vatana entiny miaraka aminy ... Sambatra izy rehefa tonga any, satria nafahana tamin’ny hadisoana sy hadalana sy tahotra ... ary ny fijaliana hafa rehetra manjo ny olombelona ... ka tena miara-miaina foana amin’ireo andriamanitra.”​—Phédon, 80, D, E; 81, A.

Nampianatra àry ny Grika fa tsy hita maso sy tsy azo tsapain-tanana ary tsy mety maty ny psykè. Ny Baiboly kosa milaza fa hita maso sy azo tsapain-tanana ary mety maty ny psykè sy ny nefesh, rehefa ilazana an’ireo zavaboary eto an-tany.

Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: “Manana heviny maro be ny nepes [nefesh] ... toy ny hoe aina (Ek 21:23; De 19:21) sy ireo fomba samihafa amantarana hoe velona ny olona iray: Fofonaina (Ge 35:18; Jb 41:13[21]), ra [Ge 9:4; De 12:23], ary faniriana (2Sa 3:21; Oh 23:2). Tsy zavatra ao anatin’ny olona ilay nepes resahin’ny Test[tamenta] T[aloha], fa ilay olona manontolo mihitsy, izany hoe ilay olona velona. Midika hoe ain’ny olona koa izy io ao amin’ny Test[amenta] V[aovao]: Ny ain’ny olona iray mahatsiaro tena. (Mt 2:20; 6:25; Lk 12:22, 23; 14:26; Jn 10:11, 15, 17; 13:37).”​—1967, Boky Faha-13, p. 467.

Avy amin’ny fototeny midika hoe “miaina na mitsoka” ny hoe nefesh, ary azo adika ara-bakiteny hoe “mpifoka rivotra.” Toy izao no amaritan’i Koehler sy Baumgartner an’io teny io: “Fofonaina mahatonga ny biby [sy ny] olona ho velona Ge 1:20; aina (hafa tanteraka amin’ilay fanahy inoan’ny Grika) ao anatin’ny ra Ge 9:4, and. na p. manaraka; Le 17:11; De 12:23: (in-249) ... zavamananaina, olona.”​—Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 627.

Hoy kosa ireo rakibolana grika-anglisy momba an’ilay teny grika hoe psykè: “Aina”, “ilay olona velona na ny maha izy azy, ka anisan’izany ny fihetseham-pony sy ny faniriany ary ny zavatra tiany”, “zavamananaina.” Voalaza ao fa ilazana ny “biby” koa ny hoe psykè, na dia ao amin’ireo asa soratra grika tsy ara-baiboly aza. Asa soratra grika anefa no tena fakafakain’ireo rakibolana ireo, ka tsy mahagaga raha hita ao koa ny famaritan’ireo filozofa grika mpanompo sampy ny atao hoe psykè: “Fanahy miala amin’ny vatana”, “fanahy tsy hita maso sy tsy mety maty”, “fanahin’izao rehetra izao”, ary “hery mahatonga ny zavatra hihetsika sy ny fiainana hisy.” Lasa nidika koa hoe “lolo na samoina” (izay fanday aloha vao miofo ho biby manana elatra) ny hoe psykè, noho ny fampianaran’ny filozofa grika sasany hoe miala amin’ny vatana ny fanahy rehefa maty ny olona.​—Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott, nohavaozin’i H. Jones, 1968, p. 2026, 2027; Rakibolana Vaovao Grika-Anglisy nataon’i Donnegan, 1836, p. 1404.

Niovaova ny nandikan’ny mpanoratra grika fahiny ny hoe psykè, arakaraka izay tiany sy izay ninoany. Izao, ohatra, no voalaza momba an’i Platon, ilay filozofa namolavola ny fomba fihevitry ny olona momba ny atao hoe ‘fanahy’: “Nilaza izy indraindray fa mizara telo [hono] ny fanahy, ka ny ampahany iray ‘afaka misaina’ sy tsy mety maty, fa ireo roa hafa kosa mety maty. Nilaza koa anefa izy fa misy fanahy roa ao amin’ny vatana, dia ilay tsy mety maty tahaka an’andriamanitra, sy ilay mety maty.”​—Gazety Evanjelika, Londres, 1931, Boky III, p. 121, “Fanazavana an’ilay fampianarana hoe mizara telo ny olombelona”, nataon’i A. McCaig.

