Ziva
(Zìva).
Volana faharoa tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, fa fahavalo kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana (1Mp 6:1, 37), ary mifanitsy amin’ny faramparan’ny Aprily sy voalohandohan’ny Mey. Hoy Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino momba ny volana Ziva resahin’ny 1 Mpanjaka 6:1: “Iara, izay volana faharoa manarakaraka ny Nisana, no ahafantarana azy io izao. Nantsoina hoe Ziva (famirapiratana) izy io satria vaky felana sy vony ny zavamaniry, ka toy ny hoe ‘namirapiratra’ ny tany.” (Nataon’i A. Cohen, Londres, 1950) Mampiasa hoe Iara ny Talmoda jiosy sy ny asa soratra hafa taorian’ny sesitany.
Fotoam-pijinjana vary orza eny amin’ny havoana amin’izay, ary mijinja varimbazaha ny eny amin’ny faritra iva. Rakotra voninkazo ny havoanan’i Galilia. Manomboka ny main-tany, ary manjavona vetivety ny zavona maraina rehefa mafana ny andro. Ny ando amin’ny alina ihany àry no mandena ny zavamaniry, ary andrasana hifarana amin’ny Oktobra ny main-tany.—Ho 6:4; Is 18:4.
Nahazo nankalaza ny Paska tamin’ny 14 Ziva ny Israelita, raha toa ka tsy nahavita izany tamin’ny 14 Nisana satria tsy teo an-toerana na naloto, araka ny Lalàna.—No 9:9-13; 2Ta 30:2, 3.
Ny volana Ziva no nanombohan’i Solomona nanorina ny tempoly, sy nanombohan’i Zerobabela nanorina indray azy io efa ho 500 taona tatỳ aoriana.—1Mp 6:1; Ezr 3:8.