Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zedekia

Zedekia

(Zedekìa) [Fahamarinana i Jehovah].

1. “Zanak’i Kenana.” Mpaminany sandoka izy, ary nanome toky an’i Ahaba Mpanjaka fa ho azony eo an-tanan’ny Syrianina i Ramota-gileada. “Nanamboatra tandroka vy” mihitsy i Zedekia mba hanaporofoana fa ho vitan’i Ahaba ny hanoto ny Syrianina mandra-pandringany azy ireo tanteraka. Nasian’i Zedekia tehamaina i Mikaia mpaminanin’i Jehovah, noho izy naminany fa hisy loza hanjo an’i Ahaba.​—1Mp 22:11, 23, 24; 2Ta 18:10, 22, 23.

2. Andriana tamin’ny andron’i Joiakima Mpanjaka.​—Je 36:12.

3. “Zanak’i Mahaseia.” Nanitsakitsa-bady sy naminany lainga teo amin’ireo Jiosy tany an-tsesitany tany Babylona izy. Naminany i Jeremia fa hodoran’i Nebokadnezara Mpanjaka ao anaty afo i Zedekia sy Ahaba namany.​—Je 29:21-23.

4. Zanakalahin’i Josia ary i Hamotala no reniny. Izy no mpanjakan’ny Joda farany tao Jerosalema. Matania no anarany taloha, fa novan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona hoe Zedekia rehefa avy nataony ho mpanjaka teo ambany fahefany. Nanjaka 11 taona i Zedekia ary “nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy.”​—2Mp 24:17-19; 2Ta 36:10-12; Je 37:1; 52:1, 2.

Milaza ny 1 Tantara 3:15 fa zanakalahin’i Josia “fahatelo” i Zedekia. Zanaka fahefatra anefa izy, raha ny marina. (Ampit. 2Mp 23:30, 31; 24:18; Je 22:11.) Noho izy nanjaka ela kokoa fotsiny angamba no nahatonga azy nalahatra talohan’i Saloma (Joahaza) rahalahiny iray tam-po aminy.

Naratra mafy i Josia Mpanjaka ka maty, rehefa nitady hifanandrina tamin’ny tafika ejipsianina notarihin’i Farao Neko (t. 629 T.K.). Vao sivy taona teo ho eo i Zedekia tamin’izay, izany hoe zokin’i Joiakina (zana-drahalahiny) telo taona teo ho eo. Tamin’izay dia nataon’ny olona ho mpanjaka i Joahaza, rahalahin’i Zedekia iray tam-po taminy. Efa 23 taona i Joahaza ary nanjaka telo volana monja izy, satria nesorin’i Farao Neko tsy ho mpanjaka ary nosoloany an’i Eliakima (novana anarana hoe Joiakima) izay 25 taona. Rahalahy hafa reny amin’i Joahaza sy Zedekia i Joiakima. Rehefa maty i Joiakima, dia nanomboka nanjaka i Joiakina zanany. Toa tamin’izay no nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafika babylonianina notarihin’i Nebokadnezara Mpanjaka. Nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babylona i Joiakina rehefa avy nanjaka telo volana sy folo andro (617 T.K.).​—2Mp 23:29–24:12; 2Ta 35:20–36:10.

Nanomboka nanjaka. Nanao an’i Zedekia ho mpanjaka tao Jerosalema i Nebokadnezara taorian’izay, ary nampianiana azy tamin’ny anaran’i Jehovah. Tsy maintsy nanaiky ny ho mpanjaka eo ambany fahefany foana àry i Zedekia, noho io fianianana io.​—2Ta 36:10, 11; Ezk 17:12-14; ampit. 2Ta 36:13.

Vao nanjaka kelikely i Zedekia, dia tonga tany aminy ny iraka avy tany Edoma sy Moaba sy Amona sy Tyro ary Sidona, angamba mba hitaona azy hiaraka amin’izy ireo hikomy tamin’i Nebokadnezara. (Je 27:1-3; mety ho fahadisoan’ny mpanao dika soratra ilay hoe Joiakima ao amin’ny andininy voalohany, fa Zedekia no tokony ho eo; jereo TV f.a.p.) Tsy lazain’ny Soratra Masina hoe inona no nataon’ireo iraka ireo. Tsy nahomby angamba izy ireo, matoa i Jeremia nampirisika an’i Zedekia sy ny vahoaka mba hanaiky foana ny mpanjakan’i Babylona. Nomen’i Jeremia zioga koa ireo iraka mba hampisehoana fa tokony hanaiky an’i Nebokadnezara toy izany koa ny firenena niavian’izy ireo.​—Je 27:2-22.

