Zereraha
(Zereràha).
Nandositra “hatrany Beti-sita sy Zereraha” ny Midianita rehefa resin’ny tafik’i Gideona. Nenjehiny izy ireo ka “tonga hatrany amin’ny sisin’i Abela-mehola, any akaikin’i Tabata.”—Mpts 7:22.
Tsy Zereraha fa “Zareda” no hita ao amin’ny sora-tanana hebreo 20. I Zareda ihany anefa no i Zaretana araka ny 2 Tantara 4:17 izay mifanitsy amin’ny 1 Mpanjaka 7:46, ka izany no ilazan’ny sasany hoe tao Zaretana ihany no nisy an’i Zereraha.—Jereo ZARETANA.
Raha midika hoe ‘mihazo ny lalana mankany Zereraha’ ilay hoe “hatrany ... Zereraha” dia izay ihany vao azo lazaina hoe tany Zaretana no nisy an’i Zereraha, satria toa mbola lavitra be tany atsimon’i Abela-mehola no nisy an’i Zaretana. Raha tsy izany kosa dia teo anelanelan’i Beti-sita sy Abela-mehola no nisy an’i Zereraha, ka tsy fantatra ny tena toerana nisy azy.