Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavona

Zavona

Piti-drano maro be faran’izay madinika mihevaheva eny amin’ny rivotra, ary toy ny setroka no fahitana azy. Inona no mahatonga azy? Rehefa miakatra miala amin’ny tany ny rivotra mafana sy mando ka lasa mangatsiaka, dia mivadika ho rano ny hamandoana ao aminy satria tsy mahazona rano firy ny rivotra mangatsiaka raha oharina amin’ny rivotra mafana. Antsoina hoe zavona iny hamandoana lasa piti-drano iny, raha etỳ akaikin’ny tany no mitranga izany. Antsoina hoe rahona kosa ilay izy, raha eny amin’ny lanitra izany no mitranga. (Sl 135:7; Oh 25:14; Je 10:13; 51:16) Ando indray no iantsoana ny rano kely mipetraka amin-javatra mangatsiaka, ohatra hoe ny tany na ny zavamaniry, rehefa mivadika ho rano ny hamandoana ao amin’ny rivotra (matetika izany no mitranga amin’ny alina).​—Ek 16:13, 14; Mpts 6:36-40; jereo ANDO.

Mifanaraka amin’ny siansa ny fomba kanto ilazan’ny Baiboly ny fiforonan’ny zavona. Nohazavain’i Eliho izay ataon’i Jehovah, ilay loharanon’ny hafanana sy ny angovo rehetra, mba hisian’ny zavona: Ataon’i Jehovah aloha izay hampiakarana ny hamandoana avy etỳ an-tany. Avelany hitete tsikelikely izany avy eo, ary toy ny hoe tatavaniny ka mirotsaka ho orana sy zavona (heb.: ʼed).​—Jb 36:27, 28.

Ankoatra ny Joba 36:27, dia ny Genesisy 2:6 ihany no ahitana an’ilay teny hebreo hoe ʼed (zavona). Tantaraina ao ny zava-nisy teto an-tany, tamin’ny iray tamin’ireo andro famoronana. “Tsy nampilatsaka orana tamin’ny tany i Jehovah Andriamanitra. ... Fa nisy zavona kosa niakatra avy tamin’ny tany [avy tamin’ny renirano sy ny farihy ary ny ranomasina] ka nandena ny tany rehetra.” (Ge 2:5, 6) Misy mpandika Baiboly (DIEM, DPV) anefa mihevitra fa tsy zavona ilay izy fa loharano. Te hilaza izy ireo fa rano nifantsitsitra avy tany ambanin’ny tany no nanondraka ny tany.

Heviny an’ohatra. Nisy mpilalao ody sady mpaminany sandoka atao hoe Barjesosy (Elyma), tao Pafo, tany amin’ny nosy Sipra. Nanohitra an’i Paoly izy io, tamin’i Paoly nitory tamin’i Sergio Paolo governoram-paritra. Nilazana àry izy fa hamely azy ny tanan’i Jehovah ka ho jamba mandritra ny fotoana kelikely izy. “Teo no ho eo ihany, dia nisy zavona matevina sy haizina nanarona azy.” Angamba lasa nanjavona ny fahitany, ary vetivety taorian’izay dia lasa maizina tanteraka. Nampiasa an’ilay teny hoe aklys (zavona matevina) i Lioka teo, ary voambolana fampiasan’ny dokotera izy io.​—As 13:4-11.

Nampitandrina an’ireo Kristianina ny apostoly Petera fa hiditra mangingina eo anivon’ny fiangonana ireo mpampianatra sandoka sy ireo mitaona ny hafa hivadika. Hoy izy momba azy ireo: “Loharano ritra izy ireo, zavona entin’ny tafio-drivotra, ary notehirizina ho azy ny fahamaintisan’ny haizina.” Matetika no diso fanantenana ireo mpanao dia lavitra any Israely sy ny firenena manodidina azy rehefa mahita loharano na lavadrano, satria manantena ny hahazo rano mamelombelona izy ireo nefa lavadrano ritra no sendra azy. Fahita any Palestina koa indraindray, amin’ny volana Aogositra, ny rahona manify (toy ny zavona) avy any andrefana, izay tsy mitondra orana. Ahoana raha misy mpamboly manantena orana avy amin’ireny rahona ireny? Ho diso fanantenana tanteraka izy. Handiso fanantenana toy izany koa ireo mpampianatra sandoka sy ratsy fitondran-tena ireo. Hoy mantsy i Petera: “Fa teny fireharehana sy tsy mahasoa no lazain’izy ireo. Ary ny fanirian’ny nofo sy ny fitondran-tena baranahiny no itaomany olona, dia ireo vao afa-niala tamin’olona manana fitondran-tena tsy mety. Fahafahana no ampanantenainy azy ireo, nefa ny tenany aza andevon’ny fahalotoana.”​—2Pe 2:1, 17-19.

Ampirisihina ny Kristianina mba hieritreritra an’i Jehovah rehefa mikasa ny hanao zavatra. Tsy tokony hihevitra izy ireo hoe tsy maintsy ho vitany izay kasainy hatao. Tokony hitadidy kosa izy ireo fa mandalo ihany ny fiainana ary tsy fantatra izay havoakan’ny ampitso. Zavona miserana vetivety mantsy izy ireo.​—Jk 4:14; jereo RAHONA.