Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zioga

Zioga

Hazo lavalava atao eo amin’ny vozon’ny biby (mazàna omby) roa mitarika sarety na fitaovam-pambolena. (Is 9:4; No 19:2; De 21:3; 1Sa 6:7) Nisy tady ilay zioga, ary iny no nafatotra teo amin’ny vozon’ny biby tsirairay. Ny zioga hafa indray nisy tanan-jioga (hazo roa kelikely mijidina), ka natsofoka teo anelanelany ny vozon’ireo biby ary nisy tady nafatotra teo amin’ny tendany. Ny tadin’ny zioga sasany kosa nafatotra teo amin’ny foto-tandrok’ireo biby.

Teny tany am-boalohany. Avy amin’ny hoe zeognymi (“zioga; mampiray; mampikambana; mampitambatra”) ny teny grika (zygôs, zeogôs) ilazana ny zioga. Biby roa mazàna no nampiraisina zioga, ka ilazana biby “roa” ny hoe zeogôs, toy ny hoe “domohina roa.” (Lk 2:24) Tsemed ny teny hebreo mitovitovy amin’izy io, ary nadika hoe “roa” (Mpts 19:3, 10; 1Sa 11:7; 1Mp 19:21), “tsiroaroa” (1Mp 19:19), na “ampahefatry ny hektara” izay velaran-tany asain’ny omby roa ao anatin’ny iray andro (1Sa 14:14). ʽÔl na ʽôhl kosa ny teny hebreo iantsoana ny fitaovana ampiraisana zioga na anakambanan-javatra. (No 19:2) Ilazana ny baran’ny zioga (Le 26:13; Ezk 34:27) ny teny hebreo hoe môhtah. Ilazana an’izay anakambanana na ampiraisana zavatra roa na mihoatra, fa tsy ny zioga fotsiny, ny teny grika hoe zygôs. Mampitohy lela-mizana roa, ohatra, ny vovona-mizana, ka nadika koa hoe “mizana” ny hoe zygôs.​—Ap 6:5.

Heviny an’ohatra. Ny andevo na mpanompo no nitondra entana. (Ampit. Js 9:23; 1Ti 6:1) Andevo na mpanompo na olona nofehezin’ny olon-kafa àry no nolazaina hoe nitondra zioga an’ohatra, toa an’i Esao teo ambany ziogan’i Jakoba (Ge 27:40), na vahoaka nofehezin’ny mpanjaka na firenen-kafa (1Mp 12:4-14; 2Ta 10:4-14; Ezk 34:27), na olona nampahorina sy nijaly. (Is 58:6-9) Mafy kokoa ilay fampahoriana raha vy ilay zioga. (De 28:48; Je 28:10-14) Nafahana tamin’ny fanandevozana sy fampahoriana ary famoretana kosa ny olona iray, raha hoe nesorina na notapahina ny ziogany.​—Le 26:13; Is 10:27; 14:25; Je 2:20; 28:2, 4; 30:8; Ezk 30:18.

Toy ny hoe nitondra zioga mavesatra ny mponin’i Jerosalema rehefa resin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona sy nofeheziny. Tamin’ny lahiantitra izay mbola tsy nitondra zioga no tena navesatra ilay izy. (Ampit. Is 47:6.) Niresaka izany an-kolaka i Jeremia, rehefa nilaza ny alahelony noho ny faharavan’i Jerosalema. Hoy izy: “Tsara ho an’ny lehilahy tomady ny mitondra zioga mandritra ny fahatanorany.” Ho mora kokoa amin’ireo efa nitondra zioga fony kely tokoa ny hitondra zioga any aoriana, nefa tsy hamoy fo.​—Ft 3:25-30.

Navesatra sy nampijaly ny zioga nampitondrain’ny olona sy firenena. Tsy mba toy izany kosa ny zioga nampitondrain’i Jehovah Andriamanitra an’ireo mpanompony tsy nivadika. Hoy i Jehovah momba ny famindram-pony tamin’ny Israely: “Tady fitarihana olona no nitarihako azy, dia tadim-pitiavana. Koa tamin’izy ireo, dia efa toy ireo nanainga ny zioga tsy ho eo amin’ny valanoranony aho, ka nitondra sakafo tamin-katsaram-panahy ho an’ny tsirairay taminy.” (Ho 11:4) Nanainga na nanala ny zioga tamin’ny biby ny olona tsara fanahy, ka afaka nihinana tsara ilay biby. Toy izany koa no nataon’i Jehovah tamin’ny Israelita. Rehefa nanapaka ny ziogan’Andriamanitra ihany izy ireo, izany hoe tsy nankatò Azy (Je 5:5), vao nijaly teo ambany ziogan’ny fahavalo.​—Ampit. De 28:48; Je 5:6-19; 28:14.

Toy ny hoe zioga ny Lalàna nomen’i Jehovah Andriamanitra ny firenen’Israely, satria adidy sy andraikitr’izy ireo ny nankatò azy io. Masina sy ara-drariny ary tsara izy io, ka tsy nitondra fahavoazana ho azy ireo. (Ro 7:12) Tsy afaka nankatò tanteraka azy io anefa izy ireo satria mpanota sy tsy lavorary. Zioga ‘tsy zakan’izy ireo na ny razan’izy ireo’ àry ny Lalàna (satria nomelohin’izy io izy ireo rehefa tsy nankatò), hoy i Petera, ka tsy tokony hoterena hitandrina ny “lalàn’i Mosesy” ny Kristianina tsy jiosy. (As 15:4-11) Tsy ny Lalàna fa ny ota no manandevo. (Ro 7:12, 14) Mpanota sy andevon’ny ota anefa ny olona ka homelohin’ny Lalàna, izay tsy tena mahaisotra ny fahotana, tsy toy ny soron’i Kristy. Tsy hahazo fiainana àry izay miezaka mankatò tanteraka ny Lalàn’i Mosesy, fa vao mainka manaiky “hogejaina indray ao amin’ny ziogan’ny fanandevozana.”​—Ga 5:1-6.

Sady teo ambany ziogan’ny Lalàn’i Mosesy ny Jiosy fony i Jesosy tetỳ an-tany, no nanaraka lovantsofina maro be nanavesatra azy ireo. Hoy i Jesosy Kristy momba ny mpanora-dalàna sy Fariseo: “Enta-mavesatra no feheziny ka apetrany eo an-tsoroky ny olona, nefa na ny tenany aza tsy te hanetsika izany amin’ny rantsantanany.” (Mt 23:4) ‘Navesatra entana’ àry ny sarambaben’olona ka hoy i Jesosy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Mt 11:28-30) Raha ilay ‘zioga’ nampitondrain’ny Rainy an’i Jesosy no tiany holazaina, dia ho afaka ny hiray zioga aminy izy ireo ary hampiany. Raha ilay zioga nampitondrain’i Jesosy kosa ilay izy, dia tokony hanaiky ny fahefany sy ny tari-dalany izay te ho mpianany. Azo inoana fa Kristianina iray tany Filipy ilay nolazain’ny apostoly Paoly hoe ‘tena mpiray zioga aminy’, noho izy ireo niara-nitondra ny ziogan’i Kristy.​—Fi 4:3.

Toy ny zioga koa ny fanambadiana satria mampiray ny lehilahy sy ny vadiny. (Mt 19:6) Mitondra “zioga” tsy mifanentana aminy àry ny Kristianina manambady tsy mpino (2Ko 6:14), ka ho sarotra be amin’izy roa ny hiray saina sy hanao zavatra miaraka.