Zemarita
(Zemarìta).
Fianakaviambe na foko avy tamin’i Kanana, zanakalahin’i Hama. (Ge 10:15, 18; 1Ta 1:13, 16) Nonina tany amin’ny faritra avaratry ny morontsirak’i Fenisia ireo Kananita ireo, matoa voatonona eo anelanelan’ny “Arvadita” (mponin’i Arvada, nosy akaikin’ny morontsirak’i Fenisia) sy ny “Hamatita” (azo inoana fa mponin’i Hamata tany Syria). Nahitsin’ny Baiboly sasany ny Ezekiela 27:8 (RS; BE; La Sainte Bible) ka lasa hoe “olona [hendry] mahay avy any Zemera.” Ny tanànan’ny Zemarita, hono, io Zemera io, ary mety ho i Tell Kazel, 35 km eo ho eo avaratratsinanan’i Tripoli. Toy izao anefa ilay andininy raha jerena ny soratra hebreo tany am-boalohany: ‘Ny olona havanana teo aminao, ry Tiro ô!’ (DIEM) Misy indray milaza fa tany Somra, tanàna amoron-tsiraka eo anelanelan’i Tripoli sy Arvada, ny Zemarita.