Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zefania, Bokin’i

Zefania, Bokin’i

Boky ao amin’ny Soratra Hebreo ahitana ny teny nampilazain’i Jehovah an’i Zefania mpaminany. Naminany tamin’ny andron’i Josia mpanjakan’ny Joda (659-629 T.K.) i Zefania. (Ze 1:1) Nanao ezaka manokana hanafoanana ny fanompoan-tsampy i Josia tamin’ny taona faha-12 nanjakany, tamin’izy 20 taona teo ho eo. “Nanaraka an’i Jehovah” foana àry ny vahoaka, nanomboka tamin’ny taona faha-18 nanjakany ka mandra-pifaran’ny fitondrany. (2Ta 34:3-8, 33) Nosoratana talohan’ny fanavaozana nataon’i Josia tamin’ny 648 T.K. tany ho any ilay boky, matoa milaza fa mbola nisy mpisoron’ny andriamani-kafa tao Joda, ary nisy nivavaka tamin’i Bala sy ny zavatra eny amin’ny lanitra.​—Ze 1:4, 5.

Nanjaka tao Joda ny fanompoan-tsampy sy herisetra ary fitaka, rehefa nanomboka naminany i Zefania. Maro no nilaza anakampo hoe: “Sady tsy hanao soa i Jehovah no tsy hanisy ratsy.” (Ze 1:12) Naminany anefa i Zefania fa hovalian’i Jehovah ny nataon’ireo mpanao ratsy tsy nibebaka. (1:3–2:3; 3:1-5) Tsy i Joda sy Jerosalema ihany no hiharan’ny didim-pitsarany fa i Filistia, Amona, Moaba, Etiopia, ary Asyria koa.​—2:4-15.

Tena nampahery an’ireo niezaka nanompo an’i Jehovah ny faminanian’i Zefania. Ory dia ory mantsy izy ireo nahita ny zava-maharikoriko nataon’ny mponin’i Jerosalema, anisan’izany ireo andriana sy mpitsara ary mpisorona ratsy fanahy. (Ze 3:1-7) Nilazana toy izao ireo olona tso-po naniry mafy ny hampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy: “‘Miandrasa ahy’, hoy i Jehovah, ‘mandra-pahatongan’ny andro hitsanganako haka babo. Fa izao no didim-pitsarako: Hanangona firenena sy hamory fanjakana aho, mba hampiharako ny fanamelohako sy hanamparako ny fahatezerako rehetra amin’izy ireo.’” (3:8) Hitsinjo ny sisa amin’ny Israely anefa i Jehovah ka hampody azy ireo avy any an-tsesitany. Hataony izay hahatonga azy ireo hitondra fiderana sy hahazo laza tsara any amin’ny firenena rehetra.​—3:10-20.

Anisan’ny Soratra Masina. Hita any amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly matetika ny hevitra resahin’ny bokin’i Zefania. (Ampitahao Ze 1:3 sy Ho 4:3; Ze 1:7 sy Ha 2:20 ary Za 2:13; Ze 1:13 sy De 28:30, 39 ary Am 5:11; Ze 1:14 sy Jl 1:15; ary Ze 3:19 sy Mi 4:6, 7.) Mifanaraka tsara amin’ny fahamarinana resahin’ny Soratra Masina koa izay voalaza ao, toy ny hoe: Andriamanitra tia rariny i Jehovah (Ze 3:5; De 32:4); tsy avelany ho afa-maina ireo mpandika lalàna, na dia omeny fotoana hibebahana aza (Ze 2:1-3; Je 18:7-11; 2Pe 3:9, 10); tsy hahavonjy ny ratsy fanahy ny volafotsy sy volamena amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah (Ze 1:18; Oh 11:4; Ezk 7:19); ary tsy maintsy mankatò ny didim-pitsaran’Andriamanitra izay olona te ho voaro.​—Ze 2:3; Am 5:15.

Ekena ho anisan’ny Soratra Masina koa ny bokin’i Zefania satria tanteraka ny faminaniana ao. Rava tokoa i Ninive renivohitr’i Asyria tamin’ny 632 T.K. (Ze 2:13-15), ary rava i Joda sy Jerosalema tamin’ny 607 T.K. (Ze 1:4-18; ampit. 2Mp 25:1-10.) Nahita loza koa ny Etiopianina rehefa resin’i Nebokadnezara i Ejipta, satria niray dina tamin’ny Ejipsianina izy ireo. (Ze 2:12; ampit. Ezk 30:4, 5.) Lasa tsy nisy intsony koa ny firenena amonita sy moabita ary filistinina.​—Ze 2:4-11.

[Efajoro, pejy 1226]

HEVITRA MISONGADINA: ZEFANIA

Hafatra fanamelohana an’i Joda sy Jerosalema ary firenena maro hafa; fanambarana fa honenana indray i Jerosalema

Nosoratan’i Zefania raha vao nanjaka kelikely i Josia, talohan’ireo fanavaozana nataony tamin’ny 648 T.K. tany ho any

Akaiky ny andro fitsaran’i Jehovah (1:1–2:3)

Haripak’i Jehovah tsy ho eny ambonin’ny tany ny zava-drehetra

Haringana izay rehetra nanompo sampy tao Joda sy Jerosalema, nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah sy ny an’andriamani-diso, tsy nanompo an’i Jehovah intsony, na tsy nitady azy

Hovaliana ny nataon’ireo andriana sy ireo mahery setra ary mpamitaka; ho fongana ny harena sy fananan’ireo mihevitra fa tsy hanao soa i Jehovah sady tsy hanisy ratsy

Ho avy ny andron’i Jehovah, izay andro fahatezerana; tsy hahavonjy na ny volafotsy na ny volamena

Tokony hitady an’i Jehovah ny mpandefitra amin’ny tany ary hikatsaka fahamarinana sy fandeferana; angamba ho voafina amin’ny andro fahatezerany

Hofaizina ireo firenena manodidina an’i Joda mbamin’i Etiopia sy Asyria (2:4-15)

Horavana i Filistia; ho lao toa an’i Sodoma i Moaba, ary ho toa an’i Gomora i Amona noho izy nandatsa ny olon’i Jehovah

Ho lavon-tsabatra ny Etiopianina; ho rava i Asyria; ho rava koa i Ninive ka bibidia no honina any

Nikomy sy nanao ratsy i Jerosalema (3:1-7)

Hotsaraina koa i Jerosalema, tanàna nampahory; tsy natoky an’i Jehovah izy sady tsy nanatona azy; nanampatra fahefana mba hanaovan-dratsy ny andrianany, mpitsarany, mpaminaniny, ary mpisorony

Tsy niova sy tsy natahotra an’i Jehovah ilay vahoaka, na dia nahita ny nampiharana ny didim-pitsarany tamin’ny firenen-kafa aza

Hanampatra ny fahatezerany i Jehovah, hampody an’ireo sisa (3:8-20)

Hanampatra ny fahatezerany amin’ireo firenena sy fanjakana i Jehovah

Homena fiteny madio ny olona mba hiantso ny anarany sy hanompo azy amim-piraisan-kina

Izay manetry tena sy tsy mieboebo no ho sisa tavela amin’ny Israely ka harovan’Andriamanitra

Hofaizina izay rehetra nampahory ny Israely; hatao izay hahatonga an’ireo nampodiana “hitondra fiderana any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany”