Zeroia
(Zeròià) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “balsama”].
Anabavin’i Davida Mpanjaka (mety ho iray tam-po taminy na hafa ray), ary renin’i Joaba sy Abisay ary Asahela. Rahavavin’i Zeroia i Abigaila. Voalaza hoe “zanakavavin’i Nahasy” i Abigaila, fa i Zeroia kosa tsy lazaina mivantana hoe zanany vavy. (2Sa 17:25) Voalaza koa hoe ‘anabavin’ireo’ zanakalahin’i Jese i Zeroia sy Abigaila. (1Ta 2:16) Mety hoe zana-badin’i Jese àry izy mirahavavy, izany hoe efa nanambady an’i Nahasy io reniny io talohan’ny nanambadiany an’i Jese. Anabavin’i Davida hafa ray àry i Abigaila sy Zeroia. (Jereo ABIGAILA No. 2; NAHASY No. 2.) Toa zokin’i Davida taona maro be i Zeroia, satria nitovitovy taona tamin’ireo zanany lahy i Davida. Matetika no lazaina hoe zanak’i Zeroia ireo zanany telo lahy, izay lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida. (2Sa 2:13, 18; 16:9) Tsy misy zavatra voaresaka momba ny rain’izy ireo afa-tsy ny hoe nalevina tao Betlehema izy.—2Sa 2:32.