Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zoara

Zoara

(Zoàra).

1. [avy amin’ny fototeny midika hoe “bitika kely”]. Lehilahy avy amin’ny fokon’i Isakara, ary i Netanela ‘zanany’ no mpiadidy teo amin’ny fokony tany an-tany efitra.​—No 1:8, 16; 2:5; 7:18, 23; 10:15.

2. [Hakelezana]. Tanàna tao amin’ny “Faritr’i Jordana.” Toa teo amin’ny sisin’ny lemaka lonaka iray izy io taloha. (Ge 13:10-12; jereo FARITR’I JORDANA.) Toa Bela no anaran’i Zoara, taloha. Tamin’ny andron’i Abrahama, dia niara-nikomy tamin’ny mpanjaka efatra tao amin’ny Faritr’i Jordana ny mpanjakan’i Zoara, taorian’ny 12 taona nifehezan’i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama azy ireo. Resin’i Kedorlaomera sy ny mpanjaka telo niray dina taminy anefa izy ireo. (Ge 14:1-11) Taloha kelin’ny handravan’i Jehovah an’i Sodoma, dia nangataka i Lota mba ho afaka handositra tao Zoara. Nekena izany ka tsy noravana i Zoara. (Ge 19:18-25) Niala tao anefa i Lota sy ny zanany roa vavy tatỳ aoriana, satria natahotra. Nipetraka tao anaty lava-bato teny amin’ny faritra be tendrombohitra tsy lavitra teo àry izy ireo.​—Ge 19:30.

Voalaza mialoha fa handositra hatrany Zoara ny Moabita rehefa hisy loza hanjo an’i Moaba, ary ho “re hatrany Horonaima sy Egleta-selisia” ny antsoantso ao Zoara. Angamba tanàna moabita i Zoara tamin’izany fotoana izany. (Is 15:5; Je 48:34) Zoara (Zogora) no ampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Baiboly maoderina hafa (BFC; DIEM: “Tsôhara”) ao amin’ny Jeremia 48:4, fa ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta kosa manao hoe “ny ankizy madinika ao.” (TV, Prot., Kat.) I Zoara no farany atsimo hitan’i Mosesy tamin’izy nitazana ny Tany Nampanantenaina avy teo an-tendrombohitra Nebo. (De 34:1-3) Toa tany Moaba, na teo akaikiny, no nisy an’i Zoara, tsy lavitra an’ilay faritra be tendrombohitra nisy an’ireo Moabita, ary tany atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty. (Ampit. Ge 19:17-22, 30, 37.) Milaza ny manam-pahaizana sasany fa tany avaratry ny Ranomasina Maty no nisy an’i Zoara, ny hafa kosa milaza hoe teo amin’ny Saikinosy el-Lisan, na teo andrefana kely na atsimo kelin’ny tendrony atsimo amin’ilay ranomasina. Milaza an’i Zoara ho ny tanànan’i es-Safi, eo amin’ny vinanin’ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda (Lohasaha Falehan-driaka el-Hasaʼ) ny Profesora Yohanan Aharoni. Anarana niantsoana tanàna lehibe iray teo anelanelan’i Jerosalema sy Elata ny hoe Zoara, tany amin’ny taona 500 ka hatramin’ny 1500 tany ho any. Milaza anefa ny manam-pahaizana sasany fa tototry ny rano any amin’ny tapany atsimo amin’ny Ranomasina Maty ilay Zoara fahiny sy ny tanàna hafa tao amin’ny “Faritr’i Jordana.”​—Ge 13:12.