Ilaina ny handinihana an’izay tena tian’ireo mpanoratra Baiboly holazaina amin’ny hoe psykè sy nefesh, satria miovaova be ny dikan’ireo teny ireo ao amin’ny asa soratra tsy ara-baiboly. Miverina in-754 ny hoe nefesh ao amin’ny Soratra Hebreo nataon’ny Masoreta, ary in-102 ny hoe psykè ao amin’ny Soratra Grika Kristianina nadikan’i Westcott sy Hort, izany hoe in-856 raha atambatra. (Jereo Fanazavana Fanampiny [TV], p. 1870, 1871.) Azontsika atao tsara àry ny hahazo ny tian’ireo mpanoratra Baiboly holazaina, sy hahatakatra ny tena dikan’izay nosoratan’izy ireo. Tsy miovaova na mifangaro na mifanipaka toy ny hita ao amin’ireo filozofia grika fahiny mantsy izay voalazan’ny Baiboly momba ny olombelona, na dia manana heviny maromaro aza ny hoe nefesh sy psykè.

Zavamananaina voalohany teto an-tany. Ao amin’ny Genesisy 1:20-23 no ahitana voalohany ny teny hoe nefesh. Hoy Andriamanitra tamin’ny “andro” fahadimy: “‘Aoka hisy zavamananaina [nefesh] be dia be hifanaretsaka ao anaty rano, ary aoka hisy biby manidina hanidintsidina eny ambonin’ny tany ...’ Ary Andriamanitra nanomboka namorona ireo biby goavam-be any an-dranomasina sy ny zavamananaina [nefesh] rehetra mihetsiketsika izay mifanaretsaka ao anaty rano, samy araka ny karazany avy, ary ny biby manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy.” Nantsoina koa hoe nefesh na “zavamananaina” ireo “biby fiompy sy biby mandady ary bibidia eny ambonin’ny tany” noforonina tamin’ny “andro” fahenina.​—Ge 1:24.

Mbola nantsoin’Andriamanitra hoe nefesh ny biby, na dia taorian’ny namoronany ny olona aza. Niresaka ny amin’ireo “zavamananaina [nefesh] rehetra izay mihetsiketsika eny ambonin’ny tany” Izy rehefa nomeny toromarika ny olona. (Ge 1:30) Biby koa ireo nefesh resahin’ny Genesisy 2:19; 9:10-16; Levitikosy 11:10, 46; 24:18; Nomery 31:28; ary Ezekiela 47:9. Ilazana biby toy ny zavamananaina any an-dranomasina koa ny hoe psykè, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.​—Ap 8:9; 16:3.

Samy manondro biby, izay ambany kokoa noho ny olombelona, àry ny hoe nefesh sy psykè ao amin’ny Baiboly. Ilazana olona koa anefa ireo teny ireo.

Olombelona. Ny teny hebreo hoe nefesh haiyah (zavamananaina) no niantsoana an’ireo biby noforonin’Andriamanitra. Io teny io koa no nilazana an’i Adama rehefa namorona azy tamin’ny vovoky ny tany sy nitsoka fofonaina nankao am-bavorony Andriamanitra, ka “lasa zavamananaina” izy. (Ge 2:7) Tsy mitovy amin’ny biby anefa ny olona. Tsy hoe noho izy nefesh akory no tsy itovizan’izy ireo, fa satria ny olona ihany no noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra.” (Ge 1:26, 27) Noforonina hanana toetra toy ny an’Andriamanitra mantsy izy. Mahery sy hendry lavitra noho ny biby izy, ka nanaiky azy ny zavaboary rehetra ambany kokoa noho izy. (Ge 1:26, 28) Be pitsiny sy mahavita zavatra maro kokoa ny vatan’ny olona, raha oharina amin’ny an’ny biby. (Ampit. 1Ko 15:39.) Afaka niaina mandrakizay koa i Adama (saingy nafoiny izany). Ny biby kosa tsy voalaza mihitsy hoe afaka ny ho toy izany.​—Ge 2:15-17; 3:22-24.

