Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zofara

Zofara

(Zôfàra).

Iray tamin’izy telo lahy “naman’i Joba.” Namatita izy. (Jb 2:11) Izy no niteny taorian’ireo namany roa lahy, rehefa niady hevitra tamin’i Joba. Nitovitovy tamin’izay nolazain’i Elifaza sy Bildada ny hevitra nolazainy, tamin’ny ankapobeny. Niampanga an’i Joba ho nanao ratsy koa izy, ary nasainy niala tamin’ny fahotany i Joba. (Joba toko 11, 20) Nitsahatra anefa i Zofara taorian’ilay adihevitra faharoa. Tsy nahita fanamelohana holazaina intsony izy, ka nangina rehefa nanomboka ilay adihevitra fahatelo. Nasain’i Jehovah nanolotra fanatitra be dia be izy sy ireo namany, tamin’ny farany. Nasainy nivavaka ho azy ireo koa i Joba.​—Jb 42:7-9.