Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zemaraima

Zemaraima

(Zemaràima).

1. Tanànan’ny fokon’i Benjamina, tanisaina miaraka amin’i Betela, saingy tsy fantatra izay nisy azy. (Js 18:21, 22) Misy milaza hoe tany avaratratsinanan’i Betela no nisy azy io.

2. Tendrombohitra iray tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Teo i Abia mpanjakan’ny Joda no niampanga an’i Jeroboama sy ny foko folon’ny Israely ho nanda ny fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida momba ilay Fanjakana. Toa tsy lavitra teny no nisy an’i Betela. (2Ta 13:4, 19) Mety ho avy tamin’ny anaran’i Zemaraima tanànan’ny Benjamita ny anaran’ny Tendrombohitra Zemaraima. Mbola tsy fantatra anefa ny toerana tena nisy an’io tendrombohitra io.