Zifa
(Zìfa).
1. Taranak’i Joda avy tamin’i Jehalalila.—1Ta 4:15, 16.
2. Tanàna iray tany amin’ny faritra atsimon’i Joda, saingy tsy fantatra ny toerana nisy azy.—Js 15:21, 24.
3. Tanàna tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. (Js 15:20, 48, 55, 57) Toa io ihany ilay Zifa lazain’ny 1 Tantara 2:42 fa nanana an’i Mesa ho ‘rainy.’ Maro ny mpahay jeografia milaza azy io ho i Tell Zif, tokotokony ho 6 km any atsimoatsinanan’i Hebrona. Niafina tany an-tany efitra nanodidina an’i Zifa i Davida, ary indroa ny lehilahy tao no nanoro ny toerana niafenany tamin’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 23:14, 15, 19, 24, 29; 26:1, 2; ampit. Sl 54:t.m.) Toa ity ilay Zifa nohamafisin’i Rehoboama tatỳ aoriana.—2Ta 11:5-8.