Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavatra sy Olona Nambenana

Zavatra sy Olona Nambenana

Zavatra nankinina tamin’olona nandritra ny fotoana kelikely, mba hokarakarainy sy hambenany; olona nasain’ny manam-pahefana notanana teo am-piandrasana didim-pitsarana.

Ny lalàna ao amin’ny Eksodosy 22:10-13 no tena manazava hoe inona no andraikitry ny olona nanankinana biby. Mifototra amin’ny lalàna narahin’ny loham-pianakaviana fahiny (Ge 31:39) izy io, manao hoe: “Raha mametraka ... biby fiompy ... any amin’ny namany ny olona iray, ka maty ilay biby na manjary kilemaina, na misy maka an-tsokosoko, dia ... tsy hanome onitra ilay namany. Raha nangalarina tao aminy kosa anefa izany [noho ny tsy fitandremany], dia tokony hanome onitra ho an’ny tompom-biby izy. Raha noviravirain’ny bibidia ilay biby, dia hoentiny ny fatin’ilay biby, ho porofo. Tsy hanonitra an’izay noviravirain’ny bibidia izy.”​—Ampit. Ge 30:31.

Toy ny hoe nanao fifanarahana ara-dalàna tamin’ny tompom-biby ny mpiandry izay nanaiky hiambina ny ondriny na biby fiompy hafa. Nanome toky azy izy fa homeny sakafo ireo biby, ary honerany raha misy mangalatra. Tsy notanana ho tompon’andraikitra anefa izy raha sendra ny toe-javatra tsy azo anoarana, toy ny fanafihan’ny bibidia. Tsy maintsy nisy porofo nasehony an’ilay tompom-biby anefa, ohatra hoe ny fatin’ilay biby efa rotidrotika. Tsy tokony hanameloka azy ilay tompom-biby, rehefa avy nandinika an’ilay porofo.

Nihatra foana io toro lalana io, na dia tsy biby aza ilay napetraka tamin’olona. Andraikitry ny lahimatoa teo anatrehan’ny lalàna, ohatra, ny niambina ny zandriny. Tsy mahagaga àry raha natahotra ny amin’ny ain’i Josefa i Robena lahimatoa, rehefa nitady hamono azy io ny rahalahiny, araka ny Genesisy 37:18-30. “Hoy izy: ‘Aoka isika tsy hamely azy ho faty.’ ... ‘Aza mandatsa-dra ... aza mikasi-tanana azy.’ Te hamonjy an’i Josefa teo an-tanan’ireo mantsy izy, mba hamerenany azy tany amin-drainy.” Rehefa tsy hitan’i Robena intsony i Josefa, dia nitebiteby be izy ka ‘norovitiny ny akanjony.’ Hoy izy: “Tsy ao intsony ilay zaza! Aiza re ny tany halehako e?” Fantany fa azo natao ampamoaka izy raha very i Josefa. Nampiasa hafetsena àry ny rahalahin’i Josefa mba hialana andraikitra, ka mody nilaza fa novonoin’ny bibidia izy io. Natsobok’izy ireo tao anaty ran’osy ny akanjo lava mitsipitsipika nanaovan’izy io, ary iny no porofo nasehony an’i Jakoba rainy, izay mpitsara koa. Rehefa hitan’i Jakoba ilay akanjo feno ra, dia niaiky izy fa matin’ny bibidia tokoa i Josefa ka tsy nataony ampamoaka i Robena.​—Ge 37:31-33.

Nilaza i Paoly ao amin’ny Galatianina 3:19-25 fa nampiharihary ny fandikan-dalàna ny Lalàna, ary ‘niara-natolotry ny Soratra Masina hogejain’ny ota avokoa ny zava-drehetra.’ Hoy koa izy: “Fony mbola tsy tonga anefa ny finoana, dia voambina teo ambanin’ny lalàna isika, ka niara-natolotra hogejaina avokoa. Ary ny finoana izay tsy maintsy haharihary no nandrasantsika.” An’ohatra ilay hoe “voambina” sy “hogejaina” eo. Toy ny hoe nogejaina na nambenan’ny Lalàna mantsy ny firenen’Israely, mandra-pahatongan’ny finoana an’i Kristy.

Resahin’ny Baiboly fa nisy olona voatery nambenana, toy ilay metisy israelita niteny ratsy ny anaran’i Jehovah tao an-tobin’ny Israely. Nandika ny Lalàna izy, ka ‘nambenana tsara, mandra-pahazon’izy ireo fanambarana mazava avy amin’i Jehovah.’ (Le 24:10-16, 23) Tsy azo notanana maharitra ny mpanao heloka bevava tany Israely, fa tokony hosazina avy hatrany. (Js 7:20, 22-25) Nila nohazavaina kokoa anefa ny lalàna, mba hahalalana hoe inona no hatao amin’ilay metisy israelita sy ilay nandika ny Sabata resahin’ny Nomery 15:32-36. Nampiharina avy hatrany kosa ny sazy, raha vao nazava ny toromarik’i Jehovah. Nambenana tao am-ponja i Petera sy ny apostoly hafa, na dia tsy ara-drariny aza izany, mandra-pisehon’izy ireo teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy ny ampitson’iny. (As 4:3; 5:17, 18) Nohazonina na nambenana koa i Jeremia. Tsy ara-drariny ilay izy, satria natao tao am-ponja mihitsy izy fa tsy hoe niandry fitsarana fotsiny.​—Je 37:21.