Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zipora

Zipora

(Zipôra).

1. [Vorona; na mety hidika hoe Voronkely]. Vadin’i Mosesy. Teo amin’ny fantsakana iray no nihaonan’izy sy Mosesy, rehefa nampisotro rano ny andian’ondrin-drainy i Zipora sy ny rahavaviny enina. Nisy mpiandry ondry tonga teo ary nandroaka an’ireo zazavavy. Efa fanaon’ireo mpiandry ondry ireo izany. Nanampy an’ireo zazavavy anefa i Mosesy, ary nampisotro rano ny andian’ondrin’izy ireo mihitsy aza. Tsara fanahy i Mosesy ka nampiantranoin’i Jetro mpisorona sady rain’i Zipora. Nomen’i Jetro ho vadin’i Mosesy i Zipora tatỳ aoriana, ary niteraka an’i Gersoma sy Eliezera taminy.​—Ek 2:16-22; 18:3, 4.

Niaraka tamin’i Mosesy i Zipora vadiny sy izy roa lahy zanak’izy ireo, rehefa nirahin’i Jehovah hiverina tany Ejipta i Mosesy. Nisy zavatra tena nampahatahotra nitranga anefa teny an-dalana, ary tsy tena mazava ny fitantarana momba ilay izy. Hoy ny Baiboly: “Ary teny an-dalana, teo amin’ny toeram-pilasiana, dia nitsena azy i Jehovah [“anjelin’i Jehovah”, LXX] ka nitady izay hamonoana azy ho faty. Koa naka vatoafo i Zipora tamin’ny farany, ka noforany ilay zanany. Dia nalainy ilay hoditra nesoriny ka nataony nikasoka tamin’ny tongotr’izy io, sady hoy izy: ‘Fa amiko, dia vady azo tamin’ny ra ianao.’ Dia nalefany izy. Ary hoy i Zipora tamin’izay: ‘Vady azo tamin’ny ra ianao’, noho ny famorana.”​—Ek 4:24-26.

Samy manana ny fomba anazavany an’ireo andinin-teny ireo ny manam-pahaizana. Nampidirin’izy ireo ao amin’ny Baiboly maoderina ny sasany amin’ireny fanazavana ireny. (Jereo Kat.; FFBF; DIEM; TOB) Samy niezaka nanazava izy ireo hoe: I Mosesy sa ilay zanany no saika hisy hamono? Ny tongotr’iza no nokasihin’i Zipora tamin’ilay hoditra nesoriny, ny an’i Mosesy sa ny an’ilay zaza sa ny an’ilay anjely? Nilaza ny heviny koa izy ireo momba ilay tenin’i Zipora hoe “vady azo tamin’ny ra ianao.” Nohazavain’izy ireo hoe nahoana izy no niteny izany, ary iza no nitenenany izany.

Mety ho izao no izy: Ilay zaza no saika hisy hamono, ary manamarina izany ny lalàna momba ny famorana voalazan’ny Genesisy 17:14; namora an’ilay zaza i Zipora satria fantany fa izay no vahaolana; natsipiny teo an-tongotr’ilay anjely saika hamono an’ilay zaza ilay hoditra nesoriny, satria tiany haseho fa nankatò ny lalàn’i Jehovah izy; i Jehovah (ilay anjely no solontenan’i Jehovah) no nilazan’i Zipora hoe “vady azo tamin’ny ra ianao”; nanao izany izy mba hanaporofoana fa nekeny hoe toy ny vadiny i Jehovah, ka toy ny vehivavy manaiky ny vadiny izy tamin’izy nankatò izay notakin’ny fifanekena momba ny famorana.​—Jereo Je 31:32.

Tsy misy fomba ahalalana izay tena hevitr’ireo andinin-teny ireo anefa ao amin’ny Baiboly. Saro-takarina koa ny hevitra ara-bakitenin’ireo andininy ireo, satria fomba fiteny hebreo tranainy, fampiasa efa ho 3 500 taona lasa, no ampiasainy ao. Nandika an’ireo andininy ireo somary ara-bakiteny àry ny Baiboly sasany (TV; Prot.; FFBF; JM), anisan’izany ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.

Toa niverina i Zipora ka lasa nitsidika ny ray aman-dreniny. Voalaza mantsy fa taorian’ny Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta vao nankany amin’i Mosesy tao amin’ny toby, tany an-tany efitra, indray izy sy ny zanany roa lahy, niaraka tamin’i Jetro. (Ek 18:1-6) Tonga tao an-toby izao i Zipora ka toa izany no nahatonga an’i Miriama, anabavin’i Mosesy, hialona azy. Ny naha Kosita azy no nataon’i Miriama (sy Arona) fialan-tsiny himenomenonana tamin’i Mosesy. (No 12:1) Olona maro no mihevitra fa efa maty i Zipora tamin’io, ary nanambady indray i Mosesy ka vehivavy etiopianina no nalainy ho vady. Tsy voatery hitombina anefa izany, satria mety hilazana olona avy any Arabia koa ny hoe “Kosita”, na dia ampiasaina matetika mba hilazana ny Etiopianina aza.​—Jereo KOSY No. 2; KOSITA.

2. [Vorona]. Rain’i Balaka mpanjakan’i Moaba.​—No 22:2, 4, 10, 16; 23:18; Js 24:9; Mpts 11:25.