Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zebola

Zebola

(Zebòla) [Fileferana; na mety hidika hoe Fonenana Manerinerina].

Mpiadidy tao an-tanànan’i Sekema, ary mpanompon’i Abimeleka zanakalahin’i Gideona. Nitaona ny mponina tao Sekema hikomy tamin’i Abimeleka i Gala sy ny rahalahiny. Nampahafantarin’i Zebola an’i Abimeleka ilay toe-javatra. Nasain’i Zebola hivoaka hiady i Gala (lehiben’ny mpikomy) avy eo, ka hoy izy: “Aiza amin’izay ilay vavanao?” Resy ireo Sekemita mpikomy, ary noroahin’i Zebola tsy honina tao Sekema intsony i Gala sy ny rahalahiny.​—Mpts 9:26-41.