Naniraka an’i Elasa sy Gemaria tany Babylona i Zedekia teo am-piandohan’ny fitondrany (tsy lazain’ny Baiboly ny anton’izany). Tokony ho tany amin’ny taona fahefatra nanjakan’i Zedekia izany no nitranga, raha milahatra araka ny fotoana nisehoany ilay tantara.​—Je 28:1, 16, 17; 29:1-3.

Nankany Babylona mihitsy i Zedekia tamin’ny taona fahefatra nanjakany, angamba mba hanatitra hetra sy hanome toky an’i Nebokadnezara fa tsy nivadika taminy izy. Niaraka taminy tamin’izay i Seraia mpiandraikitra ny sakafon’ny miaramila. Io Seraia io no nampitondrain’i Jeremia horonana nisy ny fanamelohan’i Jehovah an’i Babylona.​—Je 51:59-64.

Herintaona teo ho eo taorian’izay i Ezekiela no nanomboka naminany tamin’ireo Jiosy tany an-tsesitany tany Babylonia. (Ezk 1:1-3; ampit. 2Mp 24:12, 17.) Tamin’ny volana fahenina tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Zedekia (612 T.K.), dia hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana ny fanompoan-tsampy natao tany Jerosalema, anisan’izany ny fivavahana tamin’i Tamoza sy ny masoandro.​—Ezk 8:1-17.

Nikomy tamin’i Nebokadnezara. Telo taona teo ho eo taorian’izay (t. 609 T.K.), dia nikomy tamin’i Nebokadnezara i Zedekia ka nangataka fanampiana ara-tafika tany Ejipta. Nanohitra ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia izy tamin’izay, sady nivadika tamin’ilay fianianana nataony tamin’ny anaran’i Jehovah. (2Mp 24:20; 2Ta 36:13; Je 52:3; Ezk 17:15) Tonga hamely an’i Jerosalema àry ny tafika babylonianina notarihin’i Nebokadnezara, ka nanao fahirano azy nanomboka “tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy.”​—Ezk 24:1-6.

Mety ho teo am-piandohan’io fahirano io i Zedekia no naniraka an’i “Pasora zanak’i Malkia sy Zefania mpisorona zanak’i Mahaseia” tany amin’i Jeremia, mba hanontany an’i Jehovah raha hiala ao Jerosalema i Nebokadnezara. Nasain’i Jehovah nilaza anefa i Jeremia fa tena hahita loza avy amin’ny Babylonianina ilay tanàna sy ireo mponina tao. (Je 21:1-10) Toa nankany amin’i Zedekia mitokana i Jeremia taorian’izay, noho ny fitarihan’i Jehovah, ary nilaza taminy fa horavana i Jerosalema, ary hoentina any Babylona ny mpanjaka, ka any izy no ho faty amim-piadanana.​—Je 34:1-7.

Nandritra ilay fahirano dia nanapa-kevitra i Zedekia sy ny andrianany tao Jerosalema fa hankatò ny lalàn’i Jehovah, mba hahazoana sitraka aminy. Mbola tsy taon-jobily akory tamin’izay, nefa nanao fifanekena izy ireo fa hanafaka an’ireo mpanompony hebreo. Nivadika tamin’ilay fifanekena anefa izy ireo tatỳ aoriana, ka nanandevo indray an’ireo mpanompo efa nafahany. (Je 34:8-22) Toa nanao izany izy ireo rehefa tonga mba hiaro an’i Jerosalema ny tafik’i Ejipta, ka nisintaka vetivety ny Babylonianina mba hifanandrina tamin’ny Ejipsianina. (Je 37:5) Nihevitra angamba izy ireo hoe ho resy ny Babylonianina ary tsy hanao fahirano intsony ka ho afa-doza izy ireo. Nalainy àry ireo mpanompo hebreo efa nalefany ka nampiasainy indray.

