Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zefania

Zefania

(Zefanìa) [Nanafina (Nitahiry) i Jehovah].

1. Levita iray hita ao amin’ilay tetirazana manomboka amin’i Kehata ka hatrany amin’i Samoela sy Hemana.​—1Ta 6:33-38.

2. Mpaminanin’i Jehovah tany Joda, tany am-piandohan’ny andro nanjakan’i Josia. Izy no nanoratra ny boky mitondra ny anarany. Mety ho zafindohalik’i Hezekia Mpanjaka izy.​—Ze 1:1; jereo ZEFANIA, BOKIN’I.

3. Lohany teo amin’ny mpisorona, nandritra ny folo taona farany nisian’ny fanjakan’ny Joda. Zanak’i Mahaseia izy. Indroa i Zefania no nirahin’i Zedekia nankany amin’i Jeremia: Voalohany mba hanontany ny hoavin’i Joda, ary tatỳ aoriana mba hiangavy an’i Jeremia hivavaka ho azy ireo. (Je 21:1-3; 37:3) Naharay taratasy avy tamin’ny mpaminany sandoka iray tany Babylona i Zefania (taratasy nampirisika azy hiteny mafy an’i Jeremia). Tsy nety anefa i Zefania, fa novakiny tamin’i Jeremia ilay taratasy. Nosoratan’i Jeremia àry ny valin-tenin’i Jehovah. (Je 29:24-32) Rehefa resy i Jerosalema, dia nentina tany amin’i Nebokadnezara tany Ribla i Zefania, ary novonoina tany. Mpisorona lefitr’i Seraia izy tamin’izay.​—Je 52:24, 26, 27; 2Mp 25:18, 20, 21.

4. Rain’i Josia na Hena. Velona taorian’ny sesitany io zanany io, ary anisan’ireo nanome volafotsy sy volamena mba hanaovana satroboninahitra ho an’i Josoa Mpisoronabe.​—Za 6:10, 11, 14.