Zikry
(Zikrỳ) [fanafohezana ny hoe Zakaria, izay midika hoe “Nahatadidy i Jehovah”].
1. Zanakalahin’i Jizara, ary ny anarany no voatonona fahatelo. Levita zafikelin’i Kehata izy.—Ek 6:18, 21.
2, 3, 4. Telo lahy lohan’ny fianakaviambe tao amin’ny fokon’i Benjamina. Nonina tao Jerosalema izy ireo, ka ny iray zanak’i Simey na taranany, ny iray zanak’i Sasaka na taranany, ary ny iray zanak’i Jerohama na taranany.—1Ta 8:1, 19, 21, 23, 25, 27, 28.
5. Zanakalahin’i Asafa, ary razamben’i Matania mpitendry zavamaneno taorian’ny sesitany. (1Ta 9:15) Mety ho izy ihany ilay hoe Zabdy (Ne 11:17) na Zakora.—1Ta 25:2, 10; Ne 12:35.
6. Levita taranak’i Mosesy avy tamin’i Eliezera. Izy no ray na razamben’i Selomota, izay voatendry hiandraikitra ny zava-tsarobidy azo babo tany an’ady, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.—1Ta 26:25-27; 23:15, 17.
7. Robenita rain’i Eliezera, izay mpiadidy teo amin’ny fokony tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.—1Ta 27:16.
8. Rain’i Amasia, izay lehiben’ny tafik’i Josafata Mpanjaka. Anisan’ny fokon’i Joda izy.—2Ta 17:12, 14, 16.
9. Rain’i Elisafata, izay nanampy an’i Joiada hanongana an’i Atalia.—2Ta 23:1.
10. Mpiady mahery avy any Efraima. Tao amin’ny tafiky ny fanjakan’ny Israely nanafika an’i Joda (t. 760 T.K.) izy, ary namono olona ambony telo lahy tao amin’ny ankohonan’i Ahaza Mpanjaka, anisan’izany ny andriana iray zanak’izy io.—2Ta 28:6, 7.
11. Benjamita rain’i Joela, izay niandraikitra an’ireo Benjamita nonina tao Jerosalema taorian’ny sesitany.—Ne 11:3, 4, 7, 9.
12. Mpisorona lohan’ny fianakaviamben’i Abia, tamin’ny andron’i Joiakima mpandimby an’i Jesoa Mpisoronabe.—Ne 12:12, 17.