Tamin’izany fotoana izany no nirahin’i Zedekia tany amin’i Jeremia i “Jehokala zanak’i Selemia sy Zefania zanak’i Mahaseia mpisorona.” Nasain’izy ireo nivavaka tamin’i Jehovah ho an’ny vahoaka ilay mpaminany, mba tsy ho ringana i Jerosalema. Tsy niova anefa ny didim-pitsaran’i Jehovah, araka ny valin-teny nampitondrainy an’i Jeremia: Hiverina ny Kaldeanina ary handrava an’i Jerosalema.​—Je 37:3-10.

Tatỳ aoriana, dia nanapa-kevitra ny hiala tao Jerosalema i Jeremia mba ho any amin’ny tanin’i Benjamina, saingy nosamborina teo amin’ny Vavahadin’i Benjamina izy sady nampangaina ho nitolo-batana tamin’ny Kaldeanina. Nolavin’i Jeremia ilay fiampangana nefa tsy nihaino azy i Jiria, manamboninahitra mpiambina vavahady, fa nitondra azy tany amin’ireo andriana. Natao am-ponja tao amin’ny tranon’i Jonatana àry i Jeremia. Nampaka azy i Zedekia rehefa afaka andro maro (efa niverina nanao fahirano an’i Jerosalema indray ny Babylonianina tamin’izay). Rehefa nanontany an’i Jeremia ilay mpanjaka dia novaliany fa hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona i Zedekia. Nitalaho i Jeremia mba tsy haverina tany amin’ilay tranon’i Jonatana, ka nasain’i Zedekia nohazonina tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina izy.​—Je 37:11-21; 32:1-5.

Mpanjaka tsy nanana hazondamosina i Zedekia. Hoy mantsy izy, raha vao nangataka ny hamonoana an’i Jeremia ireo andriana satria, hono, nampiraviravy tanana ny vahoaka: “Eo am-pelatananareo izy. Tsy misy na inona na inona azon’ny mpanjaka atao ange hanakanana anareo e!” Taorian’izay anefa, dia nekeny ny fangatahan’i Ebeda-meleka hanavotra an’i Jeremia, ary nasainy nitondra 30 lahy izy mba hanampy azy tamin’izany. Tatỳ aoriana, dia nihaona mangingina tamin’i Jeremia indray i Zedekia. Nomeny toky ilay mpaminany fa tsy hamono azy izy ary tsy hanolotra azy ho eo an-tanan’ireo nifofo ny ainy. Natahotra an’ireo nitolo-batana tamin’ny Kaldeanina anefa i Zedekia, ka tsy narahiny ny torohevitr’i Jeremia hoe tokony hivoaka ho eny amin’ireo andrianan’i Babylona izy. Vao mainka niharihary fa natahotra ilay mpanjaka, satria nofeperany i Jeremia mba tsy hilazalaza ilay resak’izy ireo, tamin’ireo andriana efa kaodikaody.​—Je 38:1-28.

Resy i Jerosalema. Farany (607 T.K.), dia voagorobaka ny mandan’i Jerosalema “tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakan’i Zedekia.” Nandositra tamin’ny alina i Zedekia sy ireo lehilahy mpiady. Tratra tao amin’ny lemaka karakaina any Jeriko anefa izy ireo. Nosamborina i Zedekia, ka nentina tany amin’i Nebokadnezara tany Ribla, ary novonoina teo imasony ireo zanany lahy. Azo inoana fa mbola kely ireo zanany ireo satria vao 32 taona monja izy tamin’izay. Rehefa avy nahita ny namonoana ny zanany i Zedekia, dia nopotsirina ny masony ary nofatorana tamin’ny gadra varahina izy ka nentina tany Babylona, ary natao am-ponja mandra-pahafatiny.​—2Mp 25:2-7; Je 39:2-7; 44:30; 52:6-11; ampit. Je 24:8-10; Ezk 12:11-16; 21:25-27.

5. Zanakalahin’i Jekonia (Joiakina), fa toa tsy anisan’ireo zanany fito teraka tamin’izy nigadra tany Babylona.​—1Ta 3:16-18.

6. Mpisorona na razamben’ny mpisorona, izay anisan’ireo nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” natao tamin’ny andron’i Nehemia Governora.​—Ne 9:38; 10:1, 8.