Zilpa
(Zilpà).
Mpanompovavin’i Lea, ary anisan’ny vadikelin’i Jakoba. Nanompo an’i Labana foana i Zilpa, fa rehefa nanambady an’i Jakoba i Lea, tamin’ny 1774 T.K., vao nomena ho mpanompon’i Lea izy. (Ge 29:24) Nihevitra i Lea fa nitsaha-jaza taorian’ny niterahany efa-dahy tamin’i Jakoba. Nomeny ho vadikelin’i Jakoba àry i Zilpa. Niteraka an’i Gada sy Asera i Zilpa, ary izy roa lahy indray nanan-janakalahy maro. (Ge 30:9-13; 35:26; 37:2; 46:16-18) Niaraka tamin’ny ankohonan’i Jakoba foana i Zilpa tamin’ny dia maro nataon’izy ireo.—Ge 32:22; 33:1, 2.