Zeosy, Zanakalahin’i
Dioscures na “Zanakalahin’i Zeosy” no niantsoana an’i Castor sy Pollux, kambana mirahalahy zanak’i Leda sy Zeosy (Jopitera) andriamanitra, araka ny angano grika sy romanina. Mpiaro an’ireo tantsambo, hono, izy ireo ka afaka namonjy an’ireo tantsambo notandindomin-doza teny an-dranomasina. Ilay afon’i Md. Elme (hazavana toy ny tselatra miseho indraindray eo amin’ny tendron’ny andrin-tsambo), hono, no namantarana fa teo izy ireo rehefa nisy oram-baratra. Nisy sarin’ny “Zanakalahin’i Zeosy” ny lohan’ilay sambo nandehanan’i Paoly avy tany Malta ho any Potioly, tamin’izy nentina ho any Roma. Nisy ny anaran’i Castor sy ny sariny na ny marika amantarana azy angamba teo amin’ny ilan’ilay lohan-tsambo, ary ny an’i Pollux teo amin’ny ilany.—As 28:11.