Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zebra

Zebra

[Heb.: pereʼ].

Biby anisan’ny fianakaviamben’ny soavaly. Hoatran’ny an’ny ampondradia ny fahazarany sy bikany, fa ny tsipika mainty na matroka amin’ny vatany no mampiavaka azy. Mitambatambatra be ny fahitana an’ireny tsipika ireny, ka matetika na maso efa zatra mahita zebra aza tsy mahatazana azy, na dia eo amin’ny 40 na 50 m monja aza izy. Matsilo maso sy mora mahare fofona ary haingam-pandeha be ny zebra, ka tsy mora azon’ny mpiremby. Mbola mahavita 64 km/ora, hono, izy rehefa avy mirifatra be amin’ny voalohany iny. Fiadiana maharo azy tsara koa ny kitrony sy nifiny.

Bibidia sarotra folahina ny zebra (Jb 24:5; 39:5; Is 32:14), ary ahi-maitso no tena fihinany. (Jb 6:5; Je 14:6) Misotro rano matetika izy (Sl 104:11), ka mazàna no tsy miala mihoatra ny 8 km amin’ny toerana misy rano.

Mafy loha ny zebra ary mahery be ny filany rehefa mitady lahy izy, ka noharina taminy ireo Israelita te hahaleo tena sy nanitsakitsa-bady. (Je 2:24; Ho 8:9) “Toy ny zebra” i Ismaela zanak’i Abrahama, hoy ny anjelin’i Jehovah. Tsy ho laitra fehezina angamba izy, matoa “ny tanany hanohitra ny rehetra.”​—Ge 16:12.

Azo adika hoe “boriki-dia” koa ilay hoe pereʼ (heb.).​—Jb 6:5, Prot.