‘Nitsoka fofonaina [endriny hafa amin’ny hoe neshamah] nankao am-bavoron’i Adama’ Andriamanitra rehefa namorona azy, fa tsy mba nanao toy izany kosa rehefa namorona biby. Be tsipiriany kokoa fotsiny anefa ny fitantarana momba ny namoronana ny olona. Milaza koa ny Genesisy 7:21-23 fa “maty izay rehetra nanam-pofonaina [endriny hafa amin’ny hoe neshamah] teo am-bavorony, dia izay rehetra teo amin’ny tany maina”, rehefa noringanina tamin’ny alalan’ny Safodrano ny “nofo rehetra” tany ivelan’ny sambofiara, na olona na biby. Avy amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona koa àry ny fofonain’ny biby.

Mitovy ihany ny hery mamelona (heb.: roah; gr.: pneoma) ny olona sy ny biby, araka ny voalazan’ny Mpitoriteny 3:19-21 hoe: “Iray ihany ny hery mamelona [veroah] azy roa tonta.”

Nefesh na psykè. “Lasa zavamananaina [nefesh] ny olona”, araka ny voalaza tetsy aloha. Tsy hoe fanahy tsy hita maso sy tsy mety maty ao anatin’ny olona àry ny nefesh, fa ilay olona mihitsy. Mifanaraka amin’izany rahateo ny fampianaran’ny Kristianina. Hoy mantsy ny apostoly Paoly, izay namerina ny voalazan’ny Genesisy 2:7: “Fa izao mihitsy no voasoratra: ‘Tonga zavamananaina [psyken zôsan] i Adama voalohany.’ ... Ilay lehilahy voalohany dia avy amin’ny tany sady natao tamin’ny vovoka.”​—1Ko 15:45-47.

Ny fitambaran’ny vatana sy ny fofonaina no atao hoe zavamananaina, araka ny voalazan’ny Genesisy. Lazaina fa ‘manam-pofonaina [ara-bakiteny: manana ny fofonain’ny hery mamelona (roah)]’ ny zavaboary rehetra, na olona izy na biby, satria ny fifohana rivotra (sy oksizenina) no mihazona ny hery mamelona ao anatin’izy ireo. (Ge 7:22) Ao anatin’ny selan’izy ireo no misy an’ilay hery mamelona, araka ny hazavaina ao amin’ireo lahatsoratra hoe FANAHY; FIAINANA.

Olona na biby ny nefesh ka tsy mahagaga raha lazaina fa izay ataon’izy ireo ihany no ataon’ny nefesh. Voalaza, ohatra, fa mihinana hena, tavin-kena, ra, na ny toy izany ny nefesh (Le 7:18, 20, 25, 27; 17:10, 12, 15; De 23:24); noana na te hihinana sy hisotro (De 12:15, 20, 21; Sl 107:9; Oh 19:15; 27:7; Is 29:8; 32:6; Mi 7:1); hatavezina (Oh 11:25, f.a.p.); mifady hanina (Sl 35:13); mikasika zava-maloto, toy ny fatin’olona na fatim-biby (Le 5:2; 7:21; 17:15; 22:6; No 19:13); ‘alaina ho antoka’ na ‘alaina an-keriny’ (De 24:6, 7); miasa (Le 23:30); mahatsiaro ho velombelona rehefa avy misotro rano mangatsiaka (Oh 25:25); vidina (Le 22:11; Ezk 27:13); atolotra ho fanatitra fanefana voady (Le 27:2); asiana gadra vy (Sl 105:18); tsy mahita tory (Sl 119:28); ary misefosefo (Je 15:9).

