Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ziza

Ziza

(Zìza).

1. Iray amin’ireo zanakalahin’i Simey, ary ny anarany no voatonona faharoa. Lohan’ny fianakaviambe izy teo amin’ireo Levita Gersonita, izay nanankinana andraikitra tamin’ny andro nanjakan’i Davida. (1Ta 23:6, 7, 10, 11) Zina no eo amin’ny andininy faha-10 ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, fa Ziza kosa no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina.

2. Zanakalahin’i Rehoboama Mpanjaka tamin’i Maka vadiny, izay zafikelin’i Absaloma. Maro ny tanàna sy sakafo ary vady nomen’i Rehoboama an’i Ziza, rehefa nokasaina hatao mpanjaka i Abia rahalahin’i Ziza.​—2Ta 11:20, 22, 23.

3. Zanakalahin’i Sify, anisan’ireo mpiadidy simeonita izay nanitatra ny tanimbilony, ka naka ny faritanin’ny taranak’i Hama sy nandringana ny mponina tao, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka.​—1Ta 4:24, 37-41.

4. Fiakarana iray narahin’ny tafik’i Moaba sy Amona ary Amonima rehefa nanafika an’i Joda izy ireo, tamin’ny andro nitondran’i Josafata Mpanjaka (936-t. 911 T.K.). Maro no milaza azy io ho ny Lohasaha Falehan-driaka Hasasa (Nahal Hazezona), tokotokony ho 15 km any atsimoatsinanan’ny toerana voalaza fa nisy an’i Tekoa, ary 10 km eo ho eo any avaratrandrefan’i En-jedy.​—2Ta 20:1, 2, 16, 20.