Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zimry

Zimry

(Zimrỳ).

1. Zanakalahin’i Zera sady zafikelin’i Joda.​—1Ta 2:4, 6.

2. Mpiadidy teo amin’ny fokon’i Simeona. Zanakalahin’i Salo izy. Nitondra an’i Kosby, vehivavy midianita, tao an-tobin’ny Israely izy ary nijangajanga taminy tao an-tranolainy. Novonoin’i Finehasa avy hatrany i Zimry sy Kosby. Nankasitraka izany i Jehovah, ka nitsahatra ilay loza efa nahafaty Israelita an’arivony.​—No 25:6-8, 14-18.

3. Mpanjaka fahadimy teo amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely. Nitondra tao Tirza nandritra ny fito andro i Zimry, tamin’ny 951 T.K. tany ho any. Lehiben’ny antsasak’ireo kalesin’i Elaha Mpanjaka izy talohan’izay. Raha mbola tany Gibetona anefa ny tafika, dia novonoin’i Zimry tao Tirza i Elaha, ary naripany daholo ny ankohonan’i Basa, ka nanao ny tenany ho mpanjaka izy. Fohy kely ny fotoana nitondrany. Nataon’ny tafika ho mpanjaka mantsy i Omry, ary niverina izy ireo mba hanao fahirano an’i Tirza. Niditra tao an-tranon’ny mpanjaka àry i Zimry, dia nodorany ilay trano ka kilan’ny afo tao izy. Nalaza ho nanao ratsy teo imason’i Jehovah izy. (1Mp 16:3, 4, 9-20) Mampahatsiahy ny loza nanjo an’i Zimry ny teny farany nolazain’i Jezebela, rehefa niditra toy ny mpandresy tao Jezirela i Jeho. Nanao vava taminy avy teo am-baravarankely mantsy i Jezebela hoe: “Inona moa no nanjo an’i Zimry, ilay namono ny tompony?”​—2Mp 9:30, 31.

4. Taranak’i Saoly sy Jonatana. (1Ta 8:33-36; 9:42) Voalaza fa mety ho ity Zimry ity ihany ilay No. 3. Anisan’ny ankohonan’i Saoly mantsy izy, ka mety ho niezaka ny hahazo indray ny fanjakana toa an’ilay Zimry No. 3.

5. Toa anaran-toerana saingy tsy fantatra hoe taiza. Misy mampifandray azy io amin’i Zimrana zanakalahin’i Abrahama, nefa tsy tena azo antoka ny amin’izany.​—Je 25:25; Ge 25:1, 2.