Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavamaniry Misy Poizina

Zavamaniry Misy Poizina

Karazana persily, voandrafy, na voninkazo pavô, hono, ilay hoe rôʼsh (na rôhsh) (heb.), nefa tsy tena fantatra hoe inona io zavamaniry io. Ilazana 1) zavamaniry mangidy sy misy poizina (Ft 3:5, 19), 2) “poizina” (De 32:33; Jb 20:16), na 3) rano misy poizina (Je 8:14; 9:15; 23:15) izy io indraindray. Oharina amin’izy io ny tsy rariny (Ho 10:4; Am 6:12) sy ny mpivadi-pinoana.​—De 29:18; ampit. As 8:23; He 12:15.

Homena “zavamaniry misy poizina” ny Mesia, hoy ny faminaniana. (Sl 69:21) Tanteraka izany, hoy i Matio (27:34), rehefa nomena divay niharo zava-mangidy i Jesosy Kristy efa hofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana mba tsy haheno maharary. Tsy nety nisotro anefa izy rehefa avy nanandrana azy io. Kôle (gr.; zava-mangidy) toy ny ao amin’ny Salamo 69:21 (LXX) no nilazan’i Matio azy. Miora kosa no nilazan’i Marka (15:23) azy. Mety ho “miora” àry, hono, ilay “zavamaniry misy poizina” na “zava-mangidy.” Mety ho nisy zava-mangidy sy miora koa anefa ilay zava-pisotro mahadomelina.