Zoba
(Zòba).
Fanjakana syrianina (aramianina) antsoina koa hoe Arama-zoba. (Sl 60:t.m.) Anisan’ny mpanjaka tany i Hadadezera. (1Mp 11:23) Mety ho nifanila ny fanjakan’i Hamata sy Zoba ka nantsoina hoe “Hamata-zoba.” (2Ta 8:3) Toa tany avaratr’i Damaskosy i Zoba, izay hatrany amin’ny faritr’i Hamata tany avaratra ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata tany atsinanana.—2Sa 8:3.
Niady tamin’ireo mpanjakan’i Zoba i Saoly Mpanjaka. (1Sa 14:47) Nanakarama Syrianina avy any Zoba sy miaramila hafa hiady tamin’i Davida ny Amonita tatỳ aoriana, nefa resin’i Davida daholo ireny. (2Sa 10:6-19; 1Ta 19:6-19) Azo inoana fa tamin’io ady io i Davida no nandresy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba ka nahazo babo avy taminy, anisan’izany ny varahina be dia be (nampiasaina tamin’ny fanorenana ny tempoly) avy tany Beta (toa nantsoina koa hoe Tibata) sy Berotahy (Kona?). (2Sa 8:3-12; 1Ta 18:3-9) Zanak’i Natana avy any Zoba i Jigala, iray tamin’ireo lehilahy maherin’i Davida.—2Sa 23:8, 36; jereo ARAMA No. 5; HADADEZERA.