Zina, II
1. Tany efitra, nandalovan’ny Israelita tamin’izy ireo ho any Kanana. Tsy ny Tany Efitr’i Sina anefa izy io. (No 33:11, 36) Tamin’ny taona faharoa nialan’ny Israely tany Ejipta, no nijery taratra ny Tany Nampanantenaina ireo mpitsikilo 12, ka natombok’izy ireo teo amin’ny Tany Efitr’i Zina izany. Nitoby tao Kadesy ny Israelita tamin’izay. (No 13:21, 26) Tatỳ aoriana, rehefa avy nirenireny an-taonany maro tany an-tany efitra ny Israelita dia tonga fanindroany tao Kadesy, tao amin’ny Tany Efitr’i Zina. Tany ngazana io faritra io, ary tsy namafazam-boa, sady tsy nisy aviavy na voaloboka na ampongabendanitra na rano. (No 20:1-5; ampit. No 20:28; 33:38; De 1:3.) Tao amin’ny ranon’i Meriba tao Kadesy, tany amin’ny Tany Efitr’i Zina, i Mosesy sy Arona no tsy nanamasina ny anaran’i Jehovah teo anatrehan’ny vahoaka ka tsy nahazo nankao amin’ny Tany Nampanantenaina.—No 27:12-14; De 32:50, 51.
‘Nifanila tamin’i Edoma’ (teo andrefany) ny Tany Efitr’i Zina, ary teo amin’ny sisiny atsimoatsinanan’ny anjara tanin’ny fokon’i Joda. (No 34:3; Js 15:1) Sady anisan’ny Tany Efitr’i Zina i Kadesy no anisan’ny Tany Efitr’i Parana. (No 13:26; 20:1) Toa nifanila àry ireo tany efitra roa ireo, na nidadasika kokoa ny Tany Efitr’i Parana ka mety ho anisan’izy io ny Tany Efitr’i Zina.
2. Indroa ao amin’ny Baiboly no misy firesahana toerana antsoina hoe “Zina” nefa tsy misy hoe “tany efitra” miaraka aminy. Mety ho tanàna iray tsy fantatra tany atsimon’i Joda izy io, teo anelanelan’ny fiakarana Akrabima sy Kadesi-barnea, ka avy amin’ny anaran’ilay tanàna ny anaran’ilay tany efitra nanodidina azy. Mety ho ny Tany Efitr’i Zina ihany anefa izy io.—No 34:4; Js 15:3.