Tsara homarihina fa mpisolo tena toy ny hoe “izaho”, “izy”, “ianao” no nandikana ny hoe nefesh na psykè ao amin’ny andininy maro, satria ilay olona mihitsy no tiana holazaina amin’izy io. Nilaza ny Lexicon in Veteris Testamenti Libros (p. 627) fa midika hoe “aho” ny hoe “nefesh-ko” (Ge 27:4, 25; Is 1:14), “ianao” ny hoe “nefesh-nao” (Ge 27:19, 31; Is 43:4; 51:23), “izy” ny hoe “nefesh-ny” (No 30:2, 5-12; Is 53:10), sy ny toy izany.

Mpisolo tena koa no nandikana ny teny grika hoe psykè indraindray. Milaza ny Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (1981, Boky Faha-4, p. 54) fa azo atao ny mampiasa “mpisolo tena” mba handikana ny hoe psykè “ho fanamafisan-kevitra ...: Jaona 10:24 (‘anay’); Heb. 10:38; ampit. Gen. 12:13; Nom. 23:10; Mpits. 16:30; Sal. 120:2 (‘aho’); ‘anareo’, 2 Kor. 12:15; Heb. 13:17”, sy ny toy izany.

Ain’ny zavaboary. Ilazana ny aina koa ny hoe nefesh na psykè, kanefa tsy ny aina amin’ny ankapobeny fotsiny fa ny ain’ny zavaboary, izay mety ho olona na biby.

Niala, ohatra, ny nefesh na ny ain’i Rahely tamin’izy niteraka an’i Benjamina, ka maty izy. (Ge 35:16-19) Tsy zavamananaina intsony àry izy. Niverina kosa ny nefesh na ny ain’ny zanakalahin’ilay mpitondratena tao Zarefata rehefa nanao fahagagana i Elia mpaminany, ka “velona indray” ilay zazalahy na hoe lasa zavamananaina indray.​—1Mp 17:17-23.

Milaza ny Baiboly fa “ao amin’ny ra” ny nefesh na aina (Ge 9:4; Le 17:11, 14; De 12:23), satria mifamatotra ny ain’ny zavaboary sy ny rany (ilazana ny ain’ny olona na ny ain’ny zavaboary novonoina ny rany [Ge 4:10; 2Mp 9:26; Sl 9:12; Is 26:21]). Tsy amin’ny heviny ara-bakiteny anefa izany, satria milaza koa ny Baiboly hoe manana ra ny nefesh. (Ge 9:5; ampit. Je 2:34.) Tsy ny ra (izay mamelona ny vatana) fotsiny koa no tiana holazaina amin’ny hoe nefesh, araka ireo andininy maro be tetsy aloha.

Tsy ilazana an’ireo zavamaniry noforonina tamin’ny “andro” fahatelo (Ge 1:11-13) na taorian’izay ny teny hoe nefesh, satria tsy misy ra mikoriana ao anatin’izy ireny.

Ireto, ohatra, ny andininy ampiasana ny teny grika hoe psykè amin’ny heviny hoe “ain’ny zavaboary”: Matio 6:25; 10:39; 16:25, 26; Lioka 12:20; Jaona 10:11, 15; 13:37, 38; 15:13; Asan’ny Apostoly 20:10. Manantena ny hatsangana ka ho lasa “zavamananaina” indray ny mpanompon’Andriamanitra, raha sanatria maty. Nilaza àry i Jesosy hoe: “Izay mamoy ny ainy noho ny amiko sy ny vaovao tsara kosa dia hamonjy azy. Fa inona tokoa moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa very ny ainy? Fa inona tokoa moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?” (Mr 8:35-37) Hoy koa izy: “Izay tia ny ainy no hamoy azy, fa izay mankahala ny ainy eo amin’izao fiainana izao kosa, no hiaro azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.” (Jn 12:25) Manamafy an’ireo andininy ireo sy ny hafa mitovitovy aminy ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:28 hoe: “Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo, nefa tsy mahafoana ny fiainanareo ho avy, fa aleo matahotra an’ilay mahavita mandringana anareo ao amin’ny Gehena.” Afaka mamono mahafaty olona iray ny olon-kafa, saingy tsy afaka ny hamono azy mandrakizay satria mbola velona ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra izy. (Ampit. Lk 20:37, 38.) Afaka ny hamelona indray an’ilay olona tsy mivadika kosa Andriamanitra, sady tena hanao izany izy rehefa hanangana azy amin’ny maty. Vetivety ihany àry fa tsy mandrakizay, ny hamoizan’ireo mpanompon’Andriamanitra ny ‘ainy.’​—Ampit. Ap 12:11.

Mety maty sady azo ringanina. Milaza koa ilay Matio 10:28 fa “mahavita mandringana anareo ao amin’ny Gehena” Andriamanitra. Ahitana ny teny hoe psykè ilay nadika hoe “anareo” eto, araka ny teny tany am-boalohany. Tsy marina àry ny hoe tsy mety maty na tsy azo ringanina ny psykè. Tsy misy na dia andininy iray aza ao amin’ny Baiboly manontolo, na ao amin’ny Soratra Hebreo na ny Soratra Grika, milaza fa tsy mety maty, tsy azo ringanina, tsy mety lo, na ny toy izany ny nefesh na psykè. (Jereo TSY METY LO; TSY METY MATY.) Maro be kosa ny andininy milaza ao amin’ny Soratra Hebreo sy Grika fa mety maty (Ge 19:19, 20; No 23:10; Js 2:13, 14; Mpts 5:18; 16:16, 30; 1Mp 20:31, 32; Sl 22:29; Ezk 18:4, 20; Mt 2:20; 26:38; Mr 3:4; He 10:39; Jk 5:20) ny nefesh na psykè; maty satria ‘naringana’ (Ge 17:14; Ek 12:15; Le 7:20; 23:29; Js 10:28-39; Sl 78:50; Ezk 13:19; 22:27; As 3:23; Ap 8:9; 16:3) na novonoina tamin’ny sabatra (Js 10:37; Ezk 33:6) na matin’ny hasemporana (Jb 7:15) na saika maty an-drano (Jo 2:5); midina any an-davaka na any amin’ny Fasana (Jb 33:22; Sl 89:48) na vonjena tsy ho lasa any (Sl 16:10; 30:3; 49:15; Oh 23:14).

“Nefesh” na “psykè” maty, na faty. Nadika hoe “olona maty” na “faty” ny hoe nefesh maty ao amin’ny andininy maro.​—Le 19:28; 21:1, 11; 22:4; No 5:2; 6:6; Hg 2:13; ampit. No 19:11, 13.

Faniriana. Ilazana ny faniriana ao anatin’ny olona iray indraindray ny hoe nefesh. Mameno ny sainy sy ny fony io faniriana io, ka ny hanome fahafaham-po azy io no imasoany. Milaza, ohatra, ny Ohabolana 13:2 fa “tsy mieritreritra afa-tsy ny hanao herisetra” ny mpivadika. (Ampit. Ge 34:3; Sl 27:12; 35:25; 41:2.) Nantsoina hoe “alika manam-paniriana mafy” sady tsy mety afa-po, ireo mpiandry sandoka teo amin’ny Israely.​—Is 56:11, 12; ampit. Oh 23:1-3; Ha 2:5.

Fanompoana an’Andriamanitra amin’ny tena manontolo. Ilay olona manontolo mihitsy no atao hoe nefesh na psykè, araka ny voalaza tetsy aloha. Misy andininy anefa mampirisika antsika hitady an’Andriamanitra na ho tia azy sy hanompo azy amin’ny ‘fontsika manontolo sy ny tenantsika [nefesh] manontolo.’ (De 4:29; 11:13, 18) Hoy koa ny Deoteronomia 6:5: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo.” I Jesosy kosa nilaza fa tokony hanompo an’Andriamanitra amin’ny tenany manontolo sy ny heriny manontolo ary ny ‘sainy manontolo’ ny olona. (Mr 12:30; Lk 10:27) Nahoana no avahana ny sain’ilay olona sy ny fony ary ny heriny, nefa anisan’ny tenany ihany ireo? Mba hanazavana izany, dia intỳ misy ohatra: Mety hivarotra ny tenany ho andevo ny olona iray, ka lasa fananan’ilay olona nividy azy na ilay tompony. Mety tsy hanompo an’ilay tompony amin’ny fony manontolo anefa izy, satria tsy tena maniry hampifaly azy na atosiky ny fony hanao izany. Noho izany, dia mety tsy hampiasa ny heriny manontolo na ny fahaizany manontolo izy mba hanaovana tsara ny asa nampiandraiketin’ny tompony azy. (Ampit. Ef 6:5; Kl 3:22.) Navahana àry ny saina sy ny fo ary ny hery, mba hitadidian’ny Kristianina fa tokony hampiasa an’ireo koa izy rehefa manompo an’ilay Andriamanitra Tompony sy ny Zanany, izay nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho azy. Ilay olona manontolo mihitsy no manompo an’Andriamanitra ‘amin’ny tenany manontolo’, ka ampiasainy hanompoana Azy daholo ny vatany sy ny fahaizany ary ny faniriany rehetra.​—Ampit. Mt 5:28-30; Lk 21:34-36; Ef 6:6-9; Fi 3:19; Kl 3:23, 24.

Tsy mitovy amin’ny hoe roah na pneoma ny hoe nefesh na psykè. Samy hafa tanteraka ny hoe roah na pneoma sy ny hoe nefesh na psykè. Araka ny voalaza tetsy aloha, dia ilay zavamananaina mihitsy no atao hoe nefesh na psykè. Ny hery mamelona an’ilay zavamananaina kosa no atao hoe roah na pneoma. Mety hanana heviny hafa koa anefa ireo teny hebreo sy grika ireo. Milaza, ohatra, ny Hebreo 4:12 fa “manindrona [ny Tenin’Andriamanitra] ka mahavita manavaka ny miseho ivelany [psykè] sy ny any am-po [pneoma] ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka.”​—Ampit. 1Te 5:23.

Samy hafa tokoa ny hoe psykè sy pneoma rehefa dinihina izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina, momba an’ireo Kristianina hatsangana ho zavaboary ara-panahy. Ampifanoheriny ao “izay ara-nofo [psykikôn]” sy “izay ara-panahy [pneomatikôn].” Nohazavainy fa vatana “ara-nofo” toy ny an’i Adama, lehilahy voalohany, no ananan’ireo Kristianina voahosotra mandra-pahafatiny. Omena vatana ara-panahy toy ny an’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra kosa izy ireo, rehefa atsangana amin’ny maty. (1Ko 15:42-49) Nilaza zavatra mitovitovy amin’izany koa i Joda, rehefa niresaka momba an’ireo “olona araka ny nofo [psykikôi], fa tsy araka ny fanahy [pneoma].”​—Jd 19.

Azo ampiasaina amin’Andriamanitra ny hoe nefesh na psykè. Mampiasa ny hoe nefesh koa Andriamanitra ao amin’ny Baiboly mba hilazana ny tenany. (Sl 24:4; Je 6:8) Sarin-teny entina hilazana azy ho toy ny olona fotsiny anefa izany, satria “Andriamanitra dia Fanahy [Pneoma].” (Jn 4:24) Ho mora kokoa amintsika amin’izay ny hahatakatra ny mombamomba azy, toy ny rehefa lazaina fa manana maso sy tanana izy.​—Jereo JEHOVAH (Fahitana momba azy).