Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zelza

Zelza

(Zelzà).

Toerana tao amin’ny faritanin’i Benjamina. Nilazana i Saoly fa hisy lehilahy roa hifanena aminy “eo akaikin’ny fasan’i Rahely, ao Zelza any amin’ny faritanin’i Benjamina”, ary hilaza vaovao aminy momba ireo ampondravavin-drainy very. Famantarana izany fa voatendry ho mpitarika ny Israely tokoa i Saoly. (1Sa 10:1, 2, 7) Na “Zelza” aza no ao amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta, dia tsy izany no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, fa hoe “mitsambikina ambony be.” Toerana tsy fantatra, ‘teny amin’ny lalana avy any Betela mankany Betlehema’ no nandevenana an’i Rahely (Ge 35:16-20), ka tsy fantatra izay nisy an’i